hira tsy misy reharehako
1. mia
(
21/11/2006 20:36)
Mba mangataka ny tonon'io hira io raha misy manana azafady o!hira fanampiny angamba izy io raha tsy diso aho.
Misaotra:D
Misaotra:D
novalian'i mia ny 22/11/2006 16:34
2. cutie
(
21/11/2006 21:03)
Tsy misy reharehako afa-tsy ianao jesosy o
Anao ny hery anao ny haja sy voninahitra
Ny fasana sy ny fiainatsyhita
Indro efa resinao
ndraso henoiko ny tonony fa tsy tadidiko :)
Anao ny hery anao ny haja sy voninahitra
Ny fasana sy ny fiainatsyhita
Indro efa resinao
ndraso henoiko ny tonony fa tsy tadidiko :)
3. hery
(
21/11/2006 21:17)
1 - Tsy misy reharehako
Afa-tsy Ianao, Jesosy ô !
Anao ny hery, Anao ny haja
Sy voninahitra.
Ny fasana sy ny fiainan-tsy hita
Indro efa resinao.
Izao tontolo izao dia nahita
Fa efa nitsangana Ianao.
Sambatra aho, Jeso ô,
Manana Anao izay Tompon’ny
hery.
Sambatra aho, Jeso ô,
Miankina eo an-tratranao.
Ampy ahy ny fitiavanao.
Ampy ahy ny finoako Anao.
Raketiko ao am-po lalandava
Fa reharehako Ianao.
2 - Tsy misy nahitam-pamonjena
Afa-tsy taminao.
Nanaiky Ianao tsy mba noterena
Hitondra aina vao.
Ny tananao mahery natsotranao
Mba hitantana,
Hahaizako mandeha sy mizotra
Ny làla-marina.
3- Nasehonao ilay fahefana
Manda sy aroko,
Ka niala maina teo ilay satana
Ilay fahavaloko.
Tsy misy maharombaka akory
Izay eo an-tananao.
Izany indrindra no ilazako
Fa reharehako Ianao
Afa-tsy Ianao, Jesosy ô !
Anao ny hery, Anao ny haja
Sy voninahitra.
Ny fasana sy ny fiainan-tsy hita
Indro efa resinao.
Izao tontolo izao dia nahita
Fa efa nitsangana Ianao.
Sambatra aho, Jeso ô,
Manana Anao izay Tompon’ny
hery.
Sambatra aho, Jeso ô,
Miankina eo an-tratranao.
Ampy ahy ny fitiavanao.
Ampy ahy ny finoako Anao.
Raketiko ao am-po lalandava
Fa reharehako Ianao.
2 - Tsy misy nahitam-pamonjena
Afa-tsy taminao.
Nanaiky Ianao tsy mba noterena
Hitondra aina vao.
Ny tananao mahery natsotranao
Mba hitantana,
Hahaizako mandeha sy mizotra
Ny làla-marina.
3- Nasehonao ilay fahefana
Manda sy aroko,
Ka niala maina teo ilay satana
Ilay fahavaloko.
Tsy misy maharombaka akory
Izay eo an-tananao.
Izany indrindra no ilazako
Fa reharehako Ianao
