TENA FITIAVANA MARINA VE SA FANARARAOTANA ,

1. degree ( 04/11/2006 19:35)
Misy bandy sy sipa iray mpiara-miasa mpinamana be tokoa,nitombo hatrany anefa ny fitiavan'ilay bady ka te haka io kala io ho olo-tiany ,nefa ny fihavanana no taloha.Inona no tokony hataony ?
Marina fa fitiavana no nahatonga azy ho mpinamana sy ho mpihavana ka matahotra izy hamadika ny gilaoby ho olo-tiany,mety mifanohitra @izany fitiavana izany ve ny zavamiseho @ famadihany io gilaoby io ?INONA NO METY HITRANGA ? FITIAVANA VE SA FANKAHALANA ?
novalian'i degree ny 26/11/2006 17:53
2. diamondra27 ( 04/11/2006 19:57)
hum mety lasa tsy mpinamana tsony zany.

Raha za aloha no natao an'io de tsy ho mpinamana intsony izahay e!
Tokony hazava hatrany amboalohany ny fifandraisana ka raha tsy manaja an'izay de tsy namako ny ahy.
Tsy mifandray aminy intsony aho.

Ny an'ny hafa no tsy haiko.
3. Robert ( 04/11/2006 20:15)
Ilay izy izany tonga de mifankatia vao mifanena. Raha vao tsy nanao izany izy roa de tsy azo atao intsony ny fiarahana..

Impossible izany ny mpinanana lasa mifankatiana...

4. degree ( 04/11/2006 20:22)
amiko manokana dia fiatsarabelatsiny ny fitiavana eto satria fitiavana sy fanararaotana,fitiavana te hanimba,satria marina falamban'akoho ny fanambadiana nefa zaza fito tsy mahafe trano ka raha misaraka eo izy dia simba tanteraka ny fihavanana .
5. Flavien ( 05/11/2006 02:31)
amiko manokana aloha toa sarotra ihany satria misy ny vevavy vao kotina de hoe aleo aloha ho mpinamana vao eo mahita zy, nefakosa ny mahasarotra azy raha tsy misy fifandraisany aminao ilay olona de tsy hihevitra anao mihintsy izy fa matetika mantsy olona mifankazatra ihany no mifankatia dia toy ny mpinamana ihany izany no iatombohany
:*
6. tslem ( 05/11/2006 07:57)
ny zavatra tsapako ry zareo an, dia vao miampy iray ny olona mifankatia na mifanerasera aminao dia tsarovy koa fa miampy iray koa izay ny fahavalonao,resaka lavabe fa dia samy mieritreritra izay ho fahamarinany na tsia :* =(( :-$
7. ari.malala ( 06/11/2006 13:55)
arakaraky ny fifankahafantaran'izy roa ihany io ko, synysentiments anzareo. Ra ohatra ka samy tia tsisy olana :)
8. cutie ( 06/11/2006 15:17)
Mpandefa : tslem [ Valio ] 05-11-2006 08:57:24
Lohateny : Re : TENA FITIAVANA MARINA VE SA FANARARAOTANA ,
ny zavatra tsapako ry zareo an, dia vao miampy iray ny olona mifankatia na mifanerasera aminao dia tsarovy koa fa miampy iray koa izay ny fahavalonao,resaka lavabe fa dia samy mieritreritra izay ho fahamarinany na tsia

:roll::roll::roll::roll::roll:
hazavao tsara we :lol::lol::lol:
9. rapala ( 06/11/2006 17:03)
tslem: azavao tsara marina tokoa hoe:wink:
cutie::lol::lol:
10. Fiffi ( 06/11/2006 18:27)
tslem:
ny zavatra tsapako ry zareo an, dia vao miampy iray ny olona mifankatia na mifanerasera aminao dia tsarovy koa fa miampy iray koa izay ny fahavalonao,
tena tsy mazava marina ...


11. belaza ( 07/11/2006 08:52)
tena fitiavana té hanararaotra mihitsy izany raha sahiny le bandy ny mikoty ilay sipa efa akamany elabe e!!:@
12. missel ( 07/11/2006 09:08)

Mety ho eny nefa mety ho tsia koa satria :
& Tsy misy fitiavana voafaritra mialoha anie na
alaina tahaka . Tsy misy formule ny fitiavana .
$ Maniry ho azy toa ny voa afafy rehetra io , toy
ny akotry sy ny taniketsa , na toy ny tanimena sy ny taho mangahazo .
$Mety ho mitanila koa ny fandraisana azy io indraindray ka izay nomahatonga ny ankilany mahatsiaro ho voambaka ka mahatsiaro hoe manararaotra ny ny ankilany .

