ahoana kay ny fomba nahitanareo ny tranokalan'ny sera2

1. mimich ( 18/10/2006 09:22)
ahoana ny fomba nahitanareo ity tranonkala n'ny serasera ity kay???
ny ahy an!! tam 2003, leo ny mamaky forum wanadoo , de nikitikitika teo, tao am site wanadoo io an!!de misy we annuaire /correspondance /namana 100% malagasy /serasera.org, de no jerena izay voalaza tao de nampiditra ny ps , de vao tafiditra ny ps-ko de nisy nanoratra taty amiko de zao tamana eto ha@ androany zao
novalian'i zazoo ny 18/11/2006 13:54
2. Aino ( 18/10/2006 10:16)
izhao miresaka @ namako @ msn izany dia mandefa Rvg aty aminko faona izy hoe mandehana miheno RVG de farany lasa nojerijereko dol izay programe rehetra nisy tao@ dia izay no nahita azy.
3. booboo ( 18/10/2006 10:26)
Zà vacances de printemps 2003 t@ zay, nijerijery tao @ google zay mety ho karazana forum malagasy, nasesiko nojerena aby zay natorony tao. Tonga t@ anjaran'ny serasera dia nisy dinika zay tao fitiavana momban'ny hoe ahoana no ataonareo raha misy vehivavy taratara @ sipanareo na vadinareo ...ôtra ôtra zay angamba, dia namaly tao zà. Dia zao mandrak'ity mbola raikitra ato ity kounkou.
4. mamybe ( 18/10/2006 11:15)
Izaho indray nitady tononkira t@ Google, dia tafiditra tao @ serasera. Nanomboka tamin'izay dia nataoko Home Page ilay serasera. Dia mila tsy hahavita asa mihitsy fa raha vao tonga ato am-piasana dia manokatra serasera aloha, dia avela en permanence eo io. Tamin'izany aho nazoto be nanoratra sy nanao impression tononkira. Fa taty aoriana somary nihena izay fahazotoana izay satria na ny manao impression tononkira aza tsy vetivety toy ny taloha intsony. Izaho anefa efa nahavita classeurs maromaro mihitsy t@ tononkira tato @ Sera2. Misaotra ihany aloha e!=D:-*
5. andry08 ( 18/10/2006 12:07)
Ny ahy indray dia tao @ wanadoo no nahitako azy .
Nisy olona nilaza fa any @ serasera tsy misy olona tia ady dia notadiaviko teo ilay adresse ary nojereko fa marina ilay izy .:)
6. ninih ( 18/10/2006 12:23)
ilay serasera indray izany tamin'izay efa nalaza tao @ toerampiasana nisy ahy. ny tena tia hirahira izay ihany, de nanomboka nijery ilay site, de nitady hira ary izao mi-forum indray.
7. fijo ( 18/10/2006 19:27)
ary isika izany tamin'ny 2003 daholo no niditra tato an.
ny ahy majunga on line no tena naika nidirako,fa tsy nety tafiditra aho,dia nivadibadika teto,dia nahita site tsy miteny frantsay ity"za moa tsy tia site gasy miteny frantsay"ka dia nandramako nidirana,dia ity aho mbola tsy mety tafavoaka eto ity.
8. Fiffi ( 18/10/2006 22:13)
fijo: ka tsy mahazo mivoaka zany enao koh ! sady tsy misy vara2 hivoahana ange eh! :-D:-D
9. soanja ( 19/10/2006 04:29)
mimich:

ahoana ny fomba nahitanareo ity tranonkala n'ny serasera ity kay???
ny ahy an!! tam 2003, leo ny mamaky forum wanadoo , de nikitikitika teo, tao am site wanadoo io an!!de misy we annuaire /correspondance /namana 100% malagasy /serasera.org, de no jerena izay voalaza tao de nampiditra ny ps , de vao tafiditra ny ps-ko de nisy nanoratra taty amiko de zao tamana eto ha@ androany zao



zah tamin'ny Mars 2006 vao naharaka an'izy ity nefa de efa nahazo email serasera foana hatramin'ny andron-dry Tahiry FBRA2 (1998). De raha tsy nisy zavatra noresahin'ny tato antrano momba ity serasera forum ity de tsy naharaka mihitsy. Izao aho hooked tanteraka. Ka asa moa io na tsara na ratsy fa dia zah aloha afapo.


