Tononkira havadika teny vahiny

1. matrixone ( 02/11/2006 15:31)
Sao dia mba misy afaka manampy ianareo : tiako havadika teny Frantsay ilay hiran'i Bessa sy Lola, "Tojo anao"
Tsy hoe tonony azo hiraina fa dikanteny natao mba hahazoan'ny vahiny ny votoatin'io hira io.

Misaotra betsaka amin'ny fanampiana
novalian'i Fiffi ny 07/11/2006 17:58
2. Fiffi ( 02/11/2006 15:55)
ity ve le hira ? http://tononkira.serasera.org/index.php?rub=tononkira/hira&id=166
3. matrixone ( 02/11/2006 16:04)
Io mihitsy

Aleo averiko eto amin'izay tsy sahirana mitady azy any amin'ny pejy hafa

Tojo anao aho ka dia mirana,
Afa-po fa tsy hosahirana;
Hitady naman-kafa intsony,
Satria ianao dia fiononana.
Nihaino am-po ny fitarainako,
Nahatsapa ny fanaintainako;
Nampisy lanja indray ny fianako(2).

Tojo anao aho ka dia mirana,
Afa-po fa tsy hosahirana;
Hitady naman-kafa intsony,
Satria ianao dia fitiavana.
Nampahatsiahy, ny hadisoako,
Indrindra tamin'ny namonoako;
Fitia nitoetra tao am-poko(2).

Tojo anao aho ka dia mirana,
Afa-po fa tsy hosahirana;
Hitady naman-kafa intsony,
Satria ianao dia fanantenana.
Na tsy fantatro aza ny androko
Na mbola ho lava be ho andriko
Hiandrandrako ny fiainako.
4. Fiffi ( 02/11/2006 17:19)
zah aloha tena tsy mahay mandika an'io @ teny frantsay an ! heu...misy aiko hiany fa na de le hoe "tojo anao" aza tsy aiko !:oops:
5. matrixone ( 02/11/2006 18:08)
Zay no tena olana : nanandrana nandika koa izahay dia tena very e ! Misy tsy azo adika le izy. Mba efa vita ihany fa le andininy faha3 no tsy hay izay anaovana azy
6. ninih ( 06/11/2006 15:32)
matrixione: ary raha alefa aloha ze vita de hita eo ny anaovana ny abminy e!
7. mandrindra ( 07/11/2006 15:05)
ilay mandika teny aloha tsy haiko.
fa efa nisy mpihira vahiny henoko nikalo an'io vazo io, i francis lalane. fa nahavariana ahy ny nanaovany satria raha tsy hitako ilay nihira dia tsy nino aho hoe tsy malagasy izany mikalo izany.
8. Fiffi ( 07/11/2006 17:58)
sao de @ ireto ? http://www.paroles.net/artis/1517
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.09