Averina tanteraka tahaka ny tamin’ny ifotony ny Rova .

1. Fiffi ( 08/11/2006 10:19)

Tonga nitsidika sy nizaha ifotony ny fizotry ny asa fanarenana ny Rovan’i Manjakamiadana, izay kilan’ny afo ny takarivan’ny 06 novambra 1995, teny Anatirova ny Filoham-pirenena Marc Ravalomanana ny marainan’ny 07 novambra 2006. « Averina tanteraka tahaka ny tamin’ny ifotony ny Rova », hoy izy raha nitodika tamin’ireo manampahaizana manatontosa ny asa teny an-toerana.
Nataon’ny Filoha Marc Ravalomanana ho laharam-pahamehana ny hanarenana azy vao nandray ny fitondrana ny tenany. Naverina ny fanentanana ny tsirairay hitondra ny anjara birikiny amin’ny asa fanorenana. Fantatra fa mahatratra hatrany amin’ny 5.000 tapitritra Ariary ankehitriny ny fandraisan’anjaran’ireo olona tsara sitrapo na ny avy eto an-toerana na ny avy any am-pita.
Mafy ny asa raha tsy hiteny hafa tsy ny hamerenana ireo vato 17.000, ka ny 3.000 amin’ireo ihany no efa teo hatrany am-piandohana fa ny 14.000 ambiny kosa dia tena vato vaovao tanteraka. Olona 80 no fantatra fa miasa amin’ny sehatra vato mandritra izao fanarenana izao. Mba tsy hampitarazoka ny asa anefa dia misy ihany ireo vato hotefena amin’ny milina voatokana ho amin’izany.
Tsy ho mora ihany koa ny hitaterana ireo andry mirefy 23 metatra hapetraka ao Anatirova. Nanome toky anefa ny Filoha fa tsy maintsy ahitana hevitra ny amin’izany.
Ho voahaja araka izany ny endriny tany am-piandohana hatramin’ny nanorenan’i Jean Laborde azy, izay mbola hazo, ka hatramin’ny nitondran’i William Pool ny asa vato ivelany.
« Mila hajaina ny fe-potoana nifanomezana », hoy ihany ny Filoha nanafatrafatra ireo mpiasa. Eo amin’izay fe-potoana izay indrindra dia nanamafy ny Delege Jeneralin’ny avy ao amin’ny Komity Nasionaly Momba ny Vakoka, Andriamatoa Razafimihary Mejamirado fa voahaja tsara ny fotoana hatramin’izao. Ho tratra araka izany ny 12 volana fe-potoana hamitana ny asa tena goavana, izany hoe rindrina efa voatafo no hita eny an-toerana amin’ny volana aogositra 2007. Tsy misy miova amin’ny tany aloha anefa ny endrika fa ny fanamafisana no atao. Ny fomba fiasa manaraka ny « Charte d’Athènes » sy ny « Charte de Venise », mahakasika ny fomba fanarenana vakoka no arahina amin’izany.
Fantatra fa fototra 7 amin’ireo 22, izay misy mahatratra hatrany amin’ny 23 metatra miala amin’ny tany ny halaliny no efa tafapetraka.
Nandritra ny fitsidihana no nanehoan’ny manam-pahaizana amin’ny fikarohana momba ny vakoka avy eny amin’ny Anjerimanontolo, Ramatoa Bako Rasoarifetra ny santionany amin’ny teknikan’i Jean Laborde, izay antsoin’izy ireo hoe Volamahitsy teo amin’ny zoro firarazana. Mbola teo amin’io faritra Avaratra Atsinanana io ihany no nahitana karazana toeram-piasana, izay noheverina ho fanaovana vilany tanimanga tamin’izany.
Marihina fa ny fanarenana ny Rovan’i Manjakamiadana no tena ifantohana ankehitriny. Tsy mbola voafaritra kosa anefa ny fe-potoana handraisana ny asa amin’ireo lapa manodidina, izay mbola miankina amin-javatra maro, toy ny vola, ny teknika sy ny maro hafa. Na izany aza anefa dia hojerena akaiky ny hanarenana ireo fitaratra ao amin’ny fiangonana izay nisy nitoraka.
Madagascar Tribune
novalian'i Fiffi ny 19/11/2006 17:10
2. Fiffi ( 08/11/2006 10:21)

