Richard Razafindrakoto

1. sanga ( 12/10/2006 09:54)
Amin'ny alahelo lehibe no anambarako eto ny nahalasanan-dRichard Razafindrakoto nody any an-danitra. Artista malagasy lehibe iray eo @ sehatry ny sary hosodoko sy ny vakana izy ary niaraka t@ Dama sy Ricky ao anatin'ilay foto-kevitra Voajanahari.

Miombona alahelo @ fianakaviany ny tenako.:cry:
novalian'i ninih ny 18/10/2006 08:26
2. ratonga ( 12/10/2006 11:27)
Mandry ampiadanana letsy Richard a!:cry:
sanga anga nahalala manokana fony fahavelony ?
3. sanga ( 12/10/2006 16:17)
ratonga:

Mandry ampiadanana letsy Richard a!:cry:
sanga anga nahalala manokana fony fahavelony ?


Eny. Nanao promotion-n'ilay antsoina hoe "Radio Koloaina" (Radio culutrelle malgache)tany Belgique niaraka t@ Olombelo Ricky sy Raymond Rajaonarivelo izy t@ Juin 2006 teo dia nandalo kely teto Frantsa. Sady Prof d'art plastique anay tany Dago. Olombelona tsara Richard sady tso-piaina no be fitiavana, indrindra ny fitiavana ny zava-kanto malagasy sy ny fiarovana azy io.:cry:


4. Fiffi ( 12/10/2006 16:54)
mihombon-k'halahelo @ fianakaviany !
5. ratonga ( 12/10/2006 19:45)
niara-nianatra t@iko tany collège izy tany dago, ary t@izany fotoana izany dé efa navariana anay mpiara-mianatra t@iny ny fahaizany nanao dessin, ny tena natsiarovako azo indrindra dia ny fitiavany an'i Xi sy Ma (besorongola)artista nalaza tamizany fotoana izany, ny dévizin'i Xi&Ma tamizany dia we "Ny fitiavana no sefo" dé averiny fôna @zay zavatra ataony, ny kaié-any mo dia saika misy an'io fitenenana avokoa
6. rrgmt ( 12/10/2006 23:03)
Amin'alahelo izany ny hanenoana an'izany fa dia vita izany ny adidiny t@ ity fiainana ity fa ny antsika mbola mamita araka izay azo atao, fa manitikitika fotsiny hoe siora ve fa any an-danitra izay maty rehetra, sao tsy homby intsony any ka hisy surcharge fa "ety ange ny vavahady ka vitsy ny tena misafidy any" ê. Tsy fombafomba izany fa fanapahan-kevitra @ safidy ary vonona hizaka ny eso sy ny latsan'ny sasany. Tsy mora izany.....Fampieritreretana
7. sanga ( 13/10/2006 08:59)
ratonga:

niara-nianatra t@iko tany collège izy tany dago, ary t@izany fotoana izany dé efa navariana anay mpiara-mianatra t@iny ny fahaizany nanao dessin, ny tena natsiarovako azo indrindra dia ny fitiavany an'i Xi sy Ma (besorongola)artista nalaza tamizany fotoana izany, ny dévizin'i Xi&Ma tamizany dia we "Ny fitiavana no sefo" dé averiny fôna @zay zavatra ataony, ny kaié-any mo dia saika misy an'io fitenenana avokoa



Ny ahy ny tena hahatsiarovako azy dia manana caractère henjana be, izany hoe tsy matahotra izany mihitsy na @ inona na @ inona fa milaza hatrany ny marina ary tena mivantana fa tsy mibilobiloka. Nisy dinika niarahana taminy tao @ CCAC t@ décembre 2004 momba ny rafitr'asan'ilay foto-kevitra Voajanahari. Tao no nanaparany ny fony nilazany fa tsy misy hatramin'izay ka hatramin'izao mpitondra fanjakàna malagasy ka mbola nanao rafitra pôlitika mendrika hiarovana, hanomezan-danja bebe kokoa ny kolontsiana malagasy fa ilaozana bemarenina manao an-kilabao lava izao, sns.....Xi sy Ma tokoa no tena anisan'ny référence-n-dRichard.:cry:
8. sanga ( 13/10/2006 09:05)
rrgmt:

