tonga fotoana ela be fa vonjeo

1. nenipita ( 30/10/2006 13:09)
manao ahona ianareo, manana probleme toy izao aho.
Efa ho tapa-bolana eo ho eo izay dia tara 6 jours teo ny règle-ko. Noheverinay mivady fa bevoka ny tenako nefa avy eo dia voan'ny tazo indray aho ary avy eo dia gaga izahay fa tonga indray ilay règle noheverina fa bevoka teo ary dia tsy mbola tsy nijanona mihitsy hatramin'izao nefa efa ho 18 jours izay no nandehanany. Efa nanantona dr izahay de nolazainy fa mety bevoka hono fa mety afaka noho ilay tazo nahazo ahy. Ka tena matahotra mihitsy aho . Mba mila fanampiana aminareo izay mety mahafantatra ny tokony hataoko na ny toerana tokony halehako. Misaotra betsaka ny amin'ny torohevitra atolotrareo e.
Manantena valiny avy aminareo .
NB : Efa nisy tratran'io mahazo ahy io ve nareo?
novalian'i nenipita ny 13/11/2006 09:46
2. ursullas6 ( 30/10/2006 14:33)
slt!
manatona gynecologue de hitany ny hatao anareo;mety possible mihintsy io hoe bevohoka io.efa maniry ny hiteraka anefa nareo?
tsy vitsy ny tratran'izany.
le izy ve maharary ?mandeha be?sa manahoana?
3. Zina ( 30/10/2006 21:01)
is tsisy afa tsy izay mila manatona Gyno ndry.. dia mahareza o
4. pika ( 31/10/2006 05:05)
sarotra be ny hiteny hoe izao na izao fa tsy misy hafa tsy ny manantona ny specialiste ihany sao koa mety ho zavatra hafa aretina ao @ tranonjanaka
dia mirary soa sy fahasalamana e
5. nenipita ( 31/10/2006 09:40)
Misotra anareo namaly ahy , marina tokoa fa ny manantona specialiste no tena tsara .
efa anantona dr ihany aho de mbola manao traitement fa lazainy hoe mety bevoka ihany hono de mety afakatratry ny tazo , ny tazo mantsy hono de mety maha afa-jaza.
ursullas06>>>> ilay izy tsy de hoe mandeha be fa mandany serviette hygienique 2 za par jour .
Zahay efa manan-janaka lahikely 1taona sy 9 volana
Misotra betsaka tamin'ny valinteninareo o
6. booboo ( 31/10/2006 10:10)
nenipita > ary @ fahasalamana ary koa jereo ihany fa misy valiny kounkou any
7. nani ( 31/10/2006 15:09)
zaho koa efa voan zany mandeha regle lava be zany , fa ny ana indray , zaho tsy be vohoka , fa nanao vakansy tany dago , de avy eo vao tafaverina taty de nandeha pendant 20 jours ny regleko . Nanantona gyneco . De nisy fanafody nomeny vao nijanona ilay izy .
8. nenipita ( 03/11/2006 16:21)
nani>>>>> de inona hono no nahatonga ny andry ry nani?
9. nani ( 06/11/2006 12:21)
Nenipitia , nisy fanafody nohaniko , nefa tsy zakako ilay izy , de zay ny antony nahatonga ilay izy .
10. kitjo ( 10/11/2006 17:28)
zany eo daholo aloha fa ny tsara inddra koa fanampiny dia ny maka aina tsara aloha e!

ny mety mahatonga azy koa dia fiovana resaka hormone ohatra...havizanana...stress...na mety hoe tsy nisy rapport sexuel ela be dia nisy tampoka...trouble e...

fa tsy misy toy ny manatona specialiste aloha dia ny fototra sy anton'ilay izy no jerena aloha
11. nenipita ( 13/11/2006 09:46)
zay ndray vo tonga fa miala tsiny, misotra betsaka anareo nanoro hevitra ahy taminny nanjo ahy. Faly tokoa zahay mivady fa manana namana tokoa arto @ forum. Momba ilay probleme -ko efa fantatrareo de t@ jeudi nisy vnga-dra ngezangeza nivoka de niantso Dr, nojerena de efa fantatra moa fa hoe bevoka, de mbola tao le izy fa grossesse arretée hono, tsy maintsy natao curetage ka vita soa aman-tsara .
Efa salama tsara za izao fa de misotra anareo izany no tsy naharenesana ahy lotra fa nanao repos sur lit mihitsy nandritry ny 3 jours.
Misotra betsaka daholoe
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2535