io koa ny hasina fa manampy.

1. fijo ( 05/10/2006 22:58)
"tribune" nilaza ny hasina,fa ny fialan dravalo ihany no tsy hampisy ny korontana sy ady an trano ao mada........
hita sy tsapa izao,fa zavatra efa vohizina mafy io korontana io,ary ry zafy sy ry ndrema no tena manamasaka azy.
vahoaka iza indray no hoatao sorona ao??????
novalian'i prime ny 17/10/2006 11:48
2. Lejim ( 05/10/2006 23:55)
Novakiako io article io fa resaka fanarahana izay voalazan'ny constitution no tena nahatonga lery nilaza an'io! Satria election anticipee izany hono ny election amin'ny 3 decembre io ka manana ambara amin'izany ny Constitution de la Republique Malgache!
Raha tsy arahina tokoa moa ny constitution dia inona intsony ny maha legitime ny fanjakana Malagasy?!
3. patrick2002 ( 06/10/2006 02:35)
Efa nanambara ny heviny ny HCC ,momba an'io fa azo atao tsara ny manao election anticipé ,raha cas de force majeur ,raha atao @ mars 2007 ny election dia
fotoana ny cyclone io ka hanahirana ny fanaraha-maso ny vato, antony faharoa @ 2007 no mifanandrify ny fifidianana senat sy maire angamba raha tsy diso ny fitadidiako ,ka tsy hanam-bola an'izany ny fanjakana raha fifidianana 3 no atao @ taona iray.
Inona tokoa moa no hilana ny HCC raha ohatra ka samy handika be fahatany ny constitution ny mpanao politika rehetra ?
4. eprom ( 06/10/2006 05:11)
Marina izany ra Patrick. inona tokoa moa no ilana ny Hcc raha samy handika be fahatany ny constitution ny mpanao politika? Fa ny tiako anontaniana de hoe aiza ao anaty constitution no milaza fa azo aroso ny fifidianana raha misy cas de force majeure? Ny hitako ao mantsy de "azo ahemotra".? Ary iza no milaza fa tsy maintsy hisy cyclone raha le 30-60 andro mialoha voalazan'ny lalampanorenana no anaovana fifidianana? Ary ny hoe fifidianana mifanandrify : efa voalazan'ny lalampanorenana ny fe-potoana iasan'ny tsirairay ka anjaran'ny governemanta no miomana ho amin'izany. sa azo dikaina ny lalampanorenana rehefa tsy manambola ny fanjakana? Tsy ny hcc irery no mahay mamaky teny ary na tsy nanao droit teny ankatso ary izahay mba sahy milaza ihany fa ridicule io ataon'ny hcc io.
5. Fiffi ( 06/10/2006 05:29)
fijo:
hita sy tsapa izao,fa zavatra efa vohizina mafy io korontana io,ary ry zafy sy ry ndrema no tena manamasaka azy.
vahoaka iza indray no hoatao sorona ao??????
indrisy fa tsy maintsy misy ny mpanakorontana ! ny zavatra tena fantatr'izy ireo ange de na @ fomba ahoana na ahoana tsy ho lany eo ry zalahy de haleony manao an'zao eh!


6. mandrindra ( 06/10/2006 13:21)
Lejim:

Novakiako io article io fa resaka fanarahana izay voalazan'ny constitution no tena nahatonga lery nilaza an'io! Satria election anticipee izany hono ny election amin'ny 3 decembre io ka manana ambara amin'izany ny Constitution de la Republique Malgache!
Raha tsy arahina tokoa moa ny constitution dia inona intsony ny maha legitime ny fanjakana Malagasy?!

marina daholo izany. fa oa antin'ny lalampanorenana sy ny lalàna velona koa dia tsy ahitana fa raha aroso ny fifidianana dia tokony hiala ny filohampirenena.

izao toejavatra izao ilay manoloana an'ilay ataon'ny frantsay hoe "vide juridique"

7. patrick2002 ( 06/10/2006 14:42)
eprom:

Marina izany ra Patrick. inona tokoa moa no ilana ny Hcc raha samy handika be fahatany ny constitution ny mpanao politika? Fa ny tiako anontaniana de hoe aiza ao anaty constitution no milaza fa azo aroso ny fifidianana raha misy cas de force majeure? Ny hitako ao mantsy de "azo ahemotra".? Ary iza no milaza fa tsy maintsy hisy cyclone raha le 30-60 andro mialoha voalazan'ny lalampanorenana no anaovana fifidianana? Ary ny hoe fifidianana mifanandrify : efa voalazan'ny lalampanorenana ny fe-potoana iasan'ny tsirairay ka anjaran'ny governemanta no miomana ho amin'izany. sa azo dikaina ny lalampanorenana rehefa tsy manambola ny fanjakana? Tsy ny hcc irery no mahay mamaky teny ary na tsy nanao droit teny ankatso ary izahay mba sahy milaza ihany fa ridicule io ataon'ny hcc io.


