rehefa eo anilanao

1. tala2 ( 15/11/2006 16:10)
ba andefaso le hiran'i princio "rehafa eo anilanao" azafady
novalian'i mihanta ny 18/11/2006 00:12
2. mihanta ( 18/11/2006 00:12)
Tsy haiko raha ity hira ity no tadiavinao an

Rehefa eo an tratranao aho dia ravoravo ô
Falifaly mihirahira mivazovazo ô
Na mandreraka mamizana aza ny fiainana andavanandro ô
rehefa eo an tratranao aho toa azoazo ô
Fa ny eo an tratranao dia maharavoravo ô
Tena maharavoravo ô


Rehefa lavitra anao aho toa mivarilavo ô
Voraboraka toa lozotra malazolazo ô
Tsy mahita andro miratra toa manjombona tsisy masoandro ô
Refa lavitra anao aho dia mivarilavo ô
Fa ny eo an tratranao no maharavoravo ô
Tena maharavoravo ô

Ka aza avela irery fa tsy mba manan-kery
Fa mora mikodia mora lavo ô
Fa toy ny zazakely izay tsy mahasara-dreny
Ka mila omena nono isan\'andro ô
Satria dia zava-poana raha fanoto tsisy laona
Fa toa tsy lavorary mavomavo ô
Ka mila anao foana ,ianao mandava-taona
Hitondra izay anjara masoandro ô
Satria ianao ilay hany vatofantsika mafonja
Izay manohina ny foko tsy ho lavo
Ka raha ianao no tsy ho eo
Dia hilentika angamba ny sambo
Ka n\'inon\'inona miseho é
Dia aza mihetsiketsika eo é é é é

Rehefa tsy eo an tratranao aho dia oriory é
Valabalaka toa maloka be sorisory é
Mifendrofendro isan-kalina mivandravandra tsy mahita tory é
Rehefa tsy eo an-tratranao toa oriory é
Fa ny tsy eo an tratranao dia manorisory é
Tena manorisory é

rehefa eo an tratranao aho dia ravoravo ô
Falifaly mihirahira mivazovazo ô
Na mandreraka mamizana aza ny fiainana andavanandro ô
Rehefa eo an tratranao aho toa azoazo ô
Fa ny eo an tratranao dia maharavoravo ô
Tena maharavoravo ô

ka aza avela irery fa tsy mba manan-kery....





Dia mihainoa finaritra fa sady efa ao ami\'ny RVG ilay hira





© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1446