Masina ve ny baiboly sa ny teny voarakitr anatiny no masina?

1. soanja ( 08/10/2006 18:12)
Misokatra ny adihevitra. Aza omena tsiny akory aho raha mametraka io resaka io fa tsy mitovy mantsy ireo zavatra roa ireo. Ilay boky( baiboly) mihitsy ve no lasa masina satria voasoratra ao ny tenin'Andriamnitra sa ny hevitra voasoratra no masina sa ahoana? Misaotra indrindra.
novalian'i prime ny 19/10/2006 10:52
2. VIRGINIE ( 09/10/2006 09:07)
Samy masina na ny Baiboly na ny ao anatiny,masina satria ny Baiboly dia boky hafa mihintsy ,ny antony dia mirakitra ny tenin'Andriamanitra,iO Baiboly io no hiainoana ny hafatra tian'Andriamanitra hapetraka amin-tsika,Isika mantsy tsy afaka miresaka mivantana amin'Andriamanitra intsony ,fa amin'ny alalan'io no hahafahan-tsika miantso azy sy ny Fanahy Masina,Tsy afaka hahafantatra azy raha tsy manana Fahalalana avy amin'ny Baiboly,Masina satria hankatoavina...
3. prime ( 09/10/2006 12:41)
Amiko dia Andriamanitra no masina... ny teniny no masina... ny soratra nomeny hampitaina amin'ny anaran'ny boky atao hoe "baiboly" no masina... ny Fanahiny entina handraisana izany teniny izany no masina...

Raha raisina toy ny boky fehy boky fotsiny ny baiboly dia tsy masina fa mitovy amin'ny boky rehetra... hajaina toy ny boky rehetra mirakitra tantara sy fahalalàna... ka raha amin'izay izy no heverina ho misy hery dia lasa toy ny sampy...

Raha raisina ho tenin'Andriamanitra kosa ny baiboly dia masina toa Azy Andriamanitra niteny sy nanoratra ary nanambara azy...
4. cristal ( 09/10/2006 13:54)
(l)(l)(l)Tsy misy tsiny zany Namana a,fa ny tena izy dia tsy misy hafa ireo fa iray ny tenin'Andriamanitra no atao hoe fiainana ary ny fiainana dia baiboly,koa io no atao hoe ny teny no nanome baiboly izany hoe tahaka ny jesosy sy ny fanahy ary Ray dia Andriamanitra izany no nahatonga ilay teny hoe telo zay iray!maztoa daholo an!(l)(l)(l)
5. Achia ( 10/10/2006 09:31)
tena masina ny biboly ka , nahoana hoy nareo ? ra zavatra tsy masina ve ny tenin'ATRA de hataony any @ boky hafa , fa masina ny baiboly ary masina koa ny teny ao anatiny ary tena mbola masina koa ilay nanome azy ary isika mpamaky koa dia tokony ho masina manaraka izany , masina , masina ... daholo zany
6. cutie ( 10/10/2006 14:22)
Mpandefa : Achia [ Valio ] 10-10-2006 11:31:25
Lohateny : Re : Masina ve ny baiboly sa ny teny voarakitr anatiny no masina?
tena masina ny biboly ka , nahoana hoy nareo ? ra zavatra tsy masina ve ny tenin'ATRA de hataony any @ boky hafa
:-D:-D:-D:-D
7. prime ( 12/10/2006 11:48)
cutie> :roll:
8. Fiffi ( 13/10/2006 18:11)
prime:
Amiko dia Andriamanitra no masina... ny teniny no masina... ny soratra nomeny hampitaina amin'ny anaran'ny boky atao hoe "baiboly" no masina... ny Fanahiny entina handraisana izany teniny izany no masina...
^:^^:^^:^


9. prime ( 17/10/2006 11:45)
Izaho mahafantatra olona maro, fa tsy mino firy akory izay voalaza ao amin'ny baiboly izy, fa rehefa tojo olana izy @ fiainana dia manasina baiboly no sady miondana baiboly no sady mitondra baiboly isanandro any anaty kitapony... nefa izy tsy mamaky sy mino izany akory fa dia hoe masina ny baiboly afaka miaro @ ratsy rehetra... ka inona no mahasamihafa izany @ sampy?
10. Achia ( 17/10/2006 13:39)
:-D:-D:-D
11. prime ( 18/10/2006 11:59)
:-P:-D:-D
12. Achia ( 18/10/2006 20:03)
refa voa zany zay vao manao hoe : baiboly o ! masina ianao e ! :-D:-D
13. soanja ( 19/10/2006 04:40)
Ary tena betsaka ny manao anio. Zany no nahatonga ny fanontaniako. Misaotra an'i Prime nanome fanazavana.
14. prime ( 19/10/2006 10:52)
Soanja> tsy misy fisaorana...:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3667