10. mandrindra ( 19/10/2006 11:08)
ny ahy tsy tsaroakoa intsony hoe ahoana moa no nahatafiditra ahy tato. tamin'ny 2001 aho no sendra nahita azy ity dia nikambana dia, niala herintaona mahery kely taty aoriana. dia nahatsiaro indray tamin'ny 2005 hoe misy izany dia niverina nitsidika dia nahita fa nivoatra be ilay izy.
11. chipie1 ( 19/10/2006 11:51)
za ndray ny cousine ko no nalalako anity site ity de avy eo izy tsita teto tsonyyyyyy !! !
12. dailynews ( 19/10/2006 18:07)
ny ahy vao t@ jiona 2006 teo. sendra mba nandehandeha tato amin ny aterineto aho ka nahita tsy sazoka ity site ity ary nisy fanontaniana tiako novaliana tao amin ny forum ka voatery niditra aho hahafahako namaly ary tsy nanenina h@ izao.
13. diamondra27 ( 21/10/2006 00:40)
fijo: samy club ny 2003 doly zany 'reo an:-P:-P, fa maninona no gaga
nena zany de tsy tadidiko ny nahatonga ahy teto f'efa antitra ka tsy manana memoara
14. cutie ( 21/10/2006 00:48)
ny ahy koa 2003
nitady hira malagasy de tojo an'ty,fa tonga koa de tsaty no hitako 1, fa vo haingana vao ni forum, t@ herintaona ngamba.:lol::lol::lol:
15. tywa68 ( 22/10/2006 18:39)
efa ela ihany no nahitàko olona variana t@ity efa ho 2taona mahery zao dia farany niditra aho hoe inona aza ty maha-variana dia zao ê !! zany hoe olona manodidina ahy no mitantara sns ...
16. miangalyandria ( 23/10/2006 11:58)
Izaho vao haingana no teto, tsy tadidiko intsony hoe ahoana fa ny antony tsaroako hoe nitady ankizy mipetraka aty Chine aho, mba te-haka toky talohan'ny nialana tany Frantsa e ! Dia efa lasa namako zao ohatra i Mike (lasa tena namako be mihitsy :-*) sy i Calynah koa dia i Bedada mazava ho azy.
17. enteme ( 25/10/2006 07:05)
tao @ google nitady zavatra dia diso frappe, hay kay mpihira any Dago le izy hoy ny namanaserasera.org, nangatahiny ps dia nameno dia izao tamana be izao ary tsy nanenina mihintsy =D=D=D
18. ninih ( 25/10/2006 16:47)
mahavariana be le tantara marina! fa de mahatamana le sera² kah!
19. Aino ( 25/10/2006 21:22)
Mpandefa : miangalyandria [ Valio ] 23-10-2006 13:58:34
Lohateny : Re : ahoana kay ny fomba nahitanareo ny tranokalan'ny sera2
Izaho vao haingana no teto, tsy tadidiko intsony hoe ahoana fa ny antony tsaroako hoe nitady ankizy mipetraka aty Chine aho, mba te-haka toky talohan'ny nialana tany Frantsa e ! Dia efa lasa namako zao ohatra i Mike (lasa tena namako be mihitsy ) sy i Calynah koa dia i Bedada mazava ho azy.
dia mbola mihaona ve nareo?
raha sendra hitany toi izy de mampamangy hono hoe hoey fanaina fa elahy tsy tazana tsony.
20. Aino ( 25/10/2006 21:23)
raha samy 2003 avy aza dia aleo indray ny volana no lazaina any izay matadidy eh!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.3414