Antso avo amin'ny vahoakan'ny Tamatave

1. Lejim ( 06/10/2006 00:17)
Amin'ny maha-zanaka Tamatave ny tenako no angatahako aminareo rehetra any ny tsy hikorontanana raha toa ka tonga any Andriamatoa Pierrot Rajaonarivelo.
Hisy fisamborana ary hisy miaramila maro ho tonga any Tamatave hisambotra azy satria meloka Andriamatoa Pierrot R. eo anivon'ny fitsarana.
Tsy haintsika iza ny manana ny marina ka aoka isika tsy hieritreritra hoe manohana ny marina isika manohana an'Andriamatoa Pierrot R..
-Olona iray iny ve dia ndeha hatakalontsika ny aintsika sy ny fianakaviantsika, fantatrareo fa ny atody tsy miady mamam-bato, ka aoka samy hitandro tsara ny fiainany fa iray ihany ny aina fa tsy mba roa.
Tsy hidirako lalina eto ny resaka politika fa antso avo no ataoko, dia ny mba tsy hampisy an'izany korontana izany.
-Tiako ho marihina fotsiny dia ity: manana andraikitra lehibe tamin'ny savorovoro 2001-2002 andriamatoa Pierrot, ka isan'ny manana antoka tamin'ny nahafaty sy nanmpigadra ny havantsika maro (nisy havako maty sy nigadra tao.) tany Tamatave izy!

Mba milaza ny hevitro fotsiny aho, ka raha toa ka tsy tianareo dia ireo voasoratro ireo no ario fa tsy ny tenako.
Misaotra indrindra tompoko lahy sy tompoko vavy!
novalian'i prime ny 09/10/2006 15:03
2. patrick2002 ( 06/10/2006 02:25)
Dia misaotra anaho nampitony aloha ,Ka asa na hipaka marina any @ vahoakany Tamatave ny teny na ahoana,
Dia eo isika mahita azy ,hatramin'izay manko dia ao Antananarivo foana ,ny toerana hiaingana handrodanana ny mpitondra ,1972,1975 1991 2002, matoa nifidy toerana tao Tamatave i Pierrot Rajaonarivelo ao raha, matoa tao i Ratsiraka no namahatra farany ao raha.
Ny ahy dia mivavaka izaho mba tsy hisy korontana any madagasikara any, satria betsaka ny fianakaviana any,
ary samy mikaikaika daholo nyrehetra @ halafosany fiainana, ka io indray ny hiampy korontana dia ahoana.
3. Fiffi ( 06/10/2006 05:27)
heu....de miandry zany aloha raha ho avy marina lery satria toa ho sarotra hiany an!
4. papala ( 06/10/2006 08:09)
misaotra betsaka anao lejim an!
fa ny fahatongavan'io pierrot anie io de ohatry ny hatao fandrangitana be zany mihintsy aty Madagasikara an!

nefa anie nitondra teo ry zareo ka fahantrana tsy roa amantany no nisy teto E!

ka haninona hiverina aty indray ? hampahantra ny Malagasy @ faran'ny mangitsokitsoka any @ fahaverezana indray ve ?
5. hjaune ( 06/10/2006 08:31)
Miaina eto tamatave efa hatramin'ny 2000 aho. Izaho dia zanak'Antananarivo.
Nahita sy niaina mivantana ny zavamisy ta@ 2002 ireny. Ny tena marina dia tsy sitra-pon'ny vahoaka mihitsy ny hikorontana fa ireo mpanao politika ireo no manakorontana amin'ny fomba rehetra (vola, fahefana...). Olona voakarama matetika no mitarika korontana sy mampihorohoro. Tsy sitra-pon'ny tompo-tany (Betsimisaraka) mihitsy ny handroaka vahiny (merina) satria fantatr'izy ireo tsara fa tsy mandeha ny fiainana eto toamasina raha tsy misy an'ireo.
Amin'izao fotoana hiresahantsika izao dia milamina tanteraka eto toamasina. Tsy mahasarika ny sain'ny mponina firy akory izany fodian'ingahy Pierrot sy izay mety ho fisamborana azy izany. Raha misy nny korontana dia ireo olona izay hanatrika ilay journées de l'AREMA le 07-08-09 izao no hitarika izany satria toa hoe ao anatin'io no ho avy ingahirainy.
6. delcap ( 06/10/2006 10:10)
Za aloha de tsy mpanao politika fa mpanaraka.
Izaho dia olona teraka teto, tsy haiko aloha na misy hifandraisany @ hahatongavan'i P.Rajaonarivelo na tsia fa t@ herinandro lasa iny dia nisy miaramila frantsay betsaka niodinkodina eran'ny tanàna, misy ary ny sasany tena mitondra basy mihitsy.
Ka tsy haiko na ahoana na ahoana tsara ny tena fandehany fa dia miandry ny fahatongavany izany dia eo no mahita ny tohiny.....MBOLA HITOHY

