any ambanivohitra any lahy e!

1. katafi ( 12/11/2006 18:55)
mba saika hitady hira.tsy haiko ny lohateny sy ny mpihira azy fa misy izao fehezan-teny izao ao anatiny:"any ambanivohitra any lahy e!lohasaha mitomandavana""fa i neny anie d efa sasa-miandry!"
misaotra mialoha fa mba tena efa ela dia ela tokoa no nitadiavako azy io.
novalian'i katafi ny 13/11/2006 19:42
2. lanto ( 12/11/2006 19:23)
Eny ambanivohitra eny lahy e
Lohasaha
Lohasaha izay mitomandavana
Toa mangina ho'aho
Toa mangina mangina sady tony e
Alokalofan'ny
Alokalofan'ny havoana tsy hita fetra

herezo ny dia re razandry
Fa i Neny e
Fa i Neny anie dia efa sasa-miandry
Mahereza ho'aho
Afindrafindrao izany tongotra รด
Fa maika hody e
Fa maika hody ery ambanivohitra


Raha teo katafi d mba nanao beso :p
Mba iza tokoa no nihira azy io ?
3. Lejim ( 12/11/2006 19:55)
Nampianarina anay io hira io tamin'izahay T2. Tiako be koa io hira io fa tsy haiko iza no mihira azy!
4. katafi ( 13/11/2006 19:42)
misaotra betsaka ry lanto fa d efa ela tokoa any no nitadiavana azy ty e!d tsy hay tokoa oe iza no mihira azy ty,nefa d tsara tokoa le hira a!d mbola mamerina ny fisaorana ndray e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0575