Inona no maha ory an'i Rajaonarivelo Pierrot?

21. xxx ( 21/10/2006 08:31)
Tsy momba an'i tezitra aho fa zavatra mahagaga ahy kosa aloha d maninona raha avela fotsiny izy hiditra an'i dago d sambory avy hatrany raha hita sy voaporofo fa meloka izy, angaha mbola manana maro an'isa izy no atahorana, za aloha mahita eto fa misy atahorana azy foana eh! fa ny mahagaga ahy indray ilay fitenin'i rainy toa io tsy merina fa a mahajanga io foana ny miverina anefa ny olon-drehetra miresaka eto tsy misy resaka tanindrana sy afoavoany sa mba mila 19 @ afovoany ve he he he he
korazy foana ary e!
22. manantsoa ( 21/10/2006 12:05)
Ny tena tsy lanin' ny vavon' ireo mpankasitraka an' i PR dia ny tsy fahombiazan' ilay tetika :
- Niangavy mafy an' i Lafrantsa ry zalahy hanery ny fitondrana malagasy mba tsy hikitikitika an' i lery .
Nanantena daholo ry maivan-doha rehetra fa hiditra amin'ny resaka toy izany ny renikeliny .
Resaka politika avo lenta io ry zalahy a
23. rainy ( 21/10/2006 17:40)
Roa no antony nanaovako ilay hoe Mahajanga :
Voalohany : Miala tsiny aminareo aho raha namerimberina ilay hoe Mahajanga. Tena marina ny lazain'i xxx hoe tsy misy resaka Merina sy Tanindrana eto fa samy Malagasy. Tsy hoe te haka 19 amin'ny afovoantany aho fa mba fampisehoana ny ahy hoe tiako ilay provinsy iaviako. Tsy hamerina io intsony aho fa azafady ê !
Faharoa : Nanafintohina ahy ny antsoavon'i Rajaonarivelo tany amin'i Chirac hoe : hihetsika ny Tanindrana hanohitra ny Merina raha toa ka misy fisakatsakanana ny hiaviako any Madagasikara. Tena fandrangitana ankolaka mihitsy no nataon'i Rajaonarivelo. Inona no idiran'i Chirac amin'izany? Ny tenany aza tsy hitany izay anaovana azy amin'ny aferany ao frantsa. Raha ny marina dia i Rajaonariveolo Pierrot no mila 19 any amin'i lafrantsa reny malalaNY.
Marihiko eto fa tsy ny Tanindrana rehetra akory no manohana an'i léry ka hihebohebo izy hoe hirotaka ny Tanindrana. Fanambaniana ny Tanindrana izany satria mihevitra i nédala fa eo ambany fahefany daholo ny olona avy amin'ny sisin'i Madagasikara. Izany no antony tsy ankatoavan'ny fanjakana azy tsy ho tonga satria hanakorontana izy fa tsy handamin-javatra akory.
Araky ny resako ery ambony dia tokony ho nanao toy ny nataon'ingahy BENMAROUF mianaka izy raha te ho tonga. Nisy korontana ve teto Madagasikara tamin'izy mianaka noraisim-potsiny teny Ivato? Ary tsy niantso ny vahoaka Tanindrana mihitsy izy hoe arovy aho ry vahoaka fa gadrain'ny Merina? Ireny fomban'i ngahy BEN MAROUF ireny no fanaon'ny olon-kendry.
Ny an'i Rajaonarivelo Pierrot dia ny hoe : tazony aho ry Chirac sao matiko eo ireo.
Mihevitra tanteraka Rajaonarivelo fa hoe olona manam-pahaizana, be diplôma, mahay miteny frantsay, mahay miteny anglisy , niasa tany Amerika, manam-bola, tian'ny frantsay, indrindra i Chirac sy ny akamany, mahazo miditra ao frantsa araky izay tiany na dia efa tsy mahazo miresaka politika aza- milaza izany fa misy ny fanavankavahana ao Frantsa ao-. Tian'i Rajaonarivelo aseo amin'ny vahoaka malagasy fa tena olona manana fahefana sy fahaizana tsy hita velively izy ary ny tena maha loza azy dia mampiseo eran'izao tontolo izao izy fa TANINDRANA TAFITA ka tsy avelan'ny Merina hitondra Firenena.
Izany no tena tian'i Rajaonarivelo hampitaina amin'ny Tanindrana rehetra. Tsy misy hafa tsy izy no manana izany fahaizana sy diplaoma ary diplaomasia izany raha oharina amin'ny Tanindrana rehetra eto Madagasikara. Tena fanalam-baraka tanteraka ny samy Malagasy izany, nefa anie ka ao amin'ny "site-ny assidu-madagascar.org" dia hoe : TANDROVINTSIKA NY FIRAISAM-PIRENENA...
Izany no toe-tsainan'ny olona te hitondra Firenena.
Izao indray izy dia miantso ny Firenen-drehetra eran-tany hanohana ny heviny amin'ny hoe handamina ny politika eto Madagasikara. Mihevitra Rajaonarivelo fa eo ambany fahefany koa angamba izao tontolo izao. Raha izany dia tokony halefa aty Madagasikara izany ny "casque bleu" handamina ny tany sy ny Firenena? Tsy ampy azy ve ny miseo ao Afrika : Darfour - Congo Kinshasa - Côte d'Ivoire - Angola sy ny sisa ?
Raha ny hevitro dia aleo izy hipetraka any ivelany any, indrindra ao frantsa satria ao ny tena afaka hanampy azy.
