Sao dia efa lany andro ka tokony ovaina

1. majesty ( 17/11/2006 06:14)
Nisy mopera izay tany tamatavy t@ za mbola 16 taona teo ho eo,dia nampaniraka an'le namanay zay foana izy mba haka film X ho azy,dia misy anakiray koa any amin'iny faritra antananarivo atsimo atsinanana iny misy mopera miaraka @ ramatoa le maire,ary efa mitoe-jaza aminy io maire io amin'zao fotoana izao (fantatry ny ao an-tanana retraretra izany fiarahan-ndry zareo izany ary tsy miafina ntsony izy roa ireto),any amin'iny faritra avaratra andrefana iny ndray dia misy mopera anakiray,anisan'ny mahafinaritra azy ny miara misotro toaka sy mipetrapetraka miaraka amin'reo tanora zazalahy eo antanana,dia tena miaraka mirevy mintsy ry zareo,dia lasa ny saiko hoe tsy ampy ntsony ve ny relijiozy no tsy esorin-ndry zareo eo amin'ny toerany ireo olona ireo na sao dia efa tokony ovaina ny lalana mifehy ny eglizy ka mba afaka maka vady amin'zay izy ireo,mba tsetsatsetra tsy aritra izy ty fa tsy hoe manaratsy akory an:D
novalian'i Fiffi ny 22/11/2006 07:05
2. xxx ( 17/11/2006 09:33)
angamab ilay vahaolana fahroa no mety satria tena tsapa tsy eto amintsika ihany fa eran-tany mihitsy dia sarotra ho an'ny oombelona ny mandresy ny filàna rehefa mahery loatra.
3. xxx ( 17/11/2006 09:51)
xxx - kay le ! Izay fotsiny v ?

Za alou tsy miombon-kevitra hoe satria tsika tsy mahasahy mandresy filàna dia ovaina ny lalàna mifehy ny Eglizy e. Dia tokony ovaina koa ve ny mikasika ny fijangajangana satria resaka filàna izany ? Dia ovaina ny mikasika ny fanalana zaza satria vokatry ny filàna izany :-w:-w:-w Tsara ny fanovàna rehefa izay no ilain'ny Eglizy fa tsy hoe izay no mampilamina ny fiainana sy ny eritreritry ny olona.
4. anare ( 17/11/2006 10:52)
Izaho manoka aloha dia hoy aho hoe aleo iany izy tsy anambady fa mba evero kely ane ny adintsain'ireo manambady refa misy olana ao antokatranony ao e , dia refa marary ny zanaka dia refa tsy ampy ny vola dia refa tsy maintsy atao ny adidy @ fianakavia fa izany hono no maha olona sns e ! @zay fotoana izay dia tsy ahavita ny asa nanokanany tena tsony izy. Dia hoavy ndray ny ol ilaza fa hoe te hanambady eo koh. Zay reetra tao dia isy lafiratsiny navokoa. Firifiry ny ol manambady aradalana na tsia, efa omena alalana izao hanjaka @ vadiny (filàna io a ) nefa dia mbola makatsy sy makaroa iany. Asa iza no diso kokoa. Ra za aloha aloha dia hoy aho hoe avelao izy aka kely any fa mba tsy atao mandratra ny fon'ny ol kosa aloha, fa ny asa nanokanana ny tena no atao ze ahavita azy aradalana. Tsy fiatsarambelatsihy akory, szatria ny marina reetra tsy filaza. Tsy fandikana voady koa satria mandehana nareo manatrika fanamasinana mopera dia miainoa tsara fa tsisy voady @ fadiovana ataony ao. Ny relijiozy no manao voady @fadiovana sy fahantrana fa ny dioseziana kosa tsia.Ny mopera nay ami,tsika anefa diosezianina daolo.Zany tsy midika oe andana daoly nareo ry mopera manondrana etsy sy eroa. Fa dia misy tokoa aloha dia mamenatra mintsy ny ataony e. Nefa sonjo ray lohasah tsy ilaozan'izay mamarara.Ze tsy nanota taminareo no aoka itorabato azy, dia ataovy vato karanga na le vato eny @ carrière reny mintsy dia @zay enony tsara ny arariny.
5. radanz ( 17/11/2006 11:53)
dia ataovy vato karanga na le vato eny @ carrière reny mintsy dia @zay enony tsara ny arariny.

