Mpanolo-tsaina amerikana

1. rabaradaka ( 11/10/2006 06:01)
Somary hafa samy hafa ny fanapahan-kevitry ny tao Ambohitsorohitra tamin'ilay nanakatonana ny aeroport tao Toamasina. Rehefa nozohina dia izao : kay amerikana ny mpanolotsaina sy mitarika ny propagandin'ny Prezida Ravalo. Ry zareo amerikana efa zatra mandray decision amin'ny toejavatra miseho any aminy dia ny asa fampihorohoroana (terrorisme) dia ny eto amin'ny tanana avy ve no hampitoviana amin'ny décision fataon-dry zalahy any amerika. Aoka kosa nama.
novalian'i fijo ny 13/10/2006 21:41
2. Fiffi ( 11/10/2006 07:02)
taiza indray no nahitan'i rabaradaka an'zany ? :roll:
3. vakiniadiana ( 11/10/2006 10:01)
lasa lavitra koa izany famkafakana izany an :-w :D
Ohatra ny hoe fa ny lalana any amerika ve no goudron dia ny eto koa no tadiavin'i Ra8 atao goudron daholo ? :-D:-D:-D:-D
4. naritsimba ( 11/10/2006 10:13)
samy manana ny fomba fijeriny io ko!
5. lapino ( 11/10/2006 10:45)
rabaradaka, asa fampihorohoroana hoy ianao ...
6. Fiffi ( 11/10/2006 16:50)
rabaradaka:
ny asa fampihorohoroana (terrorisme) dia ny eto amin'ny tanana avy ve no hampitoviana amin'ny décision fataon-dry zalahy any amerika. Aoka kosa nama.
tena nisy an'zany ve aloha ry rabaradaka :?: :roll:


7. fijo ( 11/10/2006 20:48)
efa hay anie fa amerikanina ny mpanolotaisny e,tsy vaovao izany.fa tsara aloha iny fanakatonana iny e.izao voasoroka ny loza
8. lagoon ( 11/10/2006 22:15)
Nibaradaka i leiry dia tsy hita intsony.
9. Stone ( 11/10/2006 22:22)
Aza adino fa Tamatave ange ka mbola +de50% pro-AREMA e, izany hoe atahorana foana izany raha misy zavatra mitranga hafahafa ao, @ io tanana io.
10. lagoon ( 11/10/2006 22:24)
Stone:

Aza adino fa Tamatave ange ka mbola +de50% pro-AREMA e, izany hoe atahorana foana izany raha misy zavatra mitranga hafahafa ao, @ io tanana io.




marina izany fa Arema inona?Arema Ratsiraka?Amrema Rajoanarivelo?Arema Matotra?Arema-TTS-Rolland?
11. Stone ( 11/10/2006 23:57)
Aleo atao hoe Arema rehetra afatsy Arema matotra izany
12. rabaradaka ( 12/10/2006 07:03)
O ry reto a, lay fomba fiasan'ilay amerikana anie no teneniko fa tsy hoe inona akory e ! Ny amerikana hoy aho efa zatra mandray decision amin'ny situation iainany izay ampihorohoron(ny Ben Laden dia avy hatrany dia manidy na mitifitra. zay ange no lazaiko dia nataony toa izany koa ny tao Ambalamanasy.
Ny nahenoko ny vaovao ve ? Ka dadatoa ravalo ange no niteny hoe Amerikana no directeur de propagande -ny e !
13. xxx ( 12/10/2006 11:38)
ka ratsy ve aloha ilay fanapahankevitra hoy baradaka
14. lapino ( 12/10/2006 11:57)
rabaradaka an, dia iza izany no Ben Laden ho an'ny gasy ? :wink:
15. fijo ( 12/10/2006 21:04)
i vatokely ka
16. rabaradaka ( 13/10/2006 06:44)
Lay fanapahan-kevitra amiko dia toy ny fanapahan-kevitra rehetra, mety ho tsara nefa mety ho ratsy fa ilay "originalité malagasy" mihitsy no tsy hita. zao mantsy raha Gasy no nadray fanapahan-kevitra dia zao no nataony : nantsoiny i Pierrot dia noteneniny tsotra hoe aza miditra aty an-tanàna ianao fa mety hanimnba anao zany. Dia izay
17. belaza ( 13/10/2006 08:32)
@fomba ahoana mo no hifampiraharahana amina jiolahy?
18. prime ( 13/10/2006 13:32)
:-D
19. fijo ( 13/10/2006 21:41)
belaza,hi hi hi aoka nama an.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1484