fanamelohana an'i Saddam Hussein ho faty

1. Lejim ( 05/11/2006 15:17)
Iza no mitsipaka, dia iza no mankasitraka izao fanameklohana an'i Saddam Hussein, ancien president dictateur an'i Irak izao?
Zah aloha mitsipaka an'ilay procedure e!
Raha tamin'ny fomba hafa no nitsarana azy, izay aho vao manaiky. Tsy ilay condamnation a mort azy no olako fa ilay fitsarana mitongilana mihitsy!
répondu par fijo le 08/11/2006 22:43
2. kitjo ( 05/11/2006 15:56)
za aloha tsy dia hitako lotra izay holazaina

fa ny mponina anefa dia faly...le pozin lery mandritra ilay proces koa mandreraka be

fa marina ihany ny azy hoe maninon aizy raha tifirina fa tsy ahantona?
3. Lejim ( 05/11/2006 16:10)
- Ny hitako indray dia, ireo mpitsara aza tsy mahaleo tena fa voabaikon'ny Amerikanina.
- Ny mpitsara sasany taloha koa nesorina, dia nosoloina olona tsy tia an'i Saddam maizina mihitsy, tao ireo mpitsara nanana havana maty tamin'ny andron'i Saddam, dia tao ireo efa nifaninana taminy hatramin'ny ela fa tsy nahazo fahefana. Juridique-ment, tsy tokony ho ao ireo. Ilana fomba fijery tsy miangatra izany mitsara olona izany.
- Misy koa ange ny protestation e. fa saingy hoe fanatika an'i Saddam ireo ka dia efa izay ihany no asany. lol
- Dia amin'izao fotoana izao, violence bobaka be any Irak, mbola tsy competant hanafoana izany, na hampihena an'izany akory ny force americaine sy ny forces armees Irakienne. Dia mbola ampiana fanamelohana ho faty an'i Saddam koa. Toa mihamaizina izany ny fijereko ny avenir-n'ny Irak!

4. cutie ( 05/11/2006 17:44)
vo maika ho ela vo vita ny ady any.:lol::lol::lol:
5. kitjo ( 05/11/2006 18:33)
wait and see izany!

fa oh oe vao vety2 ilay ady farany teo iny e. teo za vo tonga saina fa kay efa t@ 2003
6. Robert ( 05/11/2006 20:21)
Ilay izy aloha hoe coupable Saddam..

Fa ilay hoe ho-faty tsy mety eee...

Maninona izy raha gadraina mandra-pahafaty any @ toerana hafa, tsy any Irak.

Il faut abolir la peine de mort.

7. hery ( 05/11/2006 22:39)
Sady tsy mizaka ny vokatry ny helony ny olona rehefa voaheloka ho faty... Tonga dia maty any izy dia izay fa tsy mijaly akory.
8. bemalaza ( 06/11/2006 08:42)
ny tody tsy misy fa ny atao ihany no miverina hoy ny fiteny malagasy.
tonga izao ilay fotoana hiverenany, sahaza azy io sazy mahazo azy io ,
tena makasitraka mintsy zahay , ary maromaroa ny tahak'izany.
9. prime ( 06/11/2006 08:54)
lejim> tsy lôjikan-javatra ve izany? rehefa resy alemagne t@ 45, moa tsy ny alliés no namorona fitsaràna araka izay nilainy? raha resy radidy, moa tsy ny ekipa ra8 no nitsara araka izay nilainy? lalànan'ny resy izany, mi-subir ny nataony rehetra...
10. caprio ( 06/11/2006 12:37)
Izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy hoy jesoa.Amiko manokana dia tsy mankasitraka ny fanamelohana ho faty azy ny tenako satria olom-belona izy fa tsy sanatria akory alika sy kisoa ka ho vonoina ho faty,ary tsarovy fa ny amerikanina no mandidy sy manapaka io fitsarana io ary ny azy no tena fahoriana indrindra raha anatanteraka io didim-pitsarana io izy satria manao Atra tsy misy izy ka dia minoa ahy hianareo fa ho avy aminy ny tsy mety raha hovonoina hiany i Saddam Huisen satria mantsy za mbola tsy tena mino fa ho faty izy satria..........rehefa tsy maty izy dia hotantaraiko @nareo ny antony tsy hinoako fa hotanteraka io fanameloha ho faty azy io
11. kitjo ( 06/11/2006 12:53)
io an'i Hery io no marina!