Raha tena manana fitiavana ny Fireneny Rajaonarivelo Pierrot dia tsotra fotsiny : Aza asaina manaitra ny adim-poko intsony izy arak'io antsony tamin'i chirac io. Raha manana ny fitiavana ny Fireneny izy dia tokony ataony izay hanomezana vola ny taranaka malagasy hahatafika ny rehetra amin'ny fianarana ka hisolo azy rehetra izay teo amin'ny fitondrana nanomboka tamin'ny repoblika voalohany ka hatramin'izao.
Mino aho fa hazava amin'izay mbola manohana an'i Rajaonarivelo ny zavatra rehetra miseho amin'izao fotoana.
Misaotranareo naharitra namaky.
24. tenagasy ( 22/10/2006 00:16)
Mankamamy rainy ah! Mankasitraka @ fahafoizan-tena eh! Aza manahy ianao fa mamy hatrany ny mamaky ny resaka eto. Aho aza angamba no lava resaka eto foana.
Araka izany, amiko koa: na iza na iza mitondra eo raha vao misy mitady hanohintohina ny filaminam-bahoaka - filaminam-pirenena (izay anisan\'ny adidy voalohany antohin\'ny filoham-pirenena) (@ izay indray mbola olona enjehin\'ny lalàna koa) dia tsy maintsy mandray izay andraikitra sy adidy hampitsaharana izany. Ary ny laharam-pahamehana dia izay hampilamina ny tanàna hatrany aloha.
Nisy olona \"ambony\" avy any Dago vao avy nitsidika taty aminay vao haingana nitantara fa: be ny niantra azy (P.R.) tany Dago teo amboalohany, indrindra koa moa hoe aleo izy mba hilahatra eo dia ho hita izay tian\'ny vahoaka. Saingy vao nandre iny antso nataony avy any Maorisy iny hono ny ankamaroany dia kivy sy ketraka, tofoka avokoa. Aiza ve hoy izy ka hoe: \"miantso ny vahoaka malagasy aho hanao greve général jusqu\'à mon retour, je dis bien jusqu\'à mon retour\", amin\'izay hoy izy miaraka amin\'ny feo ... (tsy nohain\'ilay olona moa ny naka tahaka ilay feo). Dia izao moa no fintiny niraisanay hoe: main\'ny afo natsangany izy! hu hu hu.
Ry zareo koa anie mpamosavy mandalo fasam-bao e ...! Ravalomanana anie raha tsy diso ny fitadidiako efa niteny t@ 2002 hoe: \"tsy hikitika ny efa manana aho fa mba hampanana izay mbola tsy manana\". Amiko ny dikan\'io dia hoe: rehefa nahazo ianareo dia milamindamina any, aza manadala anay. Tsy nahatanty ny mena miraviravy moa ny sasany ka dia nitono tena toa lolo fotsy, tsy mba nihevitra kely akory ny hantsana nohadiana eo anila eo, ka latsaka vao hoe ....!
FANONTANIANA azafady: marina ve sa tsia ny lazain\'ny sasany any ho any hoe: niteny hono ingahy Rajaonarivelo P. hoe: raha manana 500M$ aho tsy hiverina any Madagasikara? Raha marina io ka misy référence tena iriko loatra.
Mirary soa!
25. rainy ( 22/10/2006 14:57)
Misaotra indrindra ê!
Momba ilay hoe 500.000.000us$ aloha dia tsy mahalala porofo mivantana amin'io hoe tena nisy. Ny vahoaka koa anie rehefa andefasana izao resaka rehetra izao dia avy hatrany dia mino ê! tokony homen'izay namoaka io vaovao io izay porofo tena marina fa tsy hanao toy ny baiboly ka hoe izay ao dia marina avokoa.
Ny tenin'i Rajaonarivelo Pierrot hoe nipetraka tany Bahamas sy ny toerana toy izany aho, hoy izy, raha manana izany vola izany, dia marina io.
Tsy voatery hoany Bahamas koa anie vao hipetraka moramora fa na ao Foulpointe na Antsirabe na Katsepy dia efa bônna ê! raha izaho no manana an'izany dia miaina moramora eto amin'ny tanana aho.
26. tenagasy ( 22/10/2006 17:24)
Mankamamy indrindra e! Misaotra an'i rainy fa dia afa-po tokoa aho @ valimpanontaniana.
Ka ny miaina moramora iny rainy dia eo. Fa ny tena nanohina ahy ary nitadiavako fanaporofoana momba an'io dia izao:
hilatsaka kandida no faniriany, fitiavantanindrazana no antsointsoiny sy dradradradraina maneran-tany. Dia hoy aho hoe kibokiboin'ny marina ny anao lahy ka nilaza tsy anontaniana. Raha tia tanindrazana tokoa ve izy: tsy tokony hoe : raha nanana izany vola izany aho nanaovako asa hampandrosoana an'i Madagasikara (araka io hevitrao io rainy)?
Ny tsy fananany an'io vola io izany no mahamendy azy hody, ary raha sendra mahazo an'io izy izany dia ho roso any Bahamas hampiadan-tena fa eo ianareo ra-Gasy! Mba diniho tsara anie io teniny io e: "nipetraka tany Bahamas sy ny toerana toy izany aho, hoy izy, raha manana izany vola izany". Tsy midika ve izany hoe raha nanana izany vola izany aho dia tsy nivaky loha izay malagasy sy ny olany izany? Saingy tsy misy io vola io dia andao aloha gidranina ilay tany kely manana otrikarena be ary de hamboarina hanaovana azy tantely afa-drakotra?
Mirary soa!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2197