Mikorotana Mscar

1. salmo ( 21/11/2006 17:21)
Antso an-tarby
Ny miaramila sy ny pôlisy dia efa mifampitifitra ka maty ny miaramila anakiray, ary halevona rampitso.
Ny anakiray amin'ny miaramila Generaly dia nijoro fa raha lany i Andriamatoa Marc Ravalomanana dia hisy rotaka be ny Nosy Madagascar. Tsy dia akafiziny ireo miaramila tsy pokony Imerina ny fitondrany Marc ra8.
¿aiza ny demokrasia malagasy?
novalian'i xxx ny 24/11/2006 20:58
2. titimms ( 21/11/2006 17:44)
niza2 lany eo toa hisy korontana foana. tsis anaiky resy e
3. sonwin ( 21/11/2006 18:04)
:roll:
4. xxx ( 21/11/2006 18:13)
inona indray izany nifampitifitra izany e!mba azavao hoiavan izany satria efa nilamina ilay t@sabotsy!misaotra!
5. vale ( 21/11/2006 18:15)
salmo: mampalahelo be le toe-tsaina e!
6. rakaroka ( 21/11/2006 18:17)
"Rehefa ny filoha mitondra firenena
no hita fa maranitra
sy manam-pahendrena
Isaorana Andriamanitra!

Fa azo sokajianz tsy an-kiambatrambatra
ho firenena sambatra
izay firenena izay
fa manan-tsolon-dRay

Satria dia tsy hihahaka
fa manana mpitarika azo alaina tahaka
izay vahoaka entiny
mahita ny firentin'
ny fanetreny tena
sy ny herim-po asehony anaty fahendrena...

7. akama2006 ( 21/11/2006 18:44)
ho an'iza io ?ho any ilay olona mety ho vanona angamba fa sty ho any ireo tsy ho vanona izao!:-D:-D:-D:-D:-D!ze de mot io e!
8. rakaroka ( 21/11/2006 18:58)
tohiny
Satria ny fahendrena
finiavana hietry mba hitomboan'ny hafa;
satria ny fahendrena
fatezana hihaino, fetezana hitafa;
satria ny fahendrena
fahaiza-mankantelina ny ezaky ny namana;
satria ny fahendrena
fahaiza-mitsinjara ny kely am-pelatanana;
satria ny fahendrena
fiainana isan'andro ny androm-pahafahana;
satria ny fahendrena
fitiavan-tanindrazana!...
9. Fiffi ( 21/11/2006 19:03)
ay ! ay ! ay !
10. rakaroka ( 21/11/2006 19:07)
Rehefa ny filoha no manana fitiavana
fa nahavoatra fo handraisana ho havana
ny olona rehetra,
ho namany hitsetra...
.................
Fa rehefa ny filoha no amboniana loatra
na manambony tena,
adalam-pahefana ka dia mampiasa mihoatran'
izay nifanekena,
dia mihamitombo harena;
"satria" ny firenena
dia "hoe" an-katerena;

rehefa ny filoha
no mihinana isan'andro ireo hanim-pito loha;
kanefa ny vahoaka dia zara raha mihinana
(izay mba mahita hohanina)
mahantra fitsimbinana
manao sangodom-panina
anaty tsy fisiana
domelim-pahoriana
ary efa ivongadian'ny kitrom-pandohalihana
tsy manan-kitodihana!
11. rakaroka ( 21/11/2006 19:11)
rehefa ny filoha no tsy mihaino intsony,
manentsina tadiny
n'iza n'iza hamoaka ny hetahetam-pony
sy izay mba faniriany,
ka tsy mahita intsony ny fahorian'ny hafa,
dia tsy ho hita intsony
hiarahana mitafa
dia hanahoana ny aminy?...
12. rakaroka ( 21/11/2006 19:15)
Fa hanandrify rahona ny lalana halehany
satria tsy ho voalaminy
ireo karazan-tsampona hameno izay hiherehany...
Dia tsy ho tafandry mandry
satria tsy maintsy miandry
ny ora sy minitra
hipoiran'izay hery, ambiny tsy ritra,
tsy laitran'ny tsy fidy izay nampipitrapitra
ny mason'ny vahoakany,
rehefa injay hitobaka ny fatran'ny kapoakany...
ka asa izay avoakany!!!...
13. salmo ( 21/11/2006 21:29)
¿fa in no nahantonga any rakaroka nanao tonokalo?:roll:
14. fijo ( 21/11/2006 21:46)
lasa vinany ka.izy daholo iznay e.
15. papounette ( 22/11/2006 05:13)
Mahagaga ahy mitsy nareo sasantsany mipetraka any andafy tony.Toerana anakiray tsy 1/10000 ny Madagasikara no misy pb de lazainareo fa mikorontana Madagasikara.Avy eo ko de mbola voizinareo koa ny resaka foko!!!!!!:evil::evil::evil:
16. rakaroka ( 22/11/2006 08:31)
papounette:

Mahagaga ahy mitsy nareo sasantsany mipetraka any andafy tony.Toerana anakiray tsy 1/10000 ny Madagasikara no misy pb de lazainareo fa mikorontana Madagasikara.Avy eo ko de mbola voizinareo koa ny resaka foko!!!!!!:evil::evil::evil:


Tsy misy resaka foko aloha izay voasoratro, tsy resaka faritra manokana koa fa sensation "universelle fotsiny"!


17. papounette ( 22/11/2006 09:00)
rakaroka:

papounette:

Mahagaga ahy mitsy nareo sasantsany mipetraka any andafy tony.Toerana anakiray tsy 1/10000 ny Madagasikara no misy pb de lazainareo fa mikorontana Madagasikara.Avy eo ko de mbola voizinareo koa ny resaka foko!!!!!!:evil::evil::evil:


Tsy misy resaka foko aloha izay voasoratro, tsy resaka faritra manokana koa fa sensation "universelle fotsiny"!






:DAn2 ka tsy ny resakao zany lazaiko zany fa le resaka alefany salmo ka.:-*:-*
18. 00bandy ( 24/11/2006 01:07)
Resako foko kosa le niangan'ilay resaka teo ambony teo eh !, tsy hoe refa tsy tia dRa8 dé tanindrana na tsy merina. gasikara rehetra no nifidy andRa8 t'@ fifidiana farana teo aoka tsy ho hadino ry zareo o !!!
malagasy iray hatrany forever !!!! :lol::lol:

:-* :-* :-* :-*
19. xxx ( 24/11/2006 20:58)
salmo;namaky ny hevitra natolotra aho dia gaga sy talanjona,taiza sy oviana no mikorotana eto madagasikara? fantatrao ve iny tantara nataon'i jeneraly fidy iny?ka miangavy anao indrindra mba tsy hanoratra sy manao fanakorontanana saina toy io fa maha-menatra,tsy misy mikoratana eto ary jeneraly efa tsy amperin'asa sy voakarama hanakoratana io fidy io, zany no tsy nanarahan'ny mpanohitra azy na 1 aza,asio fahendrena ny fiainana e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.5724