Inona no hitranga ao Toamasina ?

1. Fiffi ( 06/10/2006 06:57)

Roso ka tsy mipody intsony ny fanapahan-kevitra izay noraisin’Ingahy Pierrot Rajaonarivelo hiverina sy hitodi-doha an-tanindrazana. Tsy kivazivazy ny raharaham-pirenena sy ny fanaovana pôlitika, ary tsy kilalaon-jaza rahateo ny fandraisana adidy hirotsaka hofidiana, noho izany dia tsy azo hihemorana amin’ny fomba maina izany na ho mafy na ho mora, araka ny nambarany.

Araka ny fanamarihana izay nataony ihany dia raha vantany vao nanao ny fanambarana ny amin’ny maha kandidà azy ny tenany, dia efa nivonona ny amin’ny hanitsaka an’i Gasikara tanindrazana, ny fotoana hoy izy no nandrasana. Araka ny fantatra dia efa vonona avokoa ny pitsopitsony amin’ny antontan-taratasy maha mpilatsaka hofidiana ny tenany. Ny maso vahiny ( mpanao gazety, olom-panjakana ambony, olomboafidy sns…) sy ny hery maro maneran-tany dia mitodika aty Madagasikara, ary hijery hatramin’ny antsipirihany an’izay mitranga mandritra ny fahatongavany eto.

Les militants qui viendront en nombre au rassemblement, suppose-t-on, formeraient un rempart autour de Pierrot Rajaoanarivelo pour le préserver d'une éventuelle arrestation. L'ancien vice-Premier ministre fait montre de panache mais fuit l'audace suicidaire. Il met tous les atouts de son côté afin de limiter les risques et faire en sorte que le retour se passe sans dommage pour lui. D'abord il a envoyé un message au président Chirac, lui demandant de mettre le poids de la France en jeu afin d'amener Marc Ravalomanana à autoriser son retour ainsi que son entrée en lice au scrutin présidentiel. Ensuite, il a sollicité les services de militants français des droits de l'homme et de la démocratie pour assister à son retour. Sous l'impulsion de son avocat, Me Antoine Beauquier, président du Comité pour la démocratie à Madagascar, un groupe d'observateurs internationaux se rendra dans l'île pour scruter la scène de l'arrivée. Dans ce comité annonce-t-on, il y aura des avocats de renom, des journalistes des grandes chaînes
françaises de télévision, des élus de l'Hexagone et des agents d'organisations humanitaires rôdés aux opérations de secours. Bref, Pierrot Rajaonarivelo internationalise l'affaire pour intimider Marc Ravalomanana, renforcer sa propre sécurité et s'attirer sinon la sympathie du moins l'intérêt de la communauté internationale.


Efa nanao antso ho an’ireo kandidà sy tompon’andraikitra ara-pôlitika maro isan-karazany ny lehilahy, ary efa nisy ireo namaly ny antsony sy mivonona ny hanohana azy, ary mankasitraka an’izao fiverenany izao. Raha izao fandehany izao aloha dia hiova be ny kisary pôlitika hitranga eto Madagasikara satria hanova zavatra maro eo amin’ny fandehan’ny tantara ny safidy hamonjy ny mpiray rà sy tanindrazana izay noraisin’Ingahy Pierrot Rajaonarivelo.
Is. R. La Gazette de la Grande Ile
novalian'i Fiffi ny 20/10/2006 17:59
2. raygasy ( 06/10/2006 13:43)
Misahotra fa tena mpanao gazety mafatrapo mitsy toi an!tokony hatao Ministre de l'information mitsy an!nefa ilay ministre hafa no nosolon'R8 kou!!!
3. xxx ( 06/10/2006 14:10)

Mampalahelo fa dia hita tsotra izao fa provocation no ataon'ingahy Pierrot. Maninona ilay vahoaka efa mba manomboka miarina raha avela mba hiaina kely e .

