Fa naninona no nasiana volo ny helika ?

1. dolby ( 26/10/2006 12:25)
Tena tsy azoko mihitsy aloha fa hoe naninona ary no natao hoe helika , maninona koa no nasiana volo maniry ? lasa mahabe fahasahiranana ilay izy :-)

Maninona tsy natao toy ny ao ambadiky ny lohalika ohatra , sady tsy tsemboka no tsy misy volo maniry. Ny aty ambonin'ny kiho koa izao mety tsara.
2. majakely ( 26/10/2006 13:04)
misy dikany iny matoa eny,,, jereo ny loha ery antmpiny be ery nefa misy volo,,Doncc?'no comment
3. dolby ( 26/10/2006 14:35)
Ny loha anie hita hoe inona no ilaina ny volo eo amboniny e . Mba mandravaka ny endrika.

Fa ilay volon-kelika ary inona ravahany ?
4. booboo ( 26/10/2006 14:51)
Dolby > ngaha nareo tsy nianatra an'izany t@ fahalalana tsotsotra t@ primaire ? asan'ny maso-koditra, ny volo (volon-doha, volon'orona, volomaso, volo-kelika, volo-pilahiana na fivaviana ) ?
5. haridera ( 26/10/2006 14:54)
ary tamin'ny andro (zay tsy fantatra) dia hoy Atra, misy volo ao amin'ny helika, dia nisy izany, ary hitan'Atra fa tsara izany, dia nisy maraina dia nisy hariva...
6. booboo ( 26/10/2006 14:55)
:-D:-D:-D
7. xxx ( 26/10/2006 14:58)
izany no tena hoe manontanitany foana !!!!
8. dolby ( 26/10/2006 15:22)
xxx:

izany no tena hoe manontanitany foana !!!!


Koa tsisy atao koa :-) Saika nataoko tatsy @ eritreritra mandalo fa lasa tato kay ...
9. fiderana ( 26/10/2006 15:54)

haridera >> aiza ao @ baiboly no misy izany, ianao an!:-D:-D:-D.

dolby >> ho raharaha ity size ity raha hotohizana, tena lasa misy volo jiaby ny rehetra=))=))=))
10. soanja ( 26/10/2006 16:39)
dolby:

Ny loha anie hita hoe inona no ilaina ny volo eo amboniny e . Mba mandravaka ny endrika.

Fa ilay volon-kelika ary inona ravahany ?


Ny helika. Tsara sy mahafinaritra ary malefadefaka ny volon-kelika rehefa tazako eny amin'ny hafa.:lol:


11. lemenakely ( 26/10/2006 17:43)
mbà hafahafa izany raha fanontaniana !koa manionona koa raha apetraka ny fanontaniana hoe nahoana no maniry volo koa ny bobosy sy ny basy!
12. caprio ( 26/10/2006 22:39)
Nareo mpamaly no tena voafitaka fa zany ve de asiana adi-hevitra be ee hita mintsy nareo we ny taona fotsiny no mitombo fa ny saina miha-mihena
13. Fiffi ( 29/10/2006 20:56)
mba mahagaga kosa zany fanontaniana zany an!
14. ninih ( 31/10/2006 14:41)
iny indray no tsy hitako aloha e! fa ilaina kosa matoa nampisiana kah!
15. paolla ( 02/11/2006 13:35)
tsis adi_hevitr zan ry reto fa io no nataon'A/TRA de io fa zan ko no andaniana jiro eo hita miits oe:misy retour d'âge ko le nametraka le sujet mba matotra rehefa oa reefa mresaka ok!
16. papounette ( 03/11/2006 09:21)
Taloha ny tena asan'ny volo @tenan'ny olombelona de:
- à titre d'isolant thermique @hafanana sy ny hatsika no sady afahana manao économies d'énérgie satria ny olmbelona taloha ela be tany tsy niakanjo ohtrantsika zao.:D8)8)
De @zao a ny faritra tena misy volo @tenantsika dia ny pubis,ny helika,ny loha.
Ho an'ny loha, ny volo ohtrany isolant hoa n'ny atidoha,miaro.
De ny eo @ pubis sy ny aisselles an,ny glandes @ fotombolo mamokatra phéromones(hormones sexuelles)de ny volo ao @reo faritra reo mitazona sy manaparitaka tsikelikely ary afaka mistocker les phéromones ohtrany le diffuseur :oops::oops:reny.
De ho an'ny volokhelika ankoatrany asa en tant que diffuseur,de miasa ohtrany lubrifiant ny volokelika,mampihena ny les frottements ny hoditra ny tanana sy ny torse de mihena ny irritations isankarazany sy ny vokany....
Vita tompoko:wink:


17. papounette ( 03/11/2006 09:30)
dolby:Zay ny antony nampisy volo ny helika.
lemenakely:zay no mahatonga ny bobosy sy ny basy misy volo
paolla:tsy adihevitra mandany jiro akia io a,fa tena question pertinente be.
:-*:-*:-*daholo e!
De tsika (ny ankamaroany) nefa zao manala an'azy satria ny société mametraka hoe ratsy ny lava ny volo any @ helika sy ny pubis:oops::oops:.
Ohabolana:Mandihy lava-volokelika....de maninnn mo fa tsy tddko ny tohiny.=))=))=))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5048