lozam-piara manidina

1. robot ( 25/10/2006 09:33)
slt !
Nisy lozam-piara manidina tany tuléar
ka maty daholo izy 6 tao anatiny
izany no vao2 henoko tamin'ny radio androany maraina
ka ny minisitra no niditra nivantana t@ alaln'i phone
nilaza io vao2 io ,ka isaorana azy
fa ny mba fiangaviako ,dia mba miangavy ny namana izay mipetsaka any @ iny faritra fiavian-tsika iny re mba hampita ny antsipirian'ny vao eto eh!
de misaotra mialoha
répondu par Fiffi le 31/10/2006 08:26
2. Aino ( 25/10/2006 10:30)
iza sy iza avy ilay olona?
sa mbola tsy fatatrao?
3. Kamoufle ( 25/10/2006 10:54)
Sao dia ny ATR no nidofotra kle!!!loza loza!!!
4. hniala ( 25/10/2006 11:11)

Fanampimbaovao : Italiana mpitantana orinasa lehibe mitrandraka vato no tao anatiny, miampy ny mpanamory sy mpanampy azy.

Miara miasa amindrizareo ny orinasanay ary miara-ory @ orinasa MAGRAMA iray manontolo, na eto antoerana na any italia.

5. booboo ( 25/10/2006 12:08)
6. robot ( 25/10/2006 12:15)
merci hniala
fa voaray ny vao2 ,de manantena ny avy @hafa koa eh




de io zany i aino no vao2 aloha an
7. kally ( 25/10/2006 15:21)
Olona 6 no maty taorian'ny firehetan'ny moteran'ilay fiaramanidina Cessna 425 , roa minitra taorian'ny fiaingany araky ny vaovao reko. Actionnaires n'i Magrama ny roa : ilay Suisse sy italianina, ary clients italianina mpiasan'ny "Marcolini" nitsidika hijery ny fandehan'ny tany ny roa hafa miampy ny mpanamory gasy.
8. Fiffi ( 26/10/2006 06:36)
TOLIARA.
Fiaramanidina nipoaka dia latsaka ambony fasana, enina no maty

Omaly 25 oktobra vao maraim-be, tamin’ny 4 ora sy 14 minitra, dia nianjera ny fiaramanidina kely Cessna 425 mitondra ny laharana 5R MGV. Olona efatra sy ny mpanamory azy no tao anatiny. Tsy nisy velona na iray aza ireo olona enina ireo. Vahiny avokoa ireo mpandeha ka teratany Soisa ny iray ary Italianina ny telo. Ireo mpanamory roa lahy dia Malagasy, Zo Randriampenomanana sy ny mpanampy Andriafidison Stephane.


r.s.


Hiakatra aty Antananarivo ny dian’izy ireo. Vao niala 2 minitra avy tao amin’ny seranan’i Toliara ilay raopilanina dia voalazan’ny vaovao voaray avy any an-toerana fa nirehitra ary avy eo dia nipoaka teny am-panidinana. Rehefa izany, nianjera teny amin’ny faritra fandevenan’ny olona antsoina hoe Aviro, toerana tsy dia lavitra loatra ny toerana nialany. Na dia latsaka aza ilay izy, dia mbola nitohy hatrany ny firehetany. Tsy nisy tafavoaka izy enina ary voalaza fa may kila daholo. An’ny « Service et Transports Aériens » (STA) ity fiaramanidina ity.

Ireo vahiny namoy ny ainy ireo dia miasa amin’ny fitrandrahana vato eto amintsika. Monina ao Toliara ny iray. Izay zavatra niseho marina nahatonga ny firehetana dia tsy fantatra mazava. Efa nidina any an-toerana, omaly ihany, ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy ao amin’ny ACM, ASECNA ary ny ADEMA, sampana izay mikarakara manokana ny fifamoivoizana sy ny seranam-piaramanidina eto amintsika. Fanadihadiana ara-teknika no hosahanin’izy ireo. Etsy andaniny koa anefa, efa misy ny famotopotorana isan-karazany ataon’ny mpitandro filaminana. Vao niseho ny loza dia efa narovana ilay toerana nianjeran’ny ropilanina. Izany dia mba hahamora ny fikarohana sy ny famotorana rehetra hatao.

Tao anatin’ny taona maromaro izay dia fiaramanidina madinika hatrany no niaran-doza teto amintsika. Ny farany tamin’izany, ilay Piper Aztec nidoboka tany amin’ny seranam-piaramanidin’Ambatondrazaka. Nitondra tompon’andraikitra ambony izy io. Soa ihany fa tsy nisy ny aina nafoy tamin’izay. Lavidavitra kokoa, fiaramanidina nitondra mpihaza avy atsy amin’ny nosy La Réunion no nianjera, efa teny akaikin’ny seranan’Ivato. Avy any amin’ny faritr’i Mahajanga izy io. Tsy nisy velona tamin’ity indray mitoraka ity ny mpandeha sivy tao anatiny.
Midi Madagascar

9. kitjo ( 26/10/2006 07:11)
http://www.lexpressmada.com/index.php?p=display&id=3019

nampalahelo!

Ireo namoy ny ainy
- Pozzi Carlo
- Domeniconi Elvezio
- Corvini Angelo
- Marcolini Gianluca
- Randriampenomanana Zo (mpanamory)
- Rarivoson Stéphane (mpanamory)
10. booboo ( 26/10/2006 09:14)
:?. Mirary fionona feno ho an'ny fianakaviana sy ny naman'izy ireo.
11. Ralay ( 26/10/2006 13:02)
Fianakaviana moa i - Randriampenomanana Zo (mpanamory)ka misaotra anareo mitondra teny fampiononana ho an'ny fianakaviana rehetra.
12. robot ( 26/10/2006 13:12)
torak'izany koa ny tenako, mirary fiononana feno ho an'ireo havany maty sy ny fianakavian'ny manontolo:(
ary misaotra antsika rehetra nampita ny vao2 teto koa
de mazotoa dol ary eh:-*
ary aoka mba samy hitondra ambavaka ny zvtr niseho isika rehetra!!(l)
13. xxx ( 26/10/2006 13:43)
izaho koa taitra ihany nahita ilay vaovao, mpifanerasera t@ famille Andriampenomanana tao F/soa aho fahiny. Mirary fiononana ho an'ny fianakaviana manontolo
14. Fiffi ( 31/10/2006 08:26)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2578