Rova Manjakamiadana
2. kelly13
(
06/11/2006 14:43)
njekaky ooooo!!! heveriko fa re-may njay ny rova! hihihi!! vazivazy andalana fa natsiaro tampoka ny eny aminay zany za nahita an'io hoe "Rova Manjakamiadana" io. eh oui, 10 taona lasa izay, may izy, tadidiko fa heno hatrao antokotaninay ny hafanan'ny afo t@ iny andro iny!!!
5. dailynews
(
06/11/2006 15:18)
oay androany 6 novembre tokoa moa izy iny e?? tadidiko iny indray alina iny.:(:(
6. Fiffi
(
06/11/2006 15:32)
11 taona katroka anio no nahamay ilay harem-pirenena dia ny Rovan'i Majakamiadana izany, izay reharehan'ny Malagasy tsy ankanavaka ny vakoka tahaka ireny. 11 taona aty aoriana izay misy ny ezaka ataon'ny fanjakana ny hanarenana azy ary tombanana ho vita amin'iny taona ho avy iny. Ny teny zato kabary arivo anefa tsy ahitana ny marina momba ny ati-doha nikotrika ny fandoroana azy, saingy nisy kosa ireo olona efa nogadraina ho mpiray tetika nandoro ity harem-pirenena ity.
Andro manan-tantara anio, saingy toa adino tanteraka ny momba azy noho ny tsy fisian'ny hetsika ho mari-pahatsiarovana ilay Rova nampiavaka ny firenena Malagasy eran'izao tontolo izao. Miavaka hoy izahay satria ny fahendren'ny razana taloha dia voatahiry tao avokoa, saingy tantara sisa tavela fa ny porofo napetrany levona tao an-dRova 11 taona lasa izay. Nahoana no avela hangatsiaka tahaka izao iny vanim-potoana iny ? Iza no mba mpitondra fanjakana hanisy resaka na dia indraim-bava ny fahatsiarovana ny datin'andro androany ? Ny 11 septembre tany Etazonia aza asian-tsika resaka foana rehefa mandalo io vanim-potoana io, saingy ho lasa valalan'amboa ve ny antsika ka isika tompony indray no minia manadino ? Mino anefa isika fa misy hatrany ireo olona tia tanindrazana entanin'ny fahatsoram-po hitondra ambavaka ilay Rova sarobidy izay hipetraka ho tantara tsy hay adinoina mandrakizay, fa tsy ho sanatria kosa atao fahatsiarovana mifangaro fampielezan-kevitra an.
Naivo kely Madagascar Tribune

7. kelly13
(
06/11/2006 17:47)
jentilisa:
11 taona lasa izay ka!
hay tokou mou 95 iny fa 96!!! sady za rahateo nulle en calcul! misaotra nanitsy eee :)
10. voromailala
(
07/11/2006 07:36)
Mandeha ny fotoana a,teny Isoraka aho no nahatazana ny nihatomboan'ny Rova may. Dia nanoratra an'ity tononkalo ity aho tamin'izay
11. missel
(
07/11/2006 08:41)
Aretin-tsaina ho an ny mpankahala no fototra angamba ary nahatonga ny fanimbana , sompatra ve sa tsy fitiavana .
alaviro ny fankahalana raha tsy te ho azon ny tsy fitiavana ianao , fa ny tendrompo tsy mba namana
missel
alaviro ny fankahalana raha tsy te ho azon ny tsy fitiavana ianao , fa ny tendrompo tsy mba namana
missel
13. Fiffi
(
07/11/2006 14:33)
diamondra: http://serasera.org/forum/?rub=dinika/message&msgid=m450523ac443ca
14. ninih
(
07/11/2006 15:16)
fa androany 07/11/06 anie azo hidiran' ny olon-drehetra ny Rova e! raha mba tany mantsy za an, mba nande tany.
16. kelly13
(
07/11/2006 16:37)
efa amboarina ms tsy hiverina toy ny talou intsony e! ny mampalahelo kou d ny zava-tsarobidy (toy ny akanjon'ny mpanjaka, ny bijoux etc...) izay levona tao anaty afo d tsy ho hita intsony mandrakizay. soa ihany fa mba efa nahita ny tao anaty rova im-bdb t@ mbola kely :(
17. Fiffi
(
07/11/2006 17:23)
cutie:nga akia Ravalo no manamboatra an'io ?
ka tsy efa am=pananmboarana azy moa ravalo zao :lol:
18. kelly13
(
07/11/2006 19:46)
fiffi>ny governemanta tarihan'i ravalomanana no tiany lazaina ngamba ka :)
19. cutie
(
07/11/2006 20:38)
Mpandefa : kelly13 [ Valio ] 07-11-2006 20:46:16
Lohateny : Re : Rova Manjakamiadana
fiffi>ny governemanta tarihan'i ravalomanana no tiany lazaina ngamba ka
ie zay mitsy :lol:
20. fanaina
(
07/11/2006 21:08)
Mpandefa : Fiffi [ Valio ] 06-11-2006 16:32:32
Lohateny : Re : Rova Manjakamiadana
11 taona katroka anio no nahamay ilay harem-pirenena dia ny Rovan'i Majakamiadana
sahady ve izay?
ary izaho tsy natadidy hoe firy taona aho t@ iny fa taididko tsara ny namay azy sady variana be no lasa saina, hoe iza no nandoro azy,kay mbola kitritriky kely lol mbola 7ans.
sady izaho matetika miezaka ny atadidy ny andro nahamay azy fa tsy fatako mihintsy.