raha vonoina izy dia zay no vita! tsy mahare n'inona n'inona akory ary mety zarany aza.

tsy reny akory ilay fijaliana
12. ilanto ( 06/11/2006 13:41)
AZA MAMONO OLONA! izay ihany no iaingako ho ahy ary tsy misy manan zò haka ny ain'olona fa ny manasazy dia azo atao. Koa aleo sazina izy dia ampy izay. Toy ny gadra politika rehetra e.



13. mandrindra ( 06/11/2006 14:36)
tribonaly sarintsariny.
14. xxx ( 06/11/2006 19:54)
ilay fitsarana aloha dia saritsariny marina é , ary marina koa ny voalazan' i Hery sy cutie ....tsy izao ve ny tena hoe manjakazaka an-tanin' olona é ?
tsy lasa aloha le politika é ... tsy hita izay natao teo atramin' izay manimba zavatra fotsiny ..navoaka ny didim-pitsarana tany irak mba hahafahana milaza hoe mety hifarana ny ady sy nahavita zavatra... ???? hahazoana vato amin' ny talata izao ... ??? , ny tena vrai izao miandry ny 2008 sy H. Clinton ... mba hazava angamba ny rehetra ..
15. vetsoko ( 07/11/2006 13:29)
coupable leiry,aza asiana ady hevitra iny
Condamner à mort leiry ,izay no lalàna any na teo ny americain na tsy teo(efa depuis tjrs io)
Fa hafa ny hoe mankasitraka ny condamnation à mort ianao na tsy mankasitraka
16. kitjo ( 07/11/2006 13:32)
ny coupable aloha iarahamanaiky ary norme ra tsaraina (ohatra an' i vatokely..lol, aiza ny anjaran'ny exile hafa? :-D)

fa ilay oe ahantona no ohatry ny tsy mety satria vety2 dia maty tsy tsapany akory ny fijalian' ny olona...tsy zarany aza ve voaheloka ho faty toy izay hijaly ela be?

zany hoe ilay sazy no tokony hovaina atao henony ilay oe mangirifiry..
17. rabaradaka ( 07/11/2006 14:03)
Ny finoana silamo dia maso solon'ny maso, ho an'ny kristiana indray raha misy mamely ny takolakao ankavia omeo azy koa ny ankavanana. De zay no hevitro
18. fijo ( 07/11/2006 23:21)
prime,tsikaritra kel.ny fitsarana ny nazy tao nuremberg dia tena nisy zo nomena ny fiarovana tokoa.tena niasa ny avocat tao,ary ny juge tao na dia anglisy sy ny hafa aza dia tena ny lalana no nampiharina.

araka ny tenin'i lejim marina,dia ilay FOMBA nitsarana azy no tsy nety,fa tsy ny fanamelohana azy.iny tsy hiadivana fa efa hay fa meloka izy.
ny fanontaniana dia hoe.hilamina kokoa ve irak raha vonoina izy,sa ahoana???????

izay fomba hamonoana azy koa tsy olana fa maty ihany izy ny vokany.
ary raha ny fahitako azy koa dia mifanaraka amin'ny fisainana arabo iny fitsarana iny.
19. kitjo ( 08/11/2006 18:16)
tttssss...aleo avela eo d tsy mena kaly ra tsy in1 isan-kerinandro..lolll..mampalahelo e :lol:

fa ohatry ny vao mainka mikorontana marina nge Irak e

sa ve tsy nisy couverture mediatique t@ andron lery teo d tsy fantatra
20. fijo ( 08/11/2006 22:43)
ka nty varatra anie toa antsika ihany e,mbola mijery le fiaviana,ka nyavy any aminy mbola tsy manaiky mihintsy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0573