ny lalana tsy azo hoanina?????

1. fijo ( 21/11/2006 22:42)
ireo mpifaninana rehetra amin'ny filoha amperinasa ireo dia mitsikera,fa ny lalana dia tsy azo hoanina.
gaga aho,satria raha olona mikasa ny ho filoham pirenena no tsy mahalala,fa io lalana io,no antoky ny fandrosoan'ny firenena iray,dia tena mila mandinika tsara ny sainy aloha ry zalahy.
novalian'i fijo ny 23/11/2006 23:30
2. xxx ( 22/11/2006 00:03)
marina tokoa ny anao, fa izao kosa ary, mahazo hanina ve ny lalana amin'i fijo?
3. tenagasy ( 22/11/2006 00:08)
Tsotra ny valiny eh!
Foano daholo ireo lalana ireo de hitantsika eo raha hihinana ny fihinantsika isika eh!
Mba alefaso lavitra ny eritreritra e!
Sa i xxx kosa naman'ireo "zalahy" voalazan'i fijo etsy ambony?
4. vale ( 22/11/2006 00:24)
tenagasy: hihihihi !

.. mety manana fomba hafa hitanterana ny vokatra sy hivezivezena ngamba xxx:-D:-D
5. oufouf ( 22/11/2006 09:07)

marina tokoa ny anao, fa izao kosa ary, mahazo hanina ve ny lalana amin'i fijo?

mba mivoaha tao ambadiky ny xxx tao é ! izao lé mpanakorontana tsy misy idée ! mankaleo ! lalana ve azo ho hanina .. sa enao te-hihinambovoka irery !
6. belaza ( 22/11/2006 09:22)
tsy aleo ve mba mandeha aminy lalana tsara raha samy tsy minana ihany, taloha ary sady tsy misy hoanina no tsy misy lalana
7. sylvain ( 22/11/2006 09:47)
tsy azo hoanina hono ny lalana nefa ry zalahy faly sy misosa ery mande @ lé lalana,d aza mande @ lé lalana rehefa tsy faly fa mandehana eny an-tanimbary na eny an-tendrombohitra.
8. xxx ( 22/11/2006 10:30)
Mbola tsy nisy namaly hoe eny sa tsia? Tsy hoe akory vita ny lalana dia hoe mandroso.

tsindrom-paingotra ka izay voa aza tezitra.
9. vale ( 22/11/2006 16:09)
xxx: KA EFA MISY EZAKA IZANY E! HUM:twisted:
10. vale ( 22/11/2006 16:10)
belaza:

tsy aleo ve mba mandeha aminy lalana tsara raha samy tsy minana ihany, taloha ary sady tsy misy hoanina no tsy misy lalana
za mba gaga ry belaza!8)8)8)


11. vale ( 22/11/2006 16:12)
sylvain:

tsy azo hoanina hono ny lalana nefa ry zalahy faly sy misosa ery mande @ lé lalana,d aza mande @ lé lalana rehefa tsy faly fa mandehana eny an-tanimbary na eny an-tendrombohitra.
sylvain: hihihihi! :wink::wink:


12. mandrindra ( 22/11/2006 16:26)
ie, ny lalana tsy azo hoanina ka :-D:-D:-D

ny zavatra tsoahina voalohana amin'io dia ny hoe efa misy izany ny lalana, izany hoe misy asa mivaingana vitan'ny fanjakana. ka aoka tsy hitaimbaka hoe lalana fotsiny no mba vitany, tsy misy ilana an'izany, fa sady ilaina io no efa nahavita aloha ry zalahy.

ny faharoa kosa dia noana ny pokona, izany hoe tsy ampy ny fahefamividy ny zavatra ilaina amin'ny andavanandro. dia aoka koa tsy hivava hoe miasa bebe kokoa fotsiny fa tsy anjaran'ny vahoaka no mametra ny karama ambany indrindra, tsy ny vahoaka ihany koa no mametra ny vidin'entana, ary mbola tsy ny vahoaka ihany koa no manentana ny tompombola hanangana orinasa sy hetsika hamppihena ny tsy an'asa.
13. fijo ( 22/11/2006 23:43)
ny mahatonga ny fanontaniako dia zao.raha mianatra momba ny fitantanana enaoan,dia tsimaintsy mianara ny atao hoe fifandraisana sy fivoarana.ary ny lalana no antoka voalohany amin'ireo.aza hadino,fa ny lalana amin'ny firenena iray dia hitsarana ny fandrosoany.ka aleo ihany ve le fahiny????????eo no mahagaga ahy.nefa ry zalahy te hitondra firenena
14. kitjo ( 23/11/2006 07:28)
ka zay ange le hoe hanala anRavalo ny tanjona fa raha ty tkoa moa ka lany?

loza! mbola vao hieritreritra programa fa ndraso kely aloha!
15. pissoa ( 23/11/2006 08:21)
Tsy azo hanina ny lalana nefa mampandroso ... ao aoriana kely raha tsy simba anatin'ny dimy taona ary afaka mamokatra ny olona. Atao inn lalana refa tsisy akory ny hotanterina :roll:

Fifandraisana : mety hampiova ny fifandraisana ve ny lalana raha tsy ho zakan'ny ankamaroan'ny olona akory ny sarany (amin'ny mety hilana azy rehetra) ?

Ka resaka laharam-pahamehana io : rehefa tsy manana fahafahana hamadika ny lalana ho mofo ny olona - dia ny lalana sa mofo no mahamaika azy kokoa ? :-D Mazava ho azy, ny olona maty noana ary tsy manana fiara hiteny hoe mofo - ny olona tsy maty noana fa manana fiara hiteny hoe lalana. Dia aza sesefana ny hoe miasa be ny olona maty noana fa efa io notenenin'i mandrindra io ny valiny. :-D
16. mandrindra ( 23/11/2006 09:55)
dia aiza daholo ary ny mpanohitra mba hilaza ny heviny hoe tsy misy ilana azy ny lalana, aiza ô!!!!

dia aiza ihany konkou ireo mpanohana, sy ireo mpanohitra manana paikady, mba hanazava koa hoe ahoana no ataon'izay lany eo hanatsarana ny fahefa-mividy. aiza ô!!!!!

dia manantena anareo mpanohana mpifaninana ilay tsy miandany amin'iza n'iza mba hanzava an'ireo e.
17. fijo ( 23/11/2006 23:30)
pissoa ,ny anjaran'ny fanjakana dia ny manao ny fotodrafitrasa.vita izay ny azy.ny vahoaka izao no tokony mba hanao ny anjarany.

raha le resaka hoe "hanatsarana ny fahefa mividy "aloha aleo izay mahay izany no hiresaka fa tsy haiko io
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3096