Ny lalana tsy natao harahina ara-bakiteny ,fa natao ho dinihina sy ho fakafakaina ,tsy hitako izay hianaran'ny mpitsara iray momba ny lalana 7 ans apres bacc raha harahina ara-bakiteny ny lalana ,fa aleo olona manana CEPE , no hatao mpitsara .
Ny aminy maha-ridicule na tsy ridicule ny fanapaha-kevitry ny HCC tsy hidirako iny fa andaho ho fakafakaina ara-politika ny toe-draharaha .
Inona no mahasamy hafa ny fifidianana raha 3 decembre, na fevrier2007, na Mars 2007.
Amiko dia tsy mahatoky tena ny mpanohitra ,ka mitady fanakoro-tanana kely aloha hampalemy ny fitondrana izay vao haroso ny fifidianana.:roll::roll:.
Dia mila valiny @ zavatr5a tsy misy dikany.
8. vetsoko ( 06/10/2006 15:02)
ny constitution voadika ry zalahy efa tsy sujet intsony eto madagasikara ,izay eo @ pouvoir dia mahazo mandika constitution rehefa avy mi-consulter HCC,izay no fahazoan'ny gasy azy sasany,mampalahelo le izy saingy izay no zava -misy,misy le vides juridiques dia efa tsy misy rahateo ny indépendance de la justice,par conséquent les gouvernants (pouvoirs éxécutifs )détiennent à la fois les trois pouvoirs(éxécutifs,pvr judiciaires et pouvoirs législatifs),dikany,ny ara-dalàna dia izay tenenin'ny mpitondra satria izy no eo @ pouvoir,izay tiany gadraina dia gadraina,izay tiany hakatona dia hakatona,izay tiany éliminerna dia eliminerny juridiquement,dia jereo tsara fa izany tanteraka no misy ao an-tanana,dia hoy ny tsy mandinika tsara sy ny vahoaka tsy mahalala an'izany rehetra izany hoe:izay no ara-dalana koa!fa isika kosa tokony ahalala an'izany
9. Zina ( 06/10/2006 16:36)
vavaka sisa no azo atao e
10. patrick2002 ( 06/10/2006 18:11)
vetsoko: dia misaotra anaho fa izay mintsy no marina.
11. eprom ( 09/10/2006 09:07)
patrick2002:
Ny lalana tsy natao harahina ara-bakiteny ,fa natao ho dinihina sy ho fakafakaina ,tsy hitako izay hianaran\'ny mpitsara iray momba ny lalana 7 ans apres bacc raha harahina ara-bakiteny ny lalana ,fa aleo olona manana CEPE , no hatao mpitsara .

Tena tsy mitovy hevitra aminao tanteraka aho. Amiko de foto-kevitra ny hoe \"tsy misy olona azo heverina ho tsy mahalala ny lalàna\". Ny dikany dia tokony ho azon\'ny rehetra vakiana ny lalàna fa tsy hoe tsy maintsy mianatra eny amin\'ny anjerimanontolo akory. Ny tsotra indrindra araka izany de ny fampiharana ara-bakiteny ny voalazan\'ny lalàna araka izay azo atao. Misy mantsy toe-draharaha izay tsy de tena voafaritra loatra ka mapiasy hevitra. Eo no miasa ny fomba fampiharan-dalàna ( asa na mahadika ny jurisprudence io ) . Ary na de eo aza io fenitra nolazaiko etsy ambony io de sarotra ihany ny hoe hahaizan\'ny tsirairay ny lalàna rehetra. Izay no antony ianarana lavabe eny @ anjerimanontolo.
de mba eritrereto hoe ry patrick raha ohatra ka tsy mpitsara vita fianarana no mitsara fa olompirenena tsotra ( systeme des jurés). tena tsy mety ve izany hoy ianao?
12. prime ( 09/10/2006 15:13)
fijo> d mbola misy mitady hamerina ny fahadisoana teo aloha ihany e....
13. patrick2002 ( 10/10/2006 05:29)
epron: tena tsy mety
14. fiderana ( 10/10/2006 15:23)
Ka mandika lalana koa ry ve ny polisy tsy manaraka ny fizotran'ny fifamoivozana,ny tokony ho priorité tsy havelany mandeha, izao ê! ny polisy no tompony lalana eny @ arabe, izy no efa nomena fahaizana sy fahefana mandamina ny momba izany, ka raha ny fanjakana no mandamina ny fomba handehanan'ny raharaham-panjakana dia mandika lalana ve?, ny tiako lazaina dia izao, mila dinihina ny lalana, fa tsy t'onde harahina ara-bakiteny,misy fiovaovany araka- izay zava miseho ny fandikana ny teny hoe lalana ka ny mpitsara ihany no afaka manao izany, na ireo efa voatokana ny hanao izany,izany aloha ny lalana eto M/CAR , azo hadikan'ireo manana fahefana izay nifandimby teto ary ny rehetra izay teo mihitsy no nanao izany, ka tsy hitako izay hambara.
15. eprom ( 13/10/2006 09:02)
fiderana> ny lalàna de "fifanarahan'ny fiaraha-monina". Noho izany de ny ara-bakiteny no tsotra indrindra sy tsy isian'ny fifamitahana. Raha manajanona ny priorité ny pôlisy de satria omen'ny lalàna izay fahefana izay izy. Mbola ao anatin'ny fifanarahana izy izany. Tadidio fa raha tsy mazava ny lalàna de ho sahirana ianao hanao zavatra iray satria mety ho tsy ara-dalàna izany io zavatra ataonao io. Ohatra, miditra arabe sens unique ianao. Tampoka eo mifandona @ fiaran'ny ben'ny tanàna, izay niditra sens interdit mazava ho azy. de iza no diso? Ny ben'ny tanàna no mandamina ny hoe ity sens interdit ity sens unique na ity double voie. De hoy izy hoe vao novaiko teo ho double sens ity lalana ity fa ianao no diso. Ny takela-by anefa mbola tsy voaova. De tena diso ve ianao? Amiko, ny fandaminana ataon'ny fanjakana de tsy maintsy manaraka izay fepetra rehetra voalazan'ny lalàna. Eto izao de tokony hisy ny fampandrenesana mialoha vao azo ampiharina ny fanovana ny sens unique ho double voie. Ary izay no maha executif ny executif. Manatanteraka izay lazain'ny lalàna izy fa tsy manova azy arakaraky ny vanimpotoana akory.
16. prime ( 17/10/2006 11:48)
eprom>=D... Izaho aloha légaliste 100% ary mitovy hevitra tanteraka...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6938