MISY OLONA TENA MITROSA NOHO NY TOAKA!.........

1. gasypantin ( 22/10/2006 17:13)
Tsy sanatria fitsikerana be fahatàny na miditra @ fiainan'olona fa dia MAMPALAHELO TOKOA ny mahita olona mameno cahier na bon noho ny fisotroana .Ampirevena daholo ity olona rehetra ity ny karàma tsy mahatonga fara-volana ,ny vady aman-janaka mahia dia mahia.
Ary ny trosa tsy maintsy aloa na tiana na tsy tiana .

EFA NANAO IZAY HO AFANY NA MPITSABO NA MAGIE FA DIA NIALA MAINA.....hoy ilay mpanakanto izay
novalian'i Achia ny 27/11/2006 15:21
2. Fiffi ( 22/10/2006 18:15)
indrisy fa tena misy toakoa ireny an!
3. lanto ( 22/10/2006 18:56)
... mamelona ireo episery
ny zanany anefa de mahia e....
4. Drie ( 23/10/2006 08:18)
Sady mankarary no mandany vola e!
5. Fiffi ( 24/10/2006 05:44)
mampalahelo ..
6. belaza ( 24/10/2006 07:51)
"...rehefa olona ambony, toaka no sotroiny" hoy ilay mpihiragasy iray izay
7. fiderana ( 25/10/2006 13:09)
lazain-drizalahy hoe ecrivain ireny olona ireny,fa matoa ireny olona ireny anie mahazo manao bon dia hatokisan'ny mpivarotra tsara ê!, fa izao ilay toaka koa aloha tena mampakafoka be rehefa maraina sady savla be, indrindra ilay miborosy nify iny, ndray!, tena loza, nefa dia efa izany no manjo fa mbola misotro ihany ê!, raharaha io zavatra iray io raha tsy mahalala honona.
8. iriko ( 29/10/2006 15:55)
raha manana namana na havana misotro ianao de mba efa niresaka t@ ve sa mitsetsetra eto fotsiny. mba lazao ihany izy aloha na hino izy na tsy hino de mba misy heritreretiny ihany indray andro.

misy ray iray hatramin'ny fahakelezan'ny zanany de misotro foana izy isan'andro, tsy nety nianatra intsony ny zanany rehefa 13 taona fa nanampy azy niasa, 16 taona io za io zao, ary niteny t@ dadany hoe ianao izao raha tsy nisotro toak lava de efa mba nanankarena isika, indray andro niarka niasa izy mianaka efa mamo rangahy no mimenomenona ao anaty bus, miteniteny foana etsy andaniny, menatra ny zanany,niala izy mianaka de deha mbola hisotro ihany i ngarainy t@ izay indrindra no novelezin'ilay zanany t@ mananasy teny an-tanany ny dadany (tao @ lamosiny no nasiany) tsy nahateny tsy nahavolana rangahy fa ny lalana mody no nasiana olona, mandraka androany, tsy nisotro intsony no tsy nanotany ny zanany ny antony namelezany azy.:-D:-D:-D akory izay hoy aho, ary faly koa aho fa afaka izy. misaotra an'ANDRIAMANITRA.
9. lanto ( 29/10/2006 16:47)
Ary tena mandaitra izany ny kampoka mananasy :lol:
10. belaza ( 29/10/2006 17:20)
hihihihihi!!!!!!
11. fiderana ( 31/10/2006 10:36)
Ny toaka tsy holany fa mahaiza mandanjalanja raha sanatria ka tafiditra ao @ io taranja iray io ê!,tsy aleo mitrosa vary ve , toy izay toaka?.:?:
12. melody ( 23/11/2006 14:35)
tsy vitan'ny taoka ihany ry zalahy fa na sigara aza fa ilay miloka no tena gravy b, satria te hanana million vety2 dia miloka fona:(:(:(
13. Achia ( 27/11/2006 15:21)
Ranokely lafovidy
Tsy mba mamy fa mangidy
tô manala aditsaina
fa maningotra ny aina
na mahantra na ny mpanana
de mahasarika ny namany
ka tandremo ry vahoaka
fa tsy iza izany fa ny toaka
ka ra latsaka ako ianao
de ho ela vao hivoaka
ka tandremo ry akama
fa ny fiainana malama
ka sao solafaka tsy tana
:°)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2131