lalana sy lalàna

1. Tenio ( 30/10/2006 15:58)
Nivory hono ny biby rehetra indray andro ka izao ny tatitra momba ny fivoriana.

Ny toerana dia teny Ankadilalana
Ny foza no tonga aloha satria nanao lala-mpoza
Ny sokatra dia tara be satria niala avy eny Tsaralalàna
Ny kisoa hono tsy tonga mintsy satria very fa nanao lalan-kitankisoa
Ny omby koa dia tsy tonga satria very fa zatra ny lalan-dririnina
Ny zavatra nodinihana dia momba ny lalam-panorenana
Ny alika dia maty teo am-pivoriana satria kendan'ny taolana ny lalan-kaniny fa kay izy sady mivory no mihinana
........... tsy haiko intsony
novalian'i pissoa ny 02/11/2006 05:59
2. Simpona ( 30/10/2006 17:11)
Ary ilay sokina nanibato mba nakaiza? :roll::roll:
de ny soavaly mbola any am PMU
3. ikalakintina ( 31/10/2006 12:34)
ny akoho tonga satria nanjehan le akoho lahy le akoho vavy de lasa tany tsy fidiny:^)
4. kala ( 31/10/2006 14:39)
ny saka koa tsy tonga fa mbola lasa nisaka trondro any afrika du sud :roll::roll::roll: pissoa :-*:-$

ny bitro tonga satria nahita ny karoty menafify dia tsy naharitra :-D:-D lapino :wink:
5. caprio ( 31/10/2006 22:43)
Ny tanalahy mbola tsy tonga fa mbola miandry ny tanavavy
6. pissoa ( 01/11/2006 16:38)
kala :-D:-D:-D
7. lapino ( 02/11/2006 03:47)
kala, :)
Ny sokatra aza efa tonga talohan'ny bitro ko. Kanefa ny sokatra aza taraiky be, ka tsy tratran'ny bitro intsony ny fivoriana. :)

Ny voalavo koa toa tsy tonga tao e?! :wink:
8. pissoa ( 02/11/2006 05:59)
ny voalavo tsy sahy nandeha fa neveriny fa ho any ny saka ... :-P:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.307