Amin'alahelo izany ny hanenoana an'izany fa dia vita izany ny adidiny t@ ity fiainana ity fa ny antsika mbola mamita araka izay azo atao, fa manitikitika fotsiny hoe siora ve fa any an-danitra izay maty rehetra, sao tsy homby intsony any ka hisy surcharge fa "ety ange ny vavahady ka vitsy ny tena misafidy any" ê. Tsy fombafomba izany fa fanapahan-kevitra @ safidy ary vonona hizaka ny eso sy ny latsan'ny sasany. Tsy mora izany.....Fampieritreretana



Io ra-rrgmt miankina @ finoana io a! Izaho mino ny fisian'ny lanitra ( Toerana iray natokana ho an'ireo niala @ ity fiainana ity) Izaho kristianina ka mino an'izany. Ilay vatana narary no maty fa ilay fanahy mirenireny eny. Mino aho fa efa nisy fotoana ianao efa nanonofy olona fantatrao na olona akaiky anao efa maty. Misy dikany ireny nofy ireny.
9. ari.malala ( 13/10/2006 14:54)
rahampitso no hatao ny fandevenana azy. Efa nanao intervenant anay t@ izahay mpianatr'i ELie Rajaonarison izy fony izahay 3èannée teny Ankatso, nahafinaritra ny famelabelarany t@ izany, ary marina ilay hoe manana caractère matanjaka be, nisy nakàna lesona satria nampianatra manokana hoe aza mba mataotra vavan'olona izany @ fiainanao fa iaino tsara fotsiny ny fiainanao. Mirary fiononana ho an'ny fianakaviany, ary mirary azy handry am-piadanana!
10. xxx ( 14/10/2006 08:07)
Mankasitraka ny zava-bitanao Richard a! Mitohy ny ezaka satria maro izahay no tia sy mpankafy anao. Na izany aza ory nilaozanao, ianao ilay kintana nitarika ny lalanay, nefa tsy maintsy mitraka, tsy maintsy mijoro.

Mandria am-piadanana. :cry::cry:
11. Fiffi ( 14/10/2006 08:28)
12. ninih ( 16/10/2006 12:12)
Mirary fiononana feno ho an' ny fianakaviany retra
13. ledaba ( 16/10/2006 15:05)
tongava soa razafy a a a
ny nahafatarako an'i Razafy voaloany dia t@ sanga 2003 niaraka nody t@ ao niaraka tanindry zalay isa sy jamoka
teo dia efa itako ilay ranga kely tsotra nefa tena mahintsy fiteny ary izay nop nankafizako azy akoatra ny asa_tanany nataoko
avy eo moa izahay nifanerasera teny iany izahay t@ mpamalia 2004,2005,ny habaka ankisoma 2004
nahavita azy razoky ary manana ny mpandimby azy ka ny faniriako dia hoe tsy ilala sasatra hiaraka @ ny tolona nataony sy ny zava-kanto vitany
DE TONGAVA SOA RAZAFY E ( TSY OE MANADINO AKORY )^:^^:^^:^^:^^:^^:^^:^^:^^:^
14. zakilinina ( 16/10/2006 22:21)
Hono h'aho rankizy, tsy efa nihira tao amin'ny tarika Tamaboha ve i Richard ? Toa ohatry ny taditadidiko mantsy.
15. ninih ( 18/10/2006 08:26)
fa izao aloha e! ny vatan' ny mpanankato anie no lasa fa ny asany mipetraka ho antsika e! de ao izao ireo talenta navelany ho fahatsiarovantsika azy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 1.3961