mila toro hvt o!!

21. cutie ( 28/10/2006 20:16)
tsy miala zao de zao wa :roll::roll::roll:
22. iriko ( 29/10/2006 14:36)
raha tsy miala zao de zao de marary fo fotsiny eo! raha tsy hoe efa manamboatra saina sy fo angaha. Fa raha izaho mihitsy, de tsy te hapijaly tena eo aho fa aleko miala, no sady izay koa no hitiavako azy,nefa koa sao de tsy misy akory ilay teo aloha, nefa inona moa no hadengaina @izany. nefa koa haingana ialana teo, de haingana koa ianao no sitrana.:(:(:(
23. Fiffi ( 29/10/2006 21:40)
cutie:
tsy miala zao de zao wa :roll::roll::roll:
ka raha tsy miala zao dien'zao akia izy de vao maika hijaly ange eh ! de rahoviana indray zany vao hiala ? ny hampitson'ny fahatongavan'ny tompon-toerana ve ?


24. cutie ( 29/10/2006 23:05)
aleo alou za hianjy an'i xxx:lol::lol::lol:

fiffi, miala tsikeliley hoy njy , in njay ty we miala zao de zao ty :roll::roll::roll:
25. nenipita ( 30/10/2006 13:18)
efa fantatrao h@ùmboalohany ilay izy fa tsy anao fa mpindrana fotsiny ianao ary raha fantatrao koa fa efa tsara avenir izy miaraka min'ilay tompon-toerana dia izao fotsiny no mba soso-kevitro: marina fa tia ary tena tia azy ianao hoy ianao teo, nefa hy za hoe AFOIZO izy refa fantatrao fa tsy ho anjaranao , ary aza manao izay fomba hifankahitana loatra aminy fa raha vao mahita azy ianao de vao maika hijaly satria mitsiriritra azy eo fona nefa efa an'olona izy, de manaova zavatra mety hanarianao dia tsy hahatsiaro azy. Raha mifanena aminy nefa ianao dia TANDREMO ny miavonavona aminy indrindra koa raha sendra mahita ilay tompontoerana de aza miavona aminy fa tsy manana fahadisoana izy. Tadidio fa tsy maintsy misy izay ho anjaranao ka hahasambatra anao toy ny teo anilany any ho any ka tsy aleo ve miandry izay? marina fa mafy ihany ny hanadino azy fa amin'ny voalohanay ihany akia izany a refa ela de zatra miandalana eny .
AMin'ny manaraka raha sendra misy cas mitovy amin'izany ka raha efa fantatrao fa an'olona ilay olona de AZA IDIRANA intsony fa mampijaly anao fotsiny ny mieritreritra azy .
Izay fa mahereza e
26. Zina ( 30/10/2006 21:01)
de manaova zavatra mety hanarianao dia tsy hahatsiaro azy

io mihitsy ny azo atao, na manova namana vao2 hafa. ie sarotra fa mila folahinao ny tenanao sy ny sainao...Raha te-hitomany ianao dia ataovy mihitsy fa mahafaka kely an'ilay izy izany fa aza mieritreritra azy intsony.....Dia mivavaha koa e...Manampy mihitsy io
27. xxx ( 02/11/2006 16:26)
misaotra betsaka ry reto an, eo andalam-pieritreretana izay tokony ataoko aho izao .TENA MARINA TOKOA FA MILA MIVAVAKA AHO.Mila hery aho hialako aminy satria tsapako fa izay no fahendrena fa raha izaho irery tsy mahavita mihitsy satria tiko loatra izy. Mbola mamerina ny fisaorana ihany e!! dia efa nantra ho an'ny sasany koa angamba izao mahazo ahy izao :cry:
28. Fiffi ( 02/11/2006 17:05)
izay angama no tena fahendrena hitako ary tsara hataonao ka de mahereza hatrany !
29. anjely ( 06/11/2006 13:16)
efa niainako akia io ry xxx, anatra ho an'ny sisa akia! rehefa tia ange indraindray dia jamba ary ohatran'ny manantena foana hoe na efa an'olona aza ny fony mety hivadika ihany ny rasa indray andro, nefa indrisy fa la plupart du temps de raikitra éternelle 2 ème ianao. Mahereza akia dia sois courageuse dia tapaho avy hatrany ny fiarahanareo. Aza iandrasana fa fotoana efa tokony hahitana izay ho anjara na fotoana tokony hahitana fifaliana, hampiasana loha fotsiny eo nefa tsy hitondra ho aiza! De tout (l) avec toi.
30. fily ( 05/01/2007 12:35)
Tsotra izany eh !
Aza afantoka be any aminy intsony ny sainao, rehefa misy olona mitia anao ka tinao koa
dia miaraha aminy , aza atao fantatr'ilay olona miaraka aminao izao fa hoe misy olona efa miaraka aminao koa, fa aleo izy hiteny aminao hoe : hisaraka isika satria ...
efa hainao ny tohiny satria tsy maintsy milaza aminao izy rehefa tonga ny fotoana hirosony @ toka-trano , ny fonao efa sitrana satria efa mitia olon-kafa koa, ianao tsy mbola nitia
olona hafa io no mampiasa saina be anao fa raha tojo olona ianao dia tsy miraika intsony
ianao na dia miresaka aza, izao ankehitriny izao dia mitadiava olona tinao , misy anie any
olona tena tia anao ary mitsiriritra anao mihintsy na ianao aza mba tia azy fa , ianao miaraka amin'io olona io dia toa tsy misy dikany izay manoloana anao eh !.
TANDREMO NY MAMONO TENA ,TANDREMO !
AZA ADINO ITY TENIKO ITY ARY, MANORATA ATY AMIKO REHEFA TONGA NY FOTOANA , OMEKO ANAO NY MAIL-KO ERY AMBANY.

Manaova sipa haingana dia haingana ianao dia eny izao , fa raha tsy izay tsy ho foana
ny fanadinoinao io olona io , ary izay tena tinao iarahana fa tsy miarakara-poana satria
ratsy ho anao ny fiatraikany raha sendra olona tsy dia tianao fa entina anarina dia fotsiny
Rehefa tonga aminao izay dia hilaza ianao hoe:
" SOA IHANY FA TSY NANAONAO FOANA , IZAO AHO IZAO TONGA AMIN'NY TENA
IZY IHANY , SOA IHANY..."
-TANDREMO HOY AHO NY MAMONO TENA FA MISY ANJARANAO AO AMBADIKA AO EFA MIANDRY ANAO IZY FA IANAO NO TSY MBOLA TAITRA FA REVO @ ADIN-TSAINA
AMIN'NY OLONA AZO ANTOKA FA TSY HO VADINAO VELIVELY ARY METY AHAVITANAO FAHOTANA MAHAFATY AZA, KA MAMPITANDRINA AHO SADY MANANATRA SATRIA NATERA-BEHIVAVY ARY MANORO ANAO @ FO MADIO NY HEVITRA TSARA INDRINDRA.

ity ary ny adresse mail-ko ary manorata amiko rehefa tojo @ tinao ianao, ary mivavaka
ho anao ahita ny tena hitia anao sy tinao koa,
" mbolah10@yahoo.fr "
MAHEREZA MAHITA NY SOA
VELOMA !!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1994