Tantara mitohy film malagasy

1. Lenaivofilm ( 22/11/2006 06:17)
Ahoana no mba fahitanareo azy io satria izahay dia milalao fotsiny, nareo aty ampita ve efa mba nahita oh FANGOLOKA na HIFIKA
novalian'i faazavana ny 21/01/2013 07:57
2. Fiffi ( 22/11/2006 07:12)
tena tsy nahita an'zany indray raha zah aloha an !
3. Simpona ( 22/11/2006 08:22)
Za alohatsy nahita an'reo fa santionany vitsy am film gasy no efa hitako (tsy haiko loatr ny titre).
Ireo izay efa nahitako santionany no anehoakko hevitra eto
Raha reo sarimihetsika toy ny an'i Avoko aloha dia tsy dia hitako loatra izay hilana azy: toa mampiseho gidragidra fahatany, maka tahaka fotsiny ny sarimihetsika any am tany mandroso nefa tsy misy foto-kevitramahaliana fa nymaneho adiday sy hasiahana no tena hita hoe hanitonany ny mpijery. Dia azonareo sary an-tsaina ngamba we mpijery ohatry ny ahoana no voasinton'izany.
I Avoko no voalazako eto fa maro ny santionan'ny sarimihetsika malagay mitovy ami'n'io (tsy dia misy foto-kevitra mahasoa na tenamahaliana loatra)

Amiko dia ireny sarimihetsika mitovitovy amin'ny an'i Gégé RASAMOELY ireny no mety kokoa amin'ny sarimihetsika malagasy amin'izao: milaza ny tantara mikasika ny fiainana andavannadro ary milaza ny zava misy. Mora tontosaina ireny nefa "réaliste" (omeo teny lagasy mahasolo an'io azafady:wink:) kokoa hoantsika malagasy.

Tsy ory mpanatalenta isika amin'ny fanoratana tantara eto dago, ohatra fotsiny ireny mpandea tamin'ny RAdio madaasikara tamin'ny androny ireny.
Mankahery anareo mpandrindra sy mpilalao dia mirary fivoarana hatrany.
4. Lenaivofilm ( 29/11/2006 18:01)
Tsara ilay fijerinao fa amin'izao koa anie efa tena betsaka ireo mpamokatra horonantsary e ary hitako hoe efa tena manao ezaka be ny Malagasy an, na i Avoko aza toa efa somary niala tamin'ireny gidragidra ireny raha ny fahitako ny film navoakany tato ho ato an, asa raha hitanao izao ireny film vao hivoaka rahampitso vokarin'ny mpamokatra tanora ireny
5. kitjo ( 30/11/2006 16:33)
Za nahita Hifika nijanona 2moia tany Dago mahery teo,

tokony tsara ilay izy fa tsy haiko na lany fika ngamba le mpamokatra d itarina b lotra le tantara nddray nefa efa fantatrao dieny voalohany hoe inona no hitranga

fa efa mba mivoatra kosa aloha ry zareo na zany aza an!

Ilay "Poizina" misy an' i Bodo sy Volatiana zao no nojereko farany, tsara ihany le izy fa saingy tsisy suspens mitsy fa vo manomboka d fantatrao ny farany.

napetrako @hevitra atsy ambadika atsy ireo film ireo ze te hijery..misy hafa koa ao!
6. faazavana ( 21/01/2013 07:57)
mpijery film gasy ny tenako, ary indraindray mahita zavatra kely tsy d mety foana ka tiako miitsy ra toa ka itan'izy ireo ireto fanitsina kely reto mba hanatsarana ny vokatra gasy, indrindra am film ani Volatiana zay tena tokon ho tsara kanefa misy pitsopitsony tsy voajery mihitsy:
- efa mipetraka eo amin'ny toeran'ny tambanivohitra indraindray lay vehivavy dia mbola manao maquillage be ihany
- am tapany voalohany amin'ilay tantara olona mpanakarena b izy sady mahay tsara aveo am tapany faharoa rehefa tonga any an-dafy dia lasa tena vendrana b lotra( misy contradiction)
- olona efa b problème sady mandeha atsy mandeha aroa, tokony aseho fa ts maavita mikarakara tarehy b lotra intsony (mila atao zavatra reel leiz fa ts oe zay apamanja)
- rehefa mbola akizy lay resahana na oe tanora be, d aleo ankizy mifanaraka amin'izay no atao milalao lay izy na dia mitana ny rôle principal aza

ho an'ireo mpanao serie ndray( long metrage) angamba n flaza azy. mba ilaina iany re reolona no mapanao casting a. misy toy ny mamaky teny be, ela b vao mamaly ny ray (angamba mitadidy texte), tena ts lasa e. Lay montage moa dia tsy lazaina tsony. ndraindray tsy misy inoninona re lay discussion fa le hira natao fond no mafy be. mba jereo akaiky iany e.

reo aloha no tena itako hatreto ary marihako fa fanatsarana no andrasanay mpijery raha toa zahay manakiana satri ref ratsy n vokatra d tsis vidy tsun le vokatra gasy d aleonay ndray mjery serie afa e. zay fa de mirary soa bdb ho ani mpamokatra reetra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1625