Mety ho nanana ny rariny na tsia ny antokon'i Pierrot t@ 5 taona lasa fa izao efa mba milamindamina dia aleo re izy hipetrapetraka fa tsy hoe dia lasa izao indray
4. Samoana ( 06/10/2006 15:28)
Tsy mety maty voalavo an-kibo Gasikara e! Vahoaka efa miha-salama hanafaran'ny sasany pesta indray!!:twisted:
Pub no betsaka fa tsy ahavory afa-tsy ny mpanakorontana sy ny very seza fotsiny!!
5. fiderana ( 06/10/2006 15:36)
hatahorana handamoka izany rehetra izany, fa aleho ho tonga aloha , hifanatrehana, fitsapana an-tsika malagasy io na mora handairan-javatra isika na ahoana, na tia milamina isika na hikorotana, izaho aloha hilamina dia mitady vola @ herim-poko madio, fa ny an'ny mpanao politika avelako eo, raha mitovy amiko dolo ny olona de eo izy ê!izaho 8)8)8).
6. Fiffi ( 06/10/2006 15:38)
raygasy: :wink::-D mba manaraka vao2 fotsiny akia zah de mba mizara an!
Enganie ka tsy ho afaka hiverina any dago io pierrot le fou io klé !
7. fijo ( 06/10/2006 20:30)
ary le gazety be resaka indray kay no loharano namoaka an'io ko.tssssssss aoka ,fa mazava
8. kiali ( 07/10/2006 08:44)
zany oe raha azoko tsara zany le tantara de hanohana olona tokony higadra aty mada ny frantsay???
fa inona marina aloha no tokony hapigadra an'i ra-pierrot eh?
aleo mintsy zah hody hilatsaka fa makaleo ty resaka ty!
9. Fiffi ( 07/10/2006 13:59)
ka na hilatsaka aza enao nga hampiova inona io ? i pierrot le fou fotsiny tsy maintsy migadra ! izay nanao ratsy rehetra tsy maintsy voasazy!
Léry ange tsy misy hazon-damosina eh! any @ frantsay no mitonatonana ! tsy hitako hoe inona no idiran'ny chirac sy ny tariny @ zany ?
10. prime ( 09/10/2006 09:46)
fiffi> =D:-*
11. Fiffi ( 09/10/2006 10:23)
Rava daholo ny sakana nataon'ireo mpitandro ny filaminana. Nanomboka tafiditra tao amin'ny faritry ny seranana ny olona. Tsy tonga anefa ny notsenaina. Ny fisian'ny antso an-tariby nalefan'i Pierrot Rajaonarivelo tamin'ny senatera Ramasy Adolphe no nahalàlan'ireo vahoaka mpomba azy fa voasakana tsy hahazo hiditra ao amin'ny seranam-piaramanidin'i Toamasina ny fiaramanidina hitondra azy.
12. tisera ( 09/10/2006 10:55)
:D misaotra an'i fiffi @ vaovao ; fa raha tena tsy misy ahian'i ra-8 kosa ary nahoana no nidina ny seranam-piaramanidina ?
13. tisera ( 09/10/2006 10:59)
dia miandry ny tohin'ny dian'i pierrot isika fa ity aloha hitako tao @ jir (journal de l'île de la réunion): ahoan indray io r'ireto?
http://www.jir.fr/article.php3?id_article=140465
14. prime ( 09/10/2006 11:35)
Minoa aho fa tsy i pierrot irery no tao anaty fiaramanidina... misy lalàna hentitra mikasika ny fitaterana an'habakabaka fa tsy toy ny hafa... ka raha vao manohintohina filaminana na fandriampahalemana na mety hampisy loza dia rariny raha tsy havela hidina izany fiaramanidina izany... mahagaga aza no mbola nanokafana ny seranana nefa efa feno olona...
15. Fiffi ( 09/10/2006 21:13)
nefa toa naheno vao2 indray aho hoe tsy nisy na inona na inona nitranga hono tany ?
16. ikalakintina ( 10/10/2006 08:45)
fa maninona tokoa mou no higadra i pierrot e?
hoatry ny tsy naharaka ve za?
17. ikalakintina ( 10/10/2006 09:01)
naharaka indray kay za fa hitako tary am gazety tary ny antony!, fa ny mampalahelo anie de misy victime ny zavatra hoatr'izany foana e!, ohatra oe ny zandary sy polisy!
18. Fiffi ( 11/10/2006 07:13)
heu...ny mahagaga ahy de niresaka t@ olona tany Tamatave mihintsy aho nefa de nilaza io olona io hoe heu...tsy dia nisy zavatra firy nitranga fa aleo hiany aloha mitandrina @ zay voalazan'ny gazety an!
19. ikalakintina ( 12/10/2006 08:17)
marina io fiffi a!
20. prime ( 12/10/2006 09:32)
fiffi> marina izany... mila mitandrina @ izay lazain'ny gazety fa na izany aza nisy zavatra nitranga kosa aloha tany... nisy fampitandremana, nisy fisamborana, nisy naratra, nisy tetika hanakorontanana sy hamakiana magazay... d mihidy ny seranana ankehitriny sns...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1675