Mariazy-n'i njakatiana

1. toavina ( 30/10/2006 14:55)
Mba mila ny tononkiran'ny Mariazy-n'i njakatiana e! Misaotra mialoha
novalian'i Fiffi ny 31/10/2006 06:46
2. Fiffi ( 30/10/2006 17:17)
ny titra ve io sa ...?
3. tslem ( 30/10/2006 17:25)
Ty ry akama a!

Izaho sy ianao,hatram'izao
mpifankatia,miaradia
faly tokoa,tena ho to
ny fikasana izay iombonana

andro vaovao, ho ahy sy ho anao
tsy ho adinoiko sanatria
fa olon-droa,hifanasoa
hikambana ho ankohonana

'Zao no tena hasambarantsika
ka ny soa hitohy hatrany
'reo adidy miandry antsika
tsiky tsy tomany.

Isika izao ,tsy hifandao
ho fo mitempo mifangia
saina iray;mandrakizay
fa efa vita voady ho doria.

Afa-po ianao an! faly be ah mantsy refa afa-po daôly tsika retra retra=D =D =D

4. tslem ( 30/10/2006 17:27)
Toavina a,toavina ô;izay tinao no tiavina e;tsara kosa raha avdika ohatrizao lé hiran' i samoela an
5. Fiffi ( 30/10/2006 18:26)
tslem: de hampidiro ao @ tononkira :)
6. tslem ( 30/10/2006 21:44)
ko lé toavina aza ry fiffi tsita tsony refa azony g nilainy a!:roll: :roll: :roll:
7. Fiffi ( 30/10/2006 21:48)
tslem: mety mbola tsy afaka niditra teto angamba akia izy an! fa hantenaina kosa aloha ny hiverenany an!
8. tslem ( 30/10/2006 21:50)
enga ané ka homba azy Jesôsy avy any nazareth ^:^ ^:^
9. McFy ( 31/10/2006 01:50)
Tslem: amafisiko kely ny tenin'i Fiffi tetsy ambony hoe dia mba apetraho any @ tononkira io sady mbola tsy ao. Azoko apetraka raha tsy mazoto ianao saingy ny anaranao no mipetraka ao raha ianao no mametraka azy. Dia mirakitra ho asan-tananao ato @ serasera io, izany rehetra izany dia raha sitrakao.
Bizz
10. tslem ( 31/10/2006 06:32)
apetraho ry McFy fa tsy maninona ah, an' Njakatiana io fa tsy anah ka afaka McFy dôly tsika menakavy
11. Fiffi ( 31/10/2006 06:46)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2697