7. tenagasy ( 06/10/2006 11:31)
Mankamamy ô!
Mankasitraka sy momba nanteraka ny hevitrao aho Lejim!
Mahereza amin'ny fanentanana fa ny ela maha iray roa!
Mirary soa!
8. eprom ( 06/10/2006 12:50)
delcap> toa miaramila nanao sarin'ady tany alaotra ireny. Izay aloha ny fanazavana ofisialy.
9. prime ( 06/10/2006 14:48)
Deraina ny ezaka fanentanana ataon'i lejim =D ary irariana indrindra ka mba hisy hihaino sy hanaja...
10. vetsoko ( 06/10/2006 15:07)
marina ny an'i lejim saingy misy ahitsy kely,tsy nanohana ny korontana nataon'i radidy i pierrot t@ 2002 ary nilatsaka ho médiateur izy mba tsy hisian'ny korontana,sady efa pré camagne io no tena marina,saingy tsikaritry ra8 hoe ho adversaire henjana leiry raha mi-réussir io médiation io
11. tezitra ( 06/10/2006 16:13)
ny hevitro dia tsotra:
avelao hilahatra ny olona hanohana andrajaonarivelo, dia milahara koa izay contre azy, ny miaramila sy ny polisy mijery dia misambotra izay manimba, sahala @ ny france sy etat-Unis:-nogadraina ny grviste t@ CPE,afaka ihany rehefa mahazaka vahoaka
-nogadraina mme Parker (AMIE DE LUTTE DE MARTIN LUTHER KING) tany etazonia afaka ihany avy eo

en plus vous donnez trop d'importance à ce jeune homme (pierrot),laisse-le,il est innofensif
MAMPALAHELO RAHA NY MPANAMAINA NO GADRAINA
12. Zina ( 06/10/2006 16:31)
Mety tsy ho lasa io ry reto satria ny gasy efa leo frantsay ko a... indrindra @ ity immigration miseho ity..
Ary angaha io Pierrot io tsy tokony ho gadraina raha voa tonga any Dago?????
13. patrick2002 ( 06/10/2006 18:08)
vetsoko:

marina ny an'i lejim saingy misy ahitsy kely,tsy nanohana ny korontana nataon'i radidy i pierrot t@ 2002 ary nilatsaka ho médiateur izy mba tsy hisian'ny korontana,sady efa pré camagne io no tena marina,saingy tsikaritry ra8 hoe ho adversaire henjana leiry raha mi-réussir io médiation io

Tsy hitako izay maha-adverssaire henjana an'i Pierrot ,ianao ary teo no nasorina koa henjana aho henjana.
Amiko dia fanamelohana tsotra izao no natao an'i pierrot mba hanatra ho an'i mpitondra fanjakana rehetra ,sahala ny natao t@ voninahitsy ny DG ny fid,ka @ gasy moa izay no hanaovana politika mba tsy ho maty manota.
Ary pierrot dia tsy nanohana ny nataoN'ny Ratsiraka t@ 2002 fa,kosa tsy nanakambara ,hoe manohina sa manohitra ,mahagaga ihany.
Ary iza ny olona nanodidina an'i Pierrot no tsy nanakarena tampoka ,izay no hanaovan'ny olona fanohanana an'i Pierrot ,fa ho tantely afa-drakotra indray madagasikara :cry::cry:


14. fijo ( 06/10/2006 20:37)
marina tokoa ny an'i lejim,ary avelao izy hoavy fa fitsapana io e.ho hita eo ihany ny tohiny
15. vetsoko ( 07/10/2006 14:00)
patrick,aza tezitra be aloha ise fa politika ange ity e!milaza fotsiny za hoe io no position politiquen'i rajao t@ 2002,raha tsy atahorana kosa anefa izy dia inona no hi-déployerna moyen militaire be tahaka izao ?????????????????????,ataovy juste ny fijerin-tsika sy ny analyse n-tsika,adversaire potentielsn-dra8 pierrot,sa ve dia ho lavina izany,manjary fanatique be isika dia lasa jamba,ny zavatra marina @ politique tsy azo négligéna fa au contraire,alalinina tsara(cerner)ahitana izay atao,fa tsy mi-nier à tort et à travers
16. Fiffi ( 07/10/2006 14:05)
tezitra:
en plus vous donnez trop d'importance à ce jeune homme (pierrot),laisse-le,il est innofensif
innofensif :?::roll: tsy fantatrao marina ny zavatra niseho nahatonga azy ho voasazy angamba an! misy anotony kosa matoa ny fanjakana manao an'zao an!


17. Stone ( 08/10/2006 17:32)
Mba hialana @ korontana dia aleo aloha izy tsy ampidirina eto, misy tetika maizina ao ka aleo sorohina dieny mialoha.
18. patrick2002 ( 08/10/2006 18:19)
vetsoko: Aoka ho fantatrao fa voaeloka Rajaonarivelo .Ka raha ianao mpitondra fanjkana no tsy hampihatra ny didy navokan'ny tribonaly ,ataoko fa tsy hitako izay maha-mpitondra fanjakana anaho ,faiblesse izany amiko.
Tena hatahorana mihintsy Rajaonarivelo satria mpanakorotana ,mazava iny, sahala @ hatahorako an'i Kotity,
19. prime ( 09/10/2006 15:03)
vetsoko> fa raha tonga i pierrot ka misy ny korontana (ratra, maty, fananana simba, adim-poko sns...), ankoatra ireo voalazan'i patrick ireo... iza no tompon'andraikitra? faran'izay tsotra izany fanontaniana izany...
Ka aza resaka politika fotsiny ijerena zavatra hoe matahotra angamba (mety ho marina izany mety ho diso koa) fa alohan'ny isehoan'ny zavatra no mila kinga manapa-kevitra fa tsy miseho ilay izy vao mandray fanapahan-kevitra... ny "évaluation des risques" efa maneho "signes d'alarmes" ambony b d mbola hoe avelao ho avy ihany v... des risques certains ne sont plus des risques à venir...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.084