intolérence idéologique???

21. Fiffi ( 19/11/2006 17:32)
kelly13: ny fanaovana reférence foana @ intolérance idéologique no tiako hamafisina @ io . de hoy aho hoe:
aza ny "intolérence idéologique" foana no hamafisina fa tokony ny zavatra lazaina no tandremana ! ohatra fotsiny ity hoe
Voalaza teo :
Ny amin'io voalazanao io dia mamela ahy ianao hanompa anao amin'ny reninao satria eritreretiko fa mendrika anao izany.
zay fotsiny.....
22. tsimiandravola ( 21/11/2006 22:20)
Fiffi:

aza ny "intolérence idéologique" foana no hamafisina fa tokony ny zavatra lazaina no tandremana ! ohatra fotsiny ity hoe
Ny amin'io voalazanao io dia mamela ahy ianao hanompa anao amin'ny reninao satria eritreretiko fa mendrika anao izany.

Misaotra an'i Fifi nanatsidika an'io antony iray nahatonga "angamba" ny fanivanana io.

Voalohany aloha dia miala tsiny ho an'ilay olona niantefan'ny "ompa".Faharoa dia miaro tena koa satria amiko na ny ompa na ny vavaka dia samy tsy misy mitombina.Tsoriko aminareo,ary efa nolazaiko teto ihany fa kristianna aho nandritra ny fotoana ela,ary nony tonga ny fotoana tsy nahakristianna ahy intsony dia nahatsapa fa afa-jioga,izany hoe "libre".Io fahafahana io no nampiasaiko satria tsapako fa "afaka" aho=niha-maivana.Ny hadinoko dia ny tsy fananan'ny hafa izany "fahafahana" izany ka nahatohina azy amin'ny "ompa" izay eritreretiko fa "maivana" (io ilay relativité tediavin'ny hafa tsy hitombina).

Etsy an-danin'izany anefa (andanin'izany "ompa" izany ,na maivana io na mavesatra) dia misy tokoa ny toe-javatra izay mavesatra dia mavesatra "amiko" (na aminay tsy mpino),dia tsy inona akory izany fa ny contenu n'ny baiboly izay mampiseho intolérence:-incitation à la haine raciale-génocide-ethnocide-vol-raquette-meurtre-assasinat-....Ireny zavatra rehetra ireny dia azon'iza n'iza porofoina amin'ny alalan'ny baiboly mihitsy (ankoatry ny maha-zava-diso ara-tantara ny baiboly,na ny Ancien izany na ny Nouveau Testament).Ireny rehetra ireny nefa dia amavain'ny mpino,azo lazaina hoe relativiser-vany.Dia apetraka ny fanontaniana:iza no tena mpanao relativisation?

Iza no mendrika sivana kokoa?: ny resaka "ompa" (izay ialako tsiny eto) sa ny zava-mifanohitra amin'ny droit humain toy ireo voalazako etsy ambony iretsy?

Amiko dia mazava ny valiny.Ka iangaviana ianareo mba handinika tsara ka tsy hiteny hoe "iza koa no handany andro hijery izay relativité any...?"

Amiko ny baiboly dia tsy azo asosa akory ho manuel antanan'ny tanora ,na ny ankizy izay ho futur citoyen.

-Dia tohiziko ery amin'ny nofin'i Majesty ho an'i Tsimiandravola ny resaka.

23. prime ( 22/11/2006 13:05)
Sarotra mihitsy rehefa tsy mahay manavaka intsony hoe hatreto no fetran\'ny fahafahako sy ny an\'ny hafa ka hiezaka ny tsy hanohintohina ny fahafahan\'ny hafa...
24. xxx ( 22/11/2006 14:01)
tsimiandravola, inoako fa tsy enao mpandinika be io no tokony teneniko oe raha nomarihinao dia tsy nampiditra resaka baiboly, ... mihitsy aho miresaka aminao eto.

Rehefa eto amin'ny serasera enao sy izaho sy ny hafa, dia ny fitsipi-pipehezan'ny serasera no mamaritra ny mety sy ny tsy mety. Io ihany no fanoharana fa tsy ny ideologie-nao akory, na ny dika vilana ny baiboly ataonao, na ny ideologie-ko (of course, if I do have one). Tsy nisy noterena tsika niditra teto :) Ary averiko indray, sady efa nodinihiko be io :-D, fa
Raha handany andro hi-considerer relativité an'ny ratsy amin'ny fitaizana nomena ny tsirairay eto isika - dia ho fiaraha-monina tsisy lalàna ny hiafaran'ny fiaraha-monintsika. Izay ve no tena ilaina ? Izay ve no tena ilainan'ny "tsy mpino" ? I don't think so.


Ka fiaraha-monina tsisy lalana ve hoa no tadiavin'ny "tsy mpino" ? Ny an'ny mpino mantsy efa fantatra ny heviny.

PS : Hono hoa, ilay mahazo manompa ve zany fahafahana azonao mampitsinjaka anao ? sa ilay mahazo mandeha mamboly hazo refa Alahady maraina ? :-D
25. prime ( 22/11/2006 14:25)
:wink::-D:-D
26. Fiffi ( 22/11/2006 21:23)
xxx:
PS : Hono hoa, ilay mahazo manompa ve zany fahafahana azonao mampitsinjaka anao ? sa ilay mahazo mandeha mamboly hazo refa Alahady maraina ? :-D
tsy ratsy indray iny an ! humm....sady mampiheritreritra ......


27. prime ( 24/11/2006 08:55)
"Fa raha misy efa afaka amin'ny fahalotoan'izao tontolo izao noho ny fahalalana tsara an'i Jesosy Kristy, Tompo sy Mpamonjy, nefa voasingotr'izany indray ka resy, ny farany dia ratsy noho ny voalohany." II Petera 2:20
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4378