Fanambadiana

1. xxx ( 01/11/2006 01:08)
Mba toroy hevitra ry reto @ ty resaka fanambadiana ty a! Tena ilaina ve ny fanaovana fiofanana miaraka @ mopera na pasitera alohan'ny hanaovana mariazy?
Inona ny tombontsoa azo ary mety ho inona ny vokany eo @ tokantrano raha tsy mandalo an'io fiofanana io.
Zay hevitra hafa hitanareo mahasoa ankoatran'io koa tsy ferana fa raisiko daholo.
novalian'i andry08 ny 09/11/2006 12:21
2. Fiffi ( 01/11/2006 06:26)
raha Kristiana aloha de amiko de ilaina io ! fanambadiana manko tsy kilalao , ary rehefa hatao ny mariage de hivoady ho mandrakizay ary tsy misy afatsin'ny fahafatesana no hampisaraka !
Eny eh ! hoe hivoady eo anatrahan'Andriamanitra saingy ilaina koa ny pretra hanamasina ny mariage io !
3. andry08 ( 01/11/2006 20:50)
xxx: mandehana ihany fa mety mahasoa io.
4. Fiffi ( 01/11/2006 20:52)
tena mahasoa kah !:)
5. Glouces ( 02/11/2006 11:31)
Amiko tena ilain ny mananton mopera alohan'ile iz nefa tsy hanankana ny loza mety hitranga ao an-tokatrano.
6. xxx ( 02/11/2006 12:52)
tsy le nanokatra dinika za an! :) ilaina io midinika io aloan'ny anaovana mariazy. Ny mariazy mantsy dia sakramenta ka tsy azo raisidraisim-poana fa mila fiofanana ary ilaina fantatr'ireo olona hiroso ny atao hoe mariazy aloha voalohany indrindra, avy eo ny adidy miandry azy ao anatin'ny tokantrano rehefa vita ny fanamasinana ny mariaziny, adidiny amin'izy roa hivady aloha avy eo koa ny adidiny amin'ireo zanany izay haterany avy eo.
7. xxx ( 02/11/2006 13:05)
tsy azoko oe maninn no tsy maintsy manao anio fiofanana io vao hatao mariazy any ampiangonana ? moa ve tsy rehefa vonona ilay mpivady dia tokony hety ? amzay hakana vola adidy sy anjara isankarazany ianao ?
8. xxx ( 02/11/2006 14:16)
le xxx2 za. Tsy resaka adidy ka! ilaina hoa ny ahafantaran'ireo hiroso ny atao hoe mariazy kristianina. Fomba fiteny ny hoe aza mihinana hena tsy fantatra anarana, ary manjary manaonao foana raha hiroso nefa tsy hahalala akory izay dikan'ny zavatra atao.
9. bonazy ( 02/11/2006 15:08)
efa hatr'izay no nisian'ny fiofanana io teo amin'ny fanambadiana kristianina,ny tanjona dia ny ahamafiorina sy ny aharetan'ny fifankatiavan'izay hivady ,ary fampahafantarana azy ireo mialoha fa ho henjana sy ho sarotra ny lalana izay hizorany,izany hoe"fampahafantarana izay hivady ny miandry azy"ary ny tsy tokony hanadinoany ny maha kristianina azy eo amin'ny fiainany rehetra ho avy,adidy ,fianakaviana ,fiangonana,taranaka,fiaraha monina,fanabeazana ny ankizy sns...dia mazotoa é!
10. xxx ( 02/11/2006 20:00)
zahay nanao anio fiofanana io fa tsy itako oe inona no vokany , izahay iany no mahita ny hitondrana ny tokatranonay !
lé adidy io tsetsatsetsa tsy aritra fa tsy maninn , adidy tsy maintsy hatao !!
efa ela ve no nisy anio fiofanana io sa vao haingana ? mba tiako ho fantatra :-P
11. xxx ( 02/11/2006 20:02)
efa hatramizay io angambany.
12. mandrindra ( 03/11/2006 09:35)
raha kristianina ianao ka hanao mariazy miditra any ampiangonana dia tsy maintsy mitafa kely amin'ny mpitandrina. ny mety ho vokany indray dia tsy misy mazava satraia miova araka ny tsirairay sy ny fomba nandraisanya ry nampiharana an'izay hafatra noraisiny.
13. reality ( 03/11/2006 10:26)
Tena ilaina aloha le izy, misy lesona betsaka @ izany ary manoro an'izy roa hivady tsara ny lalàna hizorany araka ilay resaka teo ambony teo e!
14. Zina ( 03/11/2006 13:48)
nareo mitsam ihany dia efa ampy raha tena misy ny communication (raha kristiana nareo roa)
fa raha tsy dia eny
15. passiga ( 08/11/2006 18:47)
ilaina eo @ fiainana izany
16. passiga ( 08/11/2006 18:53)
FARANY IZAY ILAINA
17. xxx ( 08/11/2006 22:15)
mba hazavao ny ilaina azy
18. booboo ( 09/11/2006 11:43)
Ilaina io raha te-hatao mariazy any am-pengo :°).

Ny tombo-tsoa ndray ôtra hoe mahazo anatra sy lesona kely be dia be hiatrehana ny fiaina-tokantrano.
19. andry08 ( 09/11/2006 12:21)
Misy zavatra tsy nampianarina tany @ RAD dia hampianarina ao @ io fihofanana io.
Raha te ho any am-piangonana hoy i booboo, tena marina io fa ny mariage religieux no manao an'io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1943