vaovaon'ny androany sabotsy

1. jentilisa ( 18/11/2006 10:22)
Tsy mbola misy izany fisamborana na fanonganana na ny mifanahatahaka amin'izany. Ao amin'ny toby BANI hatrany ny jeneraly fidy.

http://jentilisa.blogspot.com
novalian'i colar ny 18/11/2006 21:08
2. akama2006 ( 18/11/2006 10:26)
merci jentilisa nitatitra!
3. Samoana ( 18/11/2006 11:03)
misaotra anao Ra-jentilisa mampita vaovao ho an'ny namana !
4. ratonga ( 18/11/2006 11:09)
Henoko t@ RFI maraina teo fa to nisy nifampitifotra tao @ toby miaramila tao Ivato, miaramila iray no maty, afaka nipetraka ihany anefa ny roplan nitaondra an dra8 avy taty érôpa.
5. papounette ( 18/11/2006 11:10)
Rfi no nilaza an'zany omaly.Avy aiza ary le feo?
6. ratonga ( 18/11/2006 11:19)
papounette:

Rfi no nilaza an'zany omaly.Avy aiza ary le feo?

avy aiza fa tsy fantatro !!:roll:

7. akama2006 ( 18/11/2006 11:22)
avy azia ilay efo????? injay ilay feo ,injay ilay feo fa reko indray yyyyyyy!:-D:-D:-D:-D:-D
8. rabaradaka ( 18/11/2006 11:28)
Misy folie kely ao amin-dRafidy. Zahay niara-niasa taminy dia mahafantatra tsara fa somary misy fahavoazana kely io Jeneraly Fidy io. Fa misy kitoatoa ihany koa ange eo amin'ny Governemanta e, indrindra ny tafika. Efa ho 6 andro no heno fa hanao an'io adalany io Fidy nefa tsy nisy fepetra noraisiny. Fony zahay miaramila dia tsaroako fa tsy nahazo commandement mihitsy i Fidy dia misy complexe nedala amin'ny miaramila dia izao tehandrombaka fahefana zao. Sambory any io Fidy io dia soloy an'i rabaradaka
9. akama2006 ( 18/11/2006 11:31)
ouiiiiiiii rabaradaka comanda !rabaradaka comanda!:-*:-*:-*:-D:-D:-D:-D
10. Fiffi ( 18/11/2006 11:32)
de ahoana zany ity ?

