James Bond: Casino Royal

21. Zina ( 20/12/2006 20:02)
ary to tsy dia betsaka ny commentaire ato? tsy dia nisy nijery firy angaha?
22. nikopol ( 25/12/2006 10:37)
za kalo nijery fa tiako le izy e ! le resaka hoe tany Madagascar tao kalo dia hita be hoe tsy tany no ni-jouer-na ilay sequence e, indrindra fa ilay nifanenjika be iny ! fa na izany aza ohatran'ny film d'action rehetra ihany.

za koa tamin'ny voalohany nieritreritra fa tsy mety ho james bond i Daniel Graig fa nony nahita ilay film za dia hitako fa mety tsara ilay izy... satria ohatran'niova zany ilay james bond, niova ho humain kokoa, mba nisy tantaram-pitiavana, mba nisy fihetseham-po fa tsy tena ohatran'ireo fahita taloha ...





23. randria2 ( 02/01/2007 20:44)
Tsy nanao recherche tsara momba an'i Madagasikara ry zareo mpanao anile film:

1/ Tsy misy "cobra" any Madagasikara, tokony nataony adin'akoholahy ohatra de mba azo inoana ihany.
2/ Mba heno ihany ny "son d'ambiance" amin'ilay scène, tena nohenoiko tsara fa misy miteny gasy hoe "Aiza Rakoto an?"(Henoy tsara ange refa mijery anile film ianareo na mamerina mijery azy fanindroany e), asa mety ilay feo fotsiny angamba no nalaina sy no-enregistrer-na tany Dago.
3/Ohatra ny misy taxi-brousse fôpla zany le izy saingy ny immatriculation ny fiara miseho amin'ilay séquence tsy mitovy @ fiara any Madagasikara akory(Tokony AB na AC raha tany Toamasina, DB na DD raha tany Antsiranana sy ny sisa) .
4/Tokony fantatry ry zareo mpanao anile film koa fa ao Antananarivo daholo ny ambassade ny firenena vahiny rehetra rehetra ao Dago fa tsy misy ambassade ny firenena na iza na iza akory any @ tanàna amoron-dranomasina. Maninona raha natao hoe consulat fa tsy ambassade, hita hoe lainga be le izy.

Farany dia ohatra ny hafahafa le mahita an'i JB blond raha tena efa zatra mijery JB bruns ohatra an-dry Sean Connery, Roger Moore, George Lazenby, Timothy Dalton ary Pierce Brosnan.
Ny ahy ohatra an'o Sean Connery ihany no reveko ry zalahy na dia efa soara aza :lol:
En fait tsy dia mahasosotra ihany aloha le film fa mba réaliste kokoa fa tsy dia be effet spéciaux loatra ohatra an'ilay farany (Die Another Day)
Ilay Eva Greene kosa aloha tsy atakaloko an'i Jinx (Halle Berry).
24. Zina ( 02/01/2007 21:28)
Roger Moore ve tsy plutot blond?
ilay Eva green ko tsy tiako fa otran'ny matoto satria be maquillage loatra hihihihihi
ny masony mainty be lotra
25. cutie ( 03/01/2007 01:43)
Ny ahy ohatra an'o Sean Connery ihany no reveko ry zalahy na dia efa soara aza

ny ahy koa:lol:
26. ronaldo09 ( 08/02/2007 16:06)
Izy iny aloha tsy tany Dago e!Fa hoe tsara fotsiny asiana hoe Madagascar!Ary ny akabetsahan'ny film ange tsy any amin'ny toerana lazaina no anaovana azy fa toeran-kafa!Ohatra izao ilay film vaovaon'i Di Caprio de hoe any Sierra Leone nefa tsy any fa tany Kenya!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.261