dray tahak'n'inn ny fidonanany ? maharary e ?
6. zizi ( 17/11/2006 13:08)
Ny krizy misy foana amin'ny maha-olombelona na inona na inona toe-piainana. Raharaha rehefa tonga izay krizy izay. Entina am-bavaka mba hisy ny fahaiza-mitandrina sy fahamalinana. Le hoe tokony hanambady ny mopera, ilay sehatr'asa no mahasarosarotra azy. Aza ampitahaina amin'ny pastera. Ny iray asa(ny maha-pastera), ny iray tena fiainany mihitsy(mopera), indrindra moa fa hoe relijiozy(olona maromaro miara-monina) vao mainka koa sarotra raha manambady izany.
7. mitia5 ( 17/11/2006 14:32)
de mivavaha ho azy e!
8. ninih ( 17/11/2006 15:28)
ny lalana tsy misy lany andro na ny iray aza fa ny 1/1 no tokony hisaina tsara izay ataony.
9. Fiffi ( 17/11/2006 15:58)
majesty: de ny olona ve tsy misy mitaraina @ zany ?
10. hery ( 17/11/2006 19:28)
Tsy hoe rehefa misy rangahy manambady kanefa mbola mampirafy etsy sy eroa dia hoe tokony hofoanana ny fanambadiana... na hoe tokony hanambady maromaro ny olona.

Toa izany koa. TSy hoe rehefa misy mompera tsy miaina ny maha-mompera azy dia tokony ovaina ny maha mompera ny mompera.
11. Fiffi ( 17/11/2006 20:24)
majesty:
misy mopera anakiray,anisan'ny mahafinaritra azy ny miara misotro toaka sy mipetrapetraka miaraka amin'reo tanora zazalahy eo antanana,dia tena miaraka mirevy mintsy ry zareo,
sao dia efa tokony ovaina ny lalana mifehy ny eglizy
hihihihi raha mba mirevirevy kosa ve izy de tokony lazaina hoe tokony ovaina ny lalana ?
Ary raha ohatra ka manao fanahiniana izy manao an'io mba fanampiana ny tanora ? satria @ zay de mijanona eo fotsiny le revirevy fa tsy lasa manao adalana ohatra ireo tanora fa mba mijanona miaraka aminy eo ?


12. cutie ( 17/11/2006 21:15)
Aza jerena ze ataony e
ny teniny no arahina refa any am-pengonana:-D:-D:-D
Za koa alou de mahalala mopera bdb mana-janaka sy ny tariny e , fa atao ahoana moa, fiainana daholo zany.
13. Fiffi ( 18/11/2006 13:37)
ka mba te-hanan-janaka ary izy koh !
14. majesty ( 20/11/2006 05:32)
Hoy Hery:

Tsy hoe rehefa misy rangahy manambady kanefa mbola mampirafy etsy sy eroa dia hoe tokony hofoanana ny fanambadiana... na hoe tokony hanambady maromaro ny olona.

Toa izany koa. TSy hoe rehefa misy mompera tsy miaina ny maha-mompera azy dia tokony ovaina ny maha mompera ny mompera


samy hafa ireo lazainao ireo ka,ny voalohany dia eken'ny fiaraha monina fa ratsy sy tsy azo atao ny mampirafy eo amin'ny sehatry ny fanambadiana,fa ny manambady anie tsy fahotana e;dia izay no mahatonga ahy hilaza hoe sao dia tokony avela hanambady ry zareo izay te hiditra amin'izay sehatra izay tahaka an'ireo môpera manambady any @ orthodoxe ohatra.

Fiffi:tsy misy miteny azy ny olona ka,t@ voalohany fotsiny no somary hafahafa fa rehefa avy eo zatra ny manodidina dia zary lasa mandeha ho azy ny fahitana an-ndry zareo manao an'reo fihetsika ireo.
15. Fiffi ( 20/11/2006 06:17)
mejesty: ka io hoa no hilazako hoe tsy aleo ve izy miaraka mirevy @ ireo tanora ireo ? jereo kely kosa aloha sao de manampy ireo tanora no hanaovany an'zany ....
16. xxx ( 20/11/2006 06:58)
majesty, fa ny fiaraha-monina angaha no masi-mandidy ? Vakio koa ny voalazan'i anare. Dia tadidio fa tsy ny natao ihany akory no fahotana fa ny adidy tsy vita ihany koa.
17. majesty ( 21/11/2006 04:48)
xxx:tsy ny tany ange hono no fady fa ny vavam-bahoaka e:lol:
18. Fiffi ( 21/11/2006 06:07)
fady ahoana akia ry majesty ?
19. xxx ( 21/11/2006 08:01)
majesty, ary Andriamanitra :lol:
20. Fiffi ( 21/11/2006 17:11)
majesty ôooo ! valio akia ny fanontaniako io an ! :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.8601