Iza no mitondra ity tontolo ity?

1. isaka ( 04/10/2006 10:47)
Tena tsy nisalasala mihitsy i Jesosy hoe Satana no mpitondra ity tontolo ity. Nanao fahagagana i Satana, mba hampisehoana taminy ny fanjakana rehetra eo @izao tontolo izao sy ny voninahitr'ireny fanjakana ireny.Nampanantena izy avy eo hoe: homeko anao ireo rehetra ireo, raha miankohoka indray mandeha eto anatