Lanin'i Pety hoe ny vola??

1. lagoon ( 20/10/2006 07:42)
KAOMININA AMBONIVOHITR’I FIANA...


Naloan’ny Filoha Marc Ravalomanana ny 80 tapitrisa Ar karaman’ny mpiasa

Nitsidika ny Faritanin’i Fiana-rantsoa omaly ny Filoham-pirenena Marc Ravaloma-nana. Nihaona tamin’ny mpiasan’ny Kaominina am-bonivohitr’i Fianarantsoa, izay nitaraina noho ny tsy fandraisana karama, ny tenany.
Fito volana ihany isan-taona no karama zakan’ny Kaomi-nina an-drenivohitr’i Fiana-rantsoa. Vola mitentina 80 tapitrisa Ar no tsy ampy ka tsy naharay karama ny mpiasa
ary midi-trosa eo amin’ny fampidirana mpianatra.
Nanolotra an-kitsipo io vola io handoavana ny karaman’
ny mpiasan’ny Kaominina ny Filoha Marc Ravalomanana. Mialoha ny faran’ny heri-nandro izao dia ho voarain’ny mpiasa ny karamany.
Nijery ny fanamboarana ny kianja mitafon’i Tsianolon-droa ihany koa ny Filoha
ary namaly ny hetahetan’ny vahoaka ka nanome baiko ny hamitana ny kianja alohan’ny ny faran’ny volana Novambra izao.
Ankoatra izany dia nihaona tamin’ny mpandraharaha tany an-toerana ihany koa ny Filoha Marc Ravalomanana. Nalalaka ny adihevitra ary nisongadina tamin’ny fanambaran’ny Filoha fa mila fitoniana ny mpandraharaha malagasy. Tsy mba anisan’ireo kandida mitaky vola amin’ny mpandraharaha ihany koa ny Filoha Marc Ravalomanana amin’izao ankatoky ny fifidianana izao.
Tsiahivina fa ny 25 %-n’ny mpandraharaha eto an-toe-rana ihany no manara-drafitra. Mitsinjo azy ireny manokana ny Fanjakana ary miady ho azy ireo amin’ny fivelarana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Marihina fa niara-dia tamin’
ny Filoha Marc Ravaloma-nana tamin’izao diany izao
ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, Mahafaritsy Samuel. Tsiahivina ihany koa fa notanterahina tao an-drenivohitr’i Fianarantsoa omaly ny dinik’ asa momba ny Tontolo Iai-nana, ny Fizahantany ary ny Varotra.

nangonin'i Valohery
novalian'i fijo ny 25/10/2006 22:21
2. ravatorano ( 20/10/2006 08:49)
raha tsy ampy v ny vola andoavana ny karaman ny mpiasan ny kominina ao fianarantsoa tampon tanana d i Pety no lazaian fa nihinana ny vola.
Amiko tsy mifandraika amin 'ilay hevitra naposaka ilay lohateny fa tena tsisy resaka momba ny nandanian i Pety ny vola miitsy ao
d gaga aho
!tsiky
:wink:
3. papala ( 20/10/2006 10:24)
tokony mba mikarok'evitra i Pety andoavana ireo karama ireo, na manao fampisehoana na zavatra bdb no azo hatao? fa hiandry lava ny fanjakana ? nefa izy no tena fanjakana tokony hikarataka fa tsy manao wa wa wa be foana ?
4. jentilisa ( 20/10/2006 11:33)
Izay ilay paik'ady politika! na dia ny anjaran'ny fanjakana aza no mety tsy ho ao dia mody ny sasany no asiana aloha!
5. ronaldo09 ( 20/10/2006 12:52)
Ka i Pety tsinona mpifanandrina amin-Ravalo ko tsy atao daholo ity fanaratsiana rehetra ity handotoana azy.Sady inona moa no idiran'i Pety amizany ?
6. joujou ( 20/10/2006 13:16)
mpiasan'ny mbs nga io sa tvm ? tsy tena mifanaraka ze lazaina sy ny lohahevitra raha tsy hoe misy ambadika politika ngah ?
7. xxx ( 20/10/2006 15:12)
Ka izao aloha no tokony ho izy e.
izany atao hoe karaman'ny mpiasan'ny kominina izany ange andraikitry ny ben'ny tanàna e , sao dia mikipy ary ny mason'ny sasany sa modiana tsy fantatra ? na rehefa hitany ary tokony ho fantatny izany amin'ny maha-ben'ny tanàna azy , tokony ho fantany ny olana rehetra mety miseho ao anatin'ny faritra hiadidiany, ka noho izany tokony handray andraikitra izy , na rehefa tsy mahita vahaolona izy dia tokony hampnadre any amin'ny ambaratonga ambony ,fa tsy mihainohaino fotsiny dia ho faty noana ao ny mpiasa nefa ny asa tsy maintsy mandeha ihany,ka raha toy izany kosa ny ataony dia angamba tsy tokony hilatsaka ho filoham-pirenena izy satria ny olana any amin'ny faritany aza tsy voavahany ka vao maika fa ny an'ny firenena ?
eritrereto ihany e
NB :tsy miteny akory aho hoe tsy maintsy marina ny voalazako fa anjaran'ny tsirairay no mandinika .
8. lagoon ( 20/10/2006 16:23)
Mazava ny resaka e.
Hay ka nanaovana site ity karaman'olona kle.

http://www.tambatra.org/
9. isrine ( 20/10/2006 16:29)
F'angaha hono i Pety hilatsaka hofidiana?
Efa nalaza hatry ny ela anie fa tsy mahavita raha i Pety e. Mba resaka henoko io an.
10. Zina ( 20/10/2006 18:29)
lagoon ahahahahahah mahita ny rehetra mihitsy ela ty ka
11. fijo ( 20/10/2006 21:12)
tsy mivoaka le site,
tsy olana izany fa aleo jerena ilay mifanaraka amin'ilay resaka.
raha ny aty frantsa no resahana,fa io aloha no itako,dia ny ben'ny tanana no mandoha ny karaman'ny mpiasan'ny mairie,toa ny polisy munisipaly koa.
ka io dia vola avy amin'ny "impot eo antoerana ihany(izay misondrotra isan taona no hakana azy."
raha ny marina izany dia tokony ho i pety no tomponandraikitra amin'izany.saingy ny tsy haiko,dia malalaka ve ny mairie any hanao ny impot eo antoerana?
12. lagoon ( 20/10/2006 22:40)
Zina:

lagoon ahahahahahah mahita ny rehetra mihitsy ela ty ka



Ka atao izay maha-fa po ny rehetra e. :lol:

13. miantsa2 ( 21/10/2006 10:10)
ie, ka matoa tsy voavahany ny olana eo @ comune de mino aho fa tsy ahavaha ny olana misy eo @ firenena koa izy zany
14. manantsoa ( 21/10/2006 12:51)
Tena tsy nahita fomba hafa handoavana io karama io sy hanaovana asa fampandrosoana ve ingahy Maire sy ny namany ????? Angamba maro ihany ny commune manana olana mitovitovy amin' io fa mihezaka mba ho tafavoaka ...
Torak' izany koa ireo tomponandraikitra any amin' ireny faritra misy kere ireny . Dia tena tsy misy azo atao mihitsy ve amin' izay hery sy fahefana eo an-tanana ? toa maro ihany mantsy no manam- bola ary milliardaire mihitsy kanefa tsy mahafoy izany akory hanaovana asa fampandrosoana ....
15. Rainimaharavo ( 21/10/2006 16:45)
Io ry havana hoatry ny ao Toamasina ihany. Na hilaza izao sy izao ny mpitondra ao amin'ny tanana hoentiny hanazava ny tsy maha afaka ny fako (satria hoe tsy mahazo vola avy amin'ny foibem-pitondrana izy) dia tsy mino ny vahoaka. Raha manala fako aza tsy hefa atao ahoana ny hitondra Firenena. Raha volan'ny mpiasa aza tsy ahitana vahaolana atao ahoana ny hitantanana ny Firenena? Araraotin'ny sasany izany hanehoany ny fihetsiketsahana rehetra.
16. lagoon ( 21/10/2006 18:13)
Rainimaharavo:

Io ry havana hoatry ny ao Toamasina ihany. Na hilaza izao sy izao ny mpitondra ao amin'ny tanana hoentiny hanazava ny tsy maha afaka ny fako (satria hoe tsy mahazo vola avy amin'ny foibem-pitondrana izy) dia tsy mino ny vahoaka. Raha manala fako aza tsy hefa atao ahoana ny hitondra Firenena. Raha volan'ny mpiasa aza tsy ahitana vahaolana atao ahoana ny hitantanana ny Firenena? Araraotin'ny sasany izany hanehoany ny fihetsiketsahana rehetra.


Miseo azy ho be diplôma ry leirony nefa zavatra tsotra kely marina aza tsy vita.

17. Zina ( 22/10/2006 19:08)
Lagoon a mety diploma nomena fotsiny reny, natsoloka
18. xxx ( 23/10/2006 16:51)
inona moa no mitovy @ hoe pety ra hatao @ teny frantsay ?
19. tenagasy ( 23/10/2006 19:08)
Mankamamy!
Raha nanaraka RFI hoaho isika ny zoma 20/10 (ilay @ 8ora sy 10 GMT) teo dia niresaka an'i Madagasikara ny tao (Caméroonais izay no nanontany) Dia namaly ny mpahay tao hoe: ny anisan'ny tsy mazavazava nanenjehana an-dRavalomanana fony izy Maire dia izy maka vola @ orin'asany ampiasainy ho an'ny Mairie. Zavatra hafakely hoy ihany izy ireo satria ny mahazatra dia ny mifanohitra amin'io, izany hoe ny volam-panjakana no alaina hampiasaina @ ny an'ny tena manokana.
Ka izany ary ny olona rehefa te-hanao zavatra!
Mirary soa!
20. fijo ( 25/10/2006 22:21)
za koa gaga naheno ny RFI mba namoaka io vaovao io
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1168