Tany fady

1. Bakobako2 ( 14/10/2006 07:19)
Nahita an'ireto namana mitantara ny zava miseho any amin'iny faritraAmbatondrazaka iny a wa de , nisy zavatra tadidiko ary tsy nahitako valiny hatram zao, de hotantaraiko anareo.
Any amin'iny faritra iny mou de betsaka ny zavatra hafahafa miseho e! bibilava be, kalanoro , ambalavelona . . sns.
Fa ity iray niseho ity de izao,mbola kely a tam zany, sahabo teo am 7 ny 8 taona teo , dia misy toerana be ala manga (podium)Antsahatanteraka ho an'ireo zay mahalala an'Ambato, dia ny zava nitranga tao dia nisy pisipa nanao firaisana dia niraikitra , zany hoe tsy nety nitsaoka i bouba. zay mou mbola kely zany de tsy nahazo nijery fa ny oul zany mankany no mitantara fa zay am zany efa mailo be miintsy (curieuse).
Dia nanaovana fomba mou zany hoe: ala fady , joro , dadarabe sns. . .
Fa ny tsy azoko wa hatram zao we : possible ve we miraikitra zany , ilay tany alou zany de we tany fady io toerana io, point , fa za zao zany tsy de resy lahatra loatra am zay , fa ny mahalasa ny saiko we inn ny Phenomene napiraikitra azy.
sanatria tsy we mampitovy ny oul am alika , mbola sanatriaviko ihany , fa ny an'ny alika rehafa manao ry zareo de ela be vô tonga de miraikitra mampalahelo eo . Fa ny antsika na tsy tonga aza de afaka atao vita fôna sa ahôna hoy nareo.
Mankalaza ny mpiserasera E!
2. Fiffi ( 14/10/2006 07:49)
nisy lahantsoratra avy t@ gazety navokako momba an'io fa hatramin'zao aloha dia tsy voa-porofo fa tena nisy io !
3. danibe ( 14/10/2006 09:40)
Bakobako2, mandehana any @ dokotera fa izy no mahay ny momba izany, vao tamin'ny herintaona koa anie no nisy io tranga io tao Antananarivo e, fa rehefa nahazo tsindrona tany amin'ny hopitaly dia nisaraka. amiko fotoana tokony hanentanana ny olona tsy dia hinohino foana loatra intsony izao, tsy finoana mantsy io fa azon'ny science vahana tsara. ny ampitandremako anao fotsiny ary tena marina dia ny hoe: "tsy ny tany no fady fa ny vavam-bahoaka"
4. simplex ( 14/10/2006 10:13)

sao d mba misy "piercing" kosa ny basin'lery na le tokotany :roll: t@ film nisy an'i Cameron Diaz iny nisy otr'izany, iza no mahita :°);-):-D:-D

fa na zany na tsy zany an, ra tany tsy fantatrao aza atao hoe finoanoampoana fa hajao ny fomban'ny olona fa matimaty foana any. Na tsisy zavatra hafahafa aza indraindray ny ol mintsy no hitora-bato anao.