& Ny tia ve no voambaka ( ny lahy ve sa ny vavy)

$ Iza no tia , matetika aloha ny lahy no mamboraka
ary ny vavy kosa notompokevitra na ho eny na ho tsia
$ Izay tara ve no voambaka
$ Raha misy mampitambapitia izany hoe TIA ROA dia iza no mpanararaotra ,
*Raha ny lehilahy no manan droa :mety hoazo leferina ve fa raha samy mitana vehivavy 1(iray)avy
anie ny lehilahy hoy ny sasany dia misy vehivavy tsy
ahalala akory nany tsiron ny fiainana dia ny firaisana izany . > Mety ho lehilahy manintona vehivavy koa izy nakoa mety ho manambola ka afaka mianonka @fahafinaretan ny nofo

$ Raha mifanohitra @izay dia ny vehivavy no mitia roa na maromaro : dia fitavana inona ? :
-- Raha vao mivoaka ny trano fotsiny anie n6y vehivavy dia tsy maintsy menjera aminy ny fitsiriritrana azy na ny fanarahamaso fotsiny aza
ao ny sahy tonga dia mikaoty ny lehilahy , ao ny mitsiriritra ny entany fotsiny ao ny maminany hoe raha azoko iny dia ahavitako an itsy an iroa na idroa na intelo etc,,,

Tsy azo itompoanteny io na hifampitsarana fa voajanahary ka izay tia adala (l)
13. ninih ( 07/11/2006 15:31)
misy aloha refa te ahazo promo @ asa kosa miaraka @ lehibe sns e! fa misy kosa tena fitiavana e, de ny fitiavana sarotra marina ny manda azy indrindra moa tena tia.
14. degree ( 07/11/2006 18:55)
mety ho eny hoy missel satria tsy misy fitiavana miatopy avy hatrany @ olona iray tsy mifangaro aminao fa tsy maintsy maka relation na maka azy ho namana mihitsy aza anao vao afaka miditra @ lalindalina kokoa,misy aza ny sasany sendra fihetsika kely tsy nampoizina teny ampiresahana teny dia toa nanahitra avy hatrany ilay fitiavana faharoa (amoureuse en seconde degree)ka nahatonga azy hanapakevitra hamadika ny gilaomby avy hatrany.
Mety ho tsia koa satria lasa nanenina ilay namana fa diso lalana nefa ny hafa mahazo mora foana(nitsiry fitiavana noho ny ahasarotam-piaro)ka ny hafa aza mou mahazo de zah no tsy .....Ka @ izay tsy fitiavana fa fanararaotana ny maha mpinamana azy fotsiny ka mitetika ny faly mahazo.
Ka matetika ny hitako dia ny fitombahana mafonja toa ireny no mora miongana satria mety tao aneritreritry ny iray fa henamaso fotsiny amin'ny maha mpinamana azy no nanekeny ilay vhv(eto dia misy fitiavana roa mirazotra fa tsy mitovy hafainganam-pandeha :ny iray milantolanto fa ny iray kosa hazakazandava....
Ka asa ny mba fiheveranareo io ?
15. Fiffi ( 07/11/2006 19:15)
tslem:
dia vao miampy iray ny olona mifankatia na mifanerasera aminao dia tsarovy koa fa miampy iray koa izay ny fahavalonao,
io aloha no tena tiako hazavain'i tslem


16. ninih ( 08/11/2006 11:32)
raha dinihina tsara anie de mety hisy ny fanararaotana aloha vao tonga any @ tena fitiavana e!
17. rariri ( 08/11/2006 12:18)
sadaikatra ihany aho hamaly ny fanontanianao,

azavao lalindalina kokoa hoe, ahafako mamivakika sy hadinika hatrany ilay tantaranao.
18. bmw307 ( 08/11/2006 17:13)
sazlut
tena mampihomehy ahy fa izany koa de tsiazonao. sao de mba (sarobabay) koa ary izany voalazanao izany sa!!! kay tokoa moa ianao ao anatiny fikambanana FPF aty (mfk) izay tarihan'i sidilahy OKA! courage fa sady tsy tena fitiavana no tsy fanararaotana.:lol::lol::lol::lol::lol::lol::lol::lol:
19. degree ( 09/11/2006 09:23)
Izao e:ny fihavanana no taloha nefa io fiavanana io fonoson'ny fitiavana vao nisy ny maha mpiavana azy roa,taty aoriana nefa dia nitombo ilay fihavanana: ny antony ( ???????) na tena fitiavana tokoa na entin'ny fanararaotana ny falemen'ny havan'io,na koa fanenenana "rah angamba namboariko ity dia vitako.......!"hoy izy anakam-po araka ny tenin'i ninih ""raha dinihina tsara anie de mety hisy ny fanararaotana aloha vao tonga any @ tena fitiavana e! ""mety hisy hevitra roa hifanohitra eo satria mety tsy hitovy ny tanjona tratrarina ,mety ho resy tosika @ tsy ampoizina anefa ny iray tratrin'ny hena-maso nefa tsy dia ankasitrahany loatra.koa dia mba anjaranao ny mamisavisa izany ?
20. pimaso ( 20/11/2006 08:09)
ato ampiasana izao ny adjointe ko manana regard amiko bizarre foana , fa tsy hitako izay hatao, manahy aho raha miaraka aminy hoe tsy hanaraka izay ordre omeko azy intsony izy après,
IZa no manana hevitra?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3161