Handoro fiara indray ny any ambany vohitra

1. Kamoufle ( 26/10/2006 10:07)
Hitsingerina ny taona
Ka asa izay mba ho entiny
Ny kitoza indray tsy ho foana
Fa atao grillade be ny lapan'ny tanana
Eny tokoa fa mahantra ny tanoran'ny ambanivohitra
Mahita ny fomba fanao any zamerika ka manezaka ny ho rakay sy madity,manao satroka mainty sy mifoaka maoly ,ary ny pataloha toa hilatsaka fa tsy zakan'ny salaka,ny silipo aseho ho hitambahoaka..izany izahay ra RAKAY,ny fandeha mitsingetana miseho milaylay..mikivilavila ohatra ny mamolava..
Hitsingerina ary ny taona hahatsirovana ny tolona nataon'ny zatovo
Ka hatsangana atsy ho atsy indray ny lapan'ny fanaovana kitoza beee

Hatono daholo izay azo hatono
Ka tandremo ary sao tavela aty ivelany ny fiarakodian'ny mpiray tanindrazana malagasy
Fa handeha tongotra eo miasa , ka ho very seza
Fa harehatra ato ho ato indray katoreven'ny tireza(93)
Ny fanao moa tsy tono hena na kitoza
Fa brochette de voitures et de belles caisses
Rehefa misy tsy faly , coups de pieds aux fesses
Tout en faisant face aux assauts des CRS.

Izany hono no filamatryny zatovo vaovao ka aiza ny tanana tsy ho lasa ZEP ary hadinon'ny paolitika,
Rahoviana ny tanora vao ho tonga saina ,sady ratsy filalao no tsy mahay miaina,atao'ny olona fitaovampiasana ,ka sady very saina no mihanahana,
Mahita indray ireto tanora eto gasikara ,manezaka maka tahaka ,ny fanaon'ny hafa
Manomboka miditra izao ny mozika Rap ,fiatombohan'ny tolona sy ny revolisiona socialy
tsy maneho afatsy ny fiteny alika , sady mivilambava no mibolilaka bika...ka atsy ho atsy ho very gasikara
fa ilaozan'ny tanora hifoka moly no hanao fiainana marikoriko...
novalian'i kelly13 ny 28/10/2006 12:14
2. hery ( 26/10/2006 10:40)
Soa ihany fa tsy Lafrantsa izao tontolo izao...

Izay matetika no tsy tsapantsika eto. Ny zavatra manjo antsika dia heverina ho manjo an'ireo Gasy rehetra eran'izao tontolo izao.

Io ilay voalazako matetika hoe mihidy... mikatona... tsy mivelatra. Misy tontolo hafa koa any. Misy Gasy milamina any Madagasikara, any Zamerika, any Asia, sns... Tsy ny Gasy ao Frantsa ihany no Gasy

Tsy ny tontolonao ihany no tontolo.
3. vale ( 26/10/2006 12:29)
..marina izany!!!
4. dolby ( 26/10/2006 14:40)
Firy marina izao no nodoranareo tamin'ireny ry Kamoufle ?
5. ninih ( 26/10/2006 14:40)
fa misy inona re olona a! zahay izao le gasy aty Madagasikara. :?:
6. vale ( 26/10/2006 15:25)
ninih: kamoufle ihany io eeee! hihihi:wink:
7. Fiffi ( 26/10/2006 15:59)
dolby:
Firy marina izao no nodoranareo tamin'ireny ry Kamoufle ?
firy marina tokoa ?


8. mandrindra ( 27/10/2006 09:50)
54 no isan'ny fiara may omaly alina nanerna ny departemantan'ny seinse saint denis (93)
9. fiderana ( 27/10/2006 10:11)
dia mandray anjara t@ izany ve ianao kamoufle, han! tandremo ihany fa sao dia mahitan'izay tsy fahita any an-tanin'olona any ranamana, torohevitra iny, atsipy aminao iny, aok'etsy fa.......sady mahamenatra , raha mba tsy tao moa dia aza makany mihitsy very @ izany eo!8O
10. kelly13 ( 27/10/2006 19:18)
mandrindra:

54 no isan'ny fiara may omaly alina nanerna ny departemantan'ny seinse saint denis (93)

tena quartier chaud mintsy ao @ 93 ao ka! za manana namana mipetraka any fa tena mitaintaindava ry zareo (gasy ry zareo an). tsy afaka hoe ifindra trano nefa satria enjana ny fitedavana trano etc...

11. Fiffi ( 28/10/2006 06:10)
fa misy toerana kalma hiany ao @ 93 ao kah !
12. sipagasy ( 28/10/2006 11:26)
kelly13:

mandrindra:

54 no isan'ny fiara may omaly alina nanerna ny departemantan'ny seinse saint denis (93)

tena quartier chaud mintsy ao @ 93 ao ka! za manana namana mipetraka any fa tena mitaintaindava ry zareo (gasy ry zareo an). tsy afaka hoe ifindra trano nefa satria enjana ny fitedavana trano etc...






mmhhh io akia arakaraky ny toerana ihany annnn fa misy faritra ihany koa ao @ 93 tena mahafinaritra mihintsy kannnn na dia be vahiny aza fa samy any an-tranony dia milay e!
13. kelly13 ( 28/10/2006 12:14)
n'empeche ry reto fa raha vao miteny hoe 93 tonga d gijagija b no ao anaty eritreritra a
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1674