kanefa d misy manja kely mintsy ny ol avy any Ambato, domage :-D:-D


:-*:-*
5. Bakobako2 ( 14/10/2006 11:27)
Danibe , ka zany tsy minomino fôna zany , fa nahita sujet momban'Ambato a de tonga tao hatsaiko ilay tranga . Fa za kou lou tsy andeha hanao any anaty ala zany e !
6. Flavien ( 14/10/2006 13:01)
Amiko aloh raha tena mino an'Atra ianao d tsy mahavoa anao izany fa raha mbola miahy² ianao de tanteraka iny ahy² iny, ary zay no lazain'ny baiboly hoe: raha mino ianao na d ny tendrombohitra io aza no lazainao hoe miala eo de mandehana eny ampovoandranomasina de lasa io, hamafisiko eto fa ny finoanao no mahavonjy anao,ary tsy mila misalasala izany raha tena mino an'ATRA TANTERAKA IANAO HOY AHO
7. Zina ( 15/10/2006 00:00)
bakobako2 a an3 kosa e tsy oe tany fady zany, za aloha tsy dia mino e.. Fa raha scientifique no jerena an'io zavatra niseho io dia juste nisy muscle tsy nety ni relacher no nahatonga an'izany, tsy dia misy firy fa mi-existe mihitsy io ka sendra mba tratra izy roa kely... Mila tairana fotsiny quelque part ny saina dia afaka izany....
8. Bakobako2 ( 15/10/2006 15:57)
Merci zina am fanazavana a , ary tena marina zany , ary le izy anie tsy hoe za mino fa tany fady le toerana ry flavien e , fa mba nitantara a, ilay tranga kou ary efa
amam-polo taonany lasa .
Ary tsy manana olana velively ny momba an'io a , fa mba nanitikitika ny saiko fotsiny.^:^ ^:^
9. naughtyboy ( 19/10/2006 13:52)
ny ahy ndray ny manitikitika @ le resaka de misy tko
ve ny kalanoro sa mythe fotsiny?iza no efa nahita le bibilava be de mety misy mety karazana python
10. tovolahy007 ( 01/11/2006 04:46)
Manahoana daholo e!
Izao ry zareo a,efa nolazaiko teto iany izy ty teo aloha teo .Ra any Madagasikara enao ka hoe misy ny vola de mandehana mba mandeha mitety faritra dia manaova fanadihadina .IO tsy hoe any @ renivohi-paritra a,fa any ambany ravikazo any mitsy ,ambanivohitra io zany e.Ohatra ra te ahita any le bibilava be ianao zany dia mandehana midina any Didy edia ho hitanao sy ho henoanao ny zavamisy;raha ohatra ndray te ahita Ambalavelona dia mandehana any Vohitsara Tanambe dia ho hitanao any io,ra resaka mpamosavy ndray sy fanainga lavitra dia mandehana any Imerimandroso .Ny olana amintsika mantsy dia izao,misy ny tonga dia milaza fotsiny hoe tsy misy zany e zao e zao e,nefa tsy mbola tany @ le toerana akory izy na indray mandeha aza fa tonga dia milaza hoe finoanoampoana io,ahoana moa ny fomba ilazanao fa minomino foana le olona efa nahita maso ny zavatra nisy .
Eto za dia tsy milaza hoe diso ny siansa fa ny tiko lazaina dia izao mbola betsaka ny zavatra tsy voavahany siansa hatramin'izao na hiteny inona nareo na hiteny inona ary mila ahalasa adala ireo pikaroka siantifika mitsy zany satria tsy hita ny antony fa nefa dia misy e.
Ity mba misy fanontaniana ho anareo milaza fa mahay ny siansa ireo,misy rano zay ao antsinanan'Ambatondrazaka ao,Antsirika ny anarany ho any zay efa tany Ambato dia ataoko fa mahalala tsara io rano io.T@ Taona 80 tany t@ androny faha SN dia nanao karazana sortie tany ny SN t@ mbola androny Lieutnant DILA io ho any zay nahatadidy,dia efa nandeha ny baiko hoe tsy misy mahazo mitondra volamena sy henakisoa refa ho any.Indrisy anefa fa nisy tovovavy ray zay izay nitoondra Pate de la campagne reny ,Indrisy fa maty andrano tany io vehivavy io ary ny nahagaga dia t@ izy nandeha lakana dia nivadika le lakana ary dia izy irery iany no tsy hita t@ izy 5 mianadahy,marihina fa mahay milomano tsara io vehivavy io fa tonga dia tsy hita e.Natao ny fikarohana Izay nahay rano retra dia nasaina nanao akilentika mba hitady ny vatany le vehivavy saingy indrisy ,nialamaina daholo.Dia tapaka ny hevitra fa hiantsoana olona mpanandro ,dia tonga le panandro nataony teo ny zavatra fanaony dia hoy izy andeha maka vatana akondro hoy izy dia atsipazo ao anaty rano,dia natao zany fa akory ny hagaganay fa iny fa nipoitra avy ny vatany ilay vehivavy izay efa tsy misy aina tsony.Ny zavatra nahagaga dia ity hay le vatany tsy tany ampovoany be tany fa teo @ sisindrano teo ary efa natao maty karoka teo fa tsy hita fa noho ny tonga le panandro ka nanao ny fataony dia zay vao niseho le vatana,ka aminareo siantifika mba azonareo vahavahana eto ve hoe inona ny antony nahatonga an'izany?Fa amiko dia mbola betsaka ny zavatra miafina ao Madagasikara ary nohezahiny vazaha ho fongorina izy io t@ androny fa saingy tsy vitany ra tsy hilaza afatsy ireo zavanisy sy tantara t@ zany fotoana isika.
Dia izay ndray aloha ary.
11. bilakarenjy ( 25/11/2006 18:43)
tovolahy007>Mbola ao indray ianao an!,tena mahafinaritra izany mahatsapa hoe :tany manana ny maha izy azy io Dago io .tena hainao ry 007 ny nametraka azy e!.Le goanan'Ambato aloha dia tena maka milamina zany a!.

Fa ity zava-niseho iray ity dia entiko milaza aminareo ny tena fipetraky ny fivavahana sy ny herin'ny devoly ,izay zava-niseho t@ dadatoanay iray izay .
Io dadatoanay io dia mafana fo @ fivavahana tokoa ary tena iainany mihitsy izany vavaka izany .Eo an-doham-pandriany foana ny baiboly .Nanonfa trano tao @ fokontanin'Ampasambazimba izy ary efitra tokana fotsiny fa sady lakozia no fatoriana .Trano amoron-dalana moa no nisy azy sady misy andrin-jiro manazava tsara mifanintsy @ tranony .

Ka indray alina izay ary dia izao no zava-niseho :
12. tovolahy007 ( 03/12/2006 02:16)
bilakarenjy>Tohizo zama fa efa liana ny gaognany Tanana ato a.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4683