Niditra amin'ny fanonganam-panjakana ny jeneraly Andrianafidisoa omaly rehefa tsy afa-po amin'ny trangan-java-misy eto Madagasikara, ka io no làlana iray no fantany fa haingana ahazoana ny fanjakana. Tapa-bolana sisa dia higadona ny datin'ny 3 desambre hanaovana ny fifidianana no mitranga ilay fanonganam-panjakana ataon'ny manam-boninahitra ao amin'ny tafika. Ny jeneraly Andrianafidisoa dia nanambara fa voafehiny tanteraka ny vondron-tafika eny Ivato ary ao ihany koa ny foiben-dry zalahy mpaka fanjakana ireto, ary nanomboka nandrenesan'ny olona maro io fanambarana omaly io, dia nizarazara be ny hevitra teo amin'ny vahoaka sy ny mpanao politika. « Tsy ny fanjakana alaina ankeriny no heverina fa ahafahana manarina ny firenena » hoy ny ventson'ny maro teny rehetra teny satria iarahana mahita ny vokany any amin'ireo firenena nisehoan-javatra tahaka izao, fa ady an-trano lava no nanjaka ka zary farahidiny ny mponina tao amin'ilay firenena.
Ny kandida izay nahavita antsakany sy andavany toy ny fanotana bileta sy ny efa lany vola be ihany koa, dia manamafy fa tsy ny herisetra no fangalana fahefana fa aleo raisina amin'ny alalan'ny latsa-bato ataon'ny vahoaka io toerena hanompoana ny tanindrazana io.
Fanonganam-panjakana iny no nataon'ity jeneraly iray ity sy ekipany, inona no fepetra raisin'ny fitondrana foibe manoloana izao ? Andro vitsy lasa izay, dia nanambara ny Praiministra lehiben'ny Goverenemanta fa handray ny andraikiny ho an'ireo minia hanakorontana eto amin'ny tany sy ny fanjakana ary iza no tsy nahatsiaro ilay teniny hoe « Tandremo sao mitomany raha tratranay manakorontana eo ». Hanao ahoana ihany koa ny akon'ireo eo anatrehan'ny vahoaka, sy ny firenena any ivelany ? Saika isan'andro no ahitana ireo karazana hotakotan-kevitra miaro herisetra eto amintsika ka niainga any amin'ny fiheverana fa tsy ara-dalàna ny datin'ny 3 desambra, nitohy tamin'ny filazana fa tokony hovana ny lalàm-pifidianana sy ny maro tsy voatanisa. Ny hita aloha dia misy karazan'olona tsy maintsy miseho foana isan'andro, ary izao mitarika any amin'ny zava-doza izao, satria tsy maintsy hisy akony ratsy eo anivon'ny vahoaka ny tarehin-javatra tahaka izao na azony ilay fahefana notsiriritiny na tsy azony.
Amin'ny ora hanoratanay ity lahatsoratra ity, dia mbola tsy tonga eto an-tanindrazana ny filohan'ny repoblika, ka hanaiky hifampizara ny fahefana amin'ireo jeneraly milaza fa eo ampelan-tanany ny fahefana ve ny tenany? Ny azo hambara aloha hatreto dia tsy hilaozan-tantara hatrany eto amintsika ka asa na mbola hazaka ireny ny atidohan'ny gasy na ahoana fa ny anio no ahafantarana ny tohin'ny tantara.
Naivo Kely Madagascar Tribune
11. Samoana ( 18/11/2006 11:34)
rabaradaka/ i Fidy io anie izao fitaovana fotsiny fa tsy handrombaka fitondrana izany e !
12. akama2006 ( 18/11/2006 11:35)
efa ireo hiadivana hevitra ireo ilay izy fiffi a!

mifandray avokoa ilay resaka teo aloha hoe tsy manaiky ity 3 dec ity ny candidat 9,dia io ny manaraka dia ny tohiny apres reaction ny mpanoa politika sy ny 3dec raha raikitra ihany!
13. kitjo ( 18/11/2006 15:42)
fa in ary no d tena olana @ le daty e?
mampahantra ve?
miantefa @ vahoaka ve ra naroso?

tttssssss

merci jentilisa fa voatantaranao tsara ilay izy ao @ blogpost!
14. Lejim ( 18/11/2006 16:05)
Zah aloha contre krizy zah e! Na inona ny zavatra miseho any na inona, raha hiteraka vono olona sy krizy ekonomika ilay izy dia mitsipaka zah! Mba manana famille arovana koza zah io! :)
15. Fiffi ( 18/11/2006 17:14)
zah koh ! :)
16. kitjo ( 18/11/2006 18:26)
marina zany e!
sady ny vahoaka no victime fts!
anisan zany fianakaviantsika mianakavy @tenin lejim!
17. colar ( 18/11/2006 19:28)
ra za ra 8 atao ministra daol reo mitabataba reo d milamina ny tanana,tsy aleo v zay toy zay we gadraina de misy gidra fona,de atoroy ny asa tokony ataony izy d zay ,rariny ihany ange reo mitabataba reo e,izy v no niady mafy tam 2002 d ol tsy hay ary daol no hitondra ,diniho ihany ra 8 fa aza d entina am ambo po ny firenena a,alamino fa enao no deba zao
18. kitjo ( 18/11/2006 19:32)
oadray
ko ra samy hiady toerana dol ny vahoaka niaritra hatsika sy moka t@ 2002 ary ny hain'andro?

ko ra tsy ity izy ity ataotao fts oe ty ataoko ministra d zay!
ko ts mba nde hangataka toerana ko tsika? hihihi
19. colar ( 18/11/2006 21:08)
fa misy ange ny tena we mpanao poltika fa misy ny mpitaninandro atranay e,za ko zao mba we atovy ministra v satria za teny am 13 mai fona ny andro 1ka hatram niafarany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.3926