JIRAMA SY LAMEHYER
1. naritsimba
(
15/11/2006 08:39)
Tsy tadidiko tsara ny daty, fa t@ fotoana nidiran'ny La Mehyer ilay société mitantana ny JIRAMA ankehitriny dia nilaza ny ankamaroan'ny olona fa ORINASA MPANAO KOLIKOLY io La MEHYER(ialana tsiny raha diso ny fanoratra azy)io, ny nahagaga t@ izany dia ny Filoha Ravalomanana mihitsy no niaro an'io Société io ary sahy nilaza fa tsy marina izany ary izay olona sahy niteny an'izany dia niharan'ny fanenjehana sy ny sazy isan-karazany avy amin'ny mpitondra fanjakana, satria koa moa Ingahy Patrick RAMIARAMANANA no filohan'ny Filankevi-pitantanana (PCA) ao @ JIRAMA t@ izany hatramin'izao fotoana izao.
Ankehitriny dia ny BANQUE MONDIALE mihitsy no nilaza fa tena ORINASA MPANAO KOLIKOLY (corruption) ny LA MEHYER. Ka raha mbola izy no mitantana ny JIRAMA dia tsy ho azo ilay vola ho entina manarina ny JIRAMA.
Ny tiana ho tenenina dia izao: mba tonga saina isika fa mpanao kolikoly ny mpitondra ankehitriny, ary sahy miampanga ny gasy toa azy fa mandainga fa rehefa ny vazaha no miteny dia ekena fa marina.
Aoka isika handinika fa raha ny zava-misy dia inoako marimarina fa efa lafo i Madagasikara, koa sahia mijoro hiaro ny tanindrazana iombonana, fa na dia ny milaza azy ho mpivavaka aza ny mpitondra antsika, dia ny kibay ao an-kelika ihany.
Mahaiza mifidy @ fifidianana, fa efa tena potika ny toe-karen-tsika ankehitriny matoa hivoaka tsy ho ela ny vola 20000 Ariary tokana (Un billet de 100 000 FMG). Izany no mampiseho fa vao maika miha mahantra isika raha izao fitondrana izao no mitohy.
Misaotra e!

novalian'i naej ny 03/04/2007 11:16
2. naritsimba
(
15/11/2006 08:44)
Famatsiana jiro sy rano. Mandalo fahasahiranana indray ny Jirama
15-11-2006 / 09:41
Rehefa tsy ny jiro no tapaka dia ny rano. Amin’ireo tanàn-dehibe maro manerana an’i Madagasikara no ahitana izany.
Tsy delestazy ihany no hita fa hatramin’ny fahatapahan’ny rano ihany koa izao. Mandalo fahasahiranana indray mantsy izao ny Jirama eo amin’ity famatsiana jiro sy rano ity. Tato anatin’ny andro maromaro izao, dia tapaka ny jiro tamin’ireo kartie sasany teto An-drenivohitra eto. Ao anatin’ny indray andro, dia tsy latsaka ny indroa ny fahatapahana dia amin’ny antoandro sy amin’ny alina sady maharitraritra amin’izay. Misy kartie eto an-drenivohitra eto mitaraina fa tapaka foana ny jirony efa fotoana elaela ihany izay fa tsy vao izao. Saika tsy mirehitra foana ny jiro isan’alina, ohatra, amin’iny kartien’Andraisoro-Antsahameva-Tsarahonenana,. Tapaka foana toy izany koa ny jiro ao an-tanànan’Antsiranana ao efa ho herinandro maromaro izao. Maharitra adiny folo isan’andro eo ny fahatapahana. Ny jiro izay fa ny rano koa dia tapaka toy izany tao an-tanànan’i Fianarantsoa herinandro lasa izay. Tapaka ihany koa ny rano tao an-tanànan’Antsirabe nanomboka tamin’iny herinandro iny.
Teknika
Mikasika indrindra ireo toe-javatra voatanisa etsy ambony dia efa nampiomana ny tompon’andraikitra ao amin’ny Jirama. Lafiny teknika moa no fanazavana nentiny. Eo aloha ny tsy fahazakan’ny fitaovam-pamokarana Rano sy ireo tambajotra ny filàn’ny mpanjifa izay hita ho nitombo amin’ny toerana maro. Eo ihany koa ny fahasimban’ny tontolo iainana vokatry ny doro-tanety, ny tsy fahampian’ny rotsak’orana sy ny tsy fahampian’ny rano vokarina nateraky ny fiovan’ny toetr’andro amin’izao fotoana izao. Efa maherin’ny iray volana no nitrangan’izany, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra ihany. Izany hoe tsy avy amin’ny olana momba ny fitantanana na olana ara-bola izany no mahatonga ny fahasahiranana hatreto.
Etsy an-daniny anefa dia mifanindry amin’izao fahasahiranan’ny Jirama izao ny fanesorana ny orinasa Lahmeyer International tsy hahazo hitantana ity orinasa ity manomboka amin’ny volana aogositra 2007, araka ny sazy nampiharin’ny Banky iraisam-pirenena taminy noho ny raharahan-kolikoly. Tsiahivina ihany ny efa nahazoan’i Madagasikara famatsiam-bola entina hanohanana ny fanarenana ny Jirama.
Lucien R.
©Gazetiko

3. bazylou
(
16/11/2006 00:01)
Aoka re marina , fa raha avoaka eo daholo angamba dia be ny ho safotra eto!!
4. naritsimba
(
16/11/2006 14:22)
bazylou> aleo hivoaka ny marinba fa izay ange ilay teny filamatra hoe: FAHAMARINANA SY FAHAMASINANA eh!
5. Samoana
(
16/11/2006 14:31)
iza indray ary no hofidiantsika @ ity Razoky a :D!
Mba hazavao ny vahaolana omen'ny kandidà hafa fa toa samy faly mitifitr'havana daholo fotsiny e !

8. naej
(
21/02/2007 14:01)
efa 2007 zao mbola tsy hitako zay jirama tafarina eo,nefa io foana no hirahiraina ,fanarena, fanarena ,zahay zao nangataka branchement electrique vaovao efa t@ 2004 no voaloa ny devis 3 millions fmg hatramin'izao mbola lazainy fa tsy misy fitaovana foana,tena mahagaga,zao ndray 2007 lazaina fa ny famatsian-jiro sy rano no laharam-pahamehana ka dia miandry indray, 6000 ny dossier miandry hoy izy, dia aiza daholo zany ny devis naloan'ireo olona ireo?toa marina ny an'i naritsimba raha ny lasa no hitodihana kely.
9. naej
(
03/04/2007 11:16)
:o io fa toa marina tokoa ny voalazan'i naritsimba , fa ilay 2 alina ariary tokana kosa aloha tsy marina e!
jereo kely:http://lamako.free.fr/articles.php?id=6225:(