Tena fetsy ny mpanao politika

1. jentilisa ( 07/10/2006 10:50)
Tena itoeran'ny hafetsena tokoa ny mpanao politika malagasy.Hevitra voizina amin'izao fotoana izao ny hoe tokony hametra-pialana ny filoha mba hampanara-dalàna ny fifidianana filoham-pirenena ho avy. Dia nojereko ary ny lazain'ny lalam-panorenana. Rehefa nojereko maimaika dia hitako ilay fandrika tiany haminganana ny filoha ankehitriny. Raha vao manaiky ny hiala eo ny filoha dia mety tsy ho afa-mirotsaka intsony. ao amin'ny andininy faha-113 fehezanteny farany no itoeran'izay fandrika izay. Tsy milaza mivantana io fa azo roritina na dia izany aza.

http://jentilisa.blogspot.com/2006/10/hoy-ny-lalam-panorenana-raha-hifidy.html
novalian'i prime ny 17/10/2006 12:16
2. lapino ( 07/10/2006 11:10)
Fa inona marina moa no antony tokony hametrahan'ny filoha fialana e? ny datin'ny fifidianana ve?
3. Razouzou ( 07/10/2006 11:29)
toerana hiadivana io! normaly ny panao politika ra mody ondry aveo mivadika amboadia .am voalohany izy mody miarakam ra8 avy eo mivadika: lazainy fa tsy mety indray ny fitondrana ankehitriny eee :( blabla isika vahoaka fotsiny no mampalahelo atao sorona ho an lerony mba ho tafita:snif:
4. Fiffi ( 07/10/2006 12:36)
jentilisa:
Raha vao manaiky ny hiala eo ny filoha dia mety tsy ho afa-mirotsaka intsony. ao amin'ny andininy faha-113 fehezanteny farany no itoeran'izay fandrika izay.
heu...tsy possible aloha zany eh! hoe raha vao miala izy de tsy ho afaka mirotsaka intsony ? ny andininy faha-113 io tsy milaza an'zany mihintsy an!


5. jentilisa ( 07/10/2006 13:39)
jereo amin'ny lojikan'ny mpanao politika ilay zavatra. Amin'io lalam-panorenana io dia efa hoe tsy mahavita na inona na inona intsony ny filoha matoa tafala na miala ao. Dia mody rafetina amin'ny hoe incapacité sy ny hoe hadalany ny niala. Mariho fa amin'ny faran'ny andininy faha 47 nolazaiko teo ihany dia tokony miasa hatrany ny prezida mandra-pa...ka raha miala...izany hoe raha hita fa tsy eo amin'ny fitondrana dia lasa amin'izay izao lojika tsy fanta-pihaviana rehetra izao ka tonga any amin'ny hoe tsy tokony hirotsaka intsony ny prezida!
6. vetsoko ( 07/10/2006 14:19)
Ho fanamafisana ny lohahevitra avy @ i jentilisa mila hafetsena(intéligence ny marimarina kokoa)ny politika,
7. ds ( 07/10/2006 16:28)
Tsy hiditra amin'ny hoe tokony hametra-pialana ny filoha na tsia aho.
Zon'izay filoham-pirenena am-perin'asa ny mametra-pialana alohan'ny fahataperan'ny fe-potoana itondrany. Tsy midika mihitsy izany fa nesorina izy ka tsy afaka milatsaka hofidina intsony araka ilay and-113. Ny antony iray mety mampirisika azy hiala mialoha, dia ny faniriany hikatsaka ny fahatokisan'ny vahoaka amin'alalana fifidiana haingana. Fahita izany rehefa mikatso ohatra ny raharaham-pirenena n'aiza n'aiza.
8. Stone ( 08/10/2006 15:44)
Efa nasorina tao @ constitution io andininy io t@ andron'i Deba
9. jentilisa ( 09/10/2006 08:21)
Voafaritry ny lalàna tsara fa mipetraka eo amin'ny toerany ny prezida mandrapahatongan'ilay iray vaovao. Raha miala izy dia lazaina amin'izay hoe izy ary niala satria mahatsapa tena fa tsy mahatontosa ny asany intsony fa tsy ilay hevitra abaribary aty aloha hoe: mba ho fanajana ny lalam-panorenana.
10. prime ( 09/10/2006 14:38)
Maro no "juriste expert en constitution" no mpanolon-tsaina an-dra8... mino aho fa tsy izy no ho voafitaka @ zavatra toy izany...
11. vetsoko ( 12/10/2006 16:49)
lasa fitaka indray izany ny ara-dalàna eto
12. prime ( 17/10/2006 12:16)
vetsoko> inona ilay ara-dalàna? ny hoe fialàna ve?... hummm
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.6853