« Averina tanteraka tahaka ny tamin’ny ifotony ny Rova », hoy izy raha nitodika tamin’ireo manampahaizana manatontosa ny asa teny an-toerana. ^:^^:^^:^
3. rtf ( 08/11/2006 12:50)
ny azoko ambara fotsiny dia midera ny filoha amin'ny ataony rehetra satria raha tsy izy no teo mety ho tsy nisy ny toy izao, ary isaorana manokana koa izay rehetra nandray anjara sy izay mbola tsy nanome izay mino aho fa hanao izany atsy ho atsy.Fa ny nahavariana ay fotsiny dia izy ity ho asiana "ascenseur".....
4. prime ( 08/11/2006 13:08)
tsara kosa aloha izany an...
fa saingy akaiky campagne loatra...
rft> ...ascenseur?:-D:-D:-D
5. patrick2002 ( 08/11/2006 14:24)
tsara loatra izany ary midera ny filoha Ravalomanana amin'izany ny tenako na akaiky campagne na tsy akaiky ,fa saingy ny mampieritreritra dia aiza no tsy gadraina fa havela hiriaria fotsiny ireo izay ati-doha nikotrika ny fandorana ny rova :roll::roll: reconciliation national angamba izany.
Izaho dia mba te hanome ny anjara birikiko @ fanorenana ny rova ,fa izaho dia tsy hanome raha mbola tsy migadra ny olona nandoro an'io.
6. Fiffi ( 08/11/2006 14:57)
ary efa ela hiany aloha no nahenohina fa niatomboka ny travaux ary toa hoe nahangona vola be hiany ! nefa zao zany vao tena ho tanterahina izy io ? Fa na izany aza aloha dia tsara ary midera ny mpitondra ankehitriny !
7. mika117 ( 09/11/2006 06:34)
tena tsara kosa aloha zany e! ;fa zaho hoa ry reto otran'ny mataotra ny miditra anatin'ireny rova ireny ;asa na ny saiko no simba ;fa otran'ny hoe miditra anaty fasana aho dia misy fantome manodidina ahy :?::?:;Aza omena tsiny an!
8. Fiffi ( 09/11/2006 06:47)
misy fantome ahoana koh zany ? de fantome-n'iza ?
9. sipagasy ( 09/11/2006 08:45)
tsara ilay izy fa enga anie tsy ho kobaka am-bava satria akaiky ny fifidianana, tsy mino ny maty aho raha tsy avy mandevina e!!! rehefa vita soa amantsara i MANJAKAMIADANA dia mifampiarahaba isika fa vita ny asa e!!!!!
10. Fiffi ( 09/11/2006 10:32)
toa marina hiany io satria hono tena efa eny an-toerana avokoa ny mpanamboatra ?
11. prime ( 14/11/2006 08:50)
sipagasy> mitovy hevitra aminao tanteraka ny tenako... misy dikany foana io na ahoana na ahoana fandraisana azy raha vao akaiky fifidianana... ka tsara aloha ilay initiative fa aleo vita vao deraina...
12. Fiffi ( 16/11/2006 10:41)
efa mba nisy ny fanetren-tena de zay angamba no jerena...
13. ratonga ( 17/11/2006 22:21)
http://209.85.135.104/search?q=cache:Nbn3Lexbw4UJ:www.wanadoo.mg/printArticle.php%3FarticleId%3D249413%26mainSectionId%3D162+Michel+Rabeherivelo&hl=fr&gl=fr&ct=clnk&cd=1&lr=lang_fr
14. Fiffi ( 19/11/2006 17:10)
hummmmm ....efa akaiky zany 2008 zany an ! mety ho vita mialoha koa aza io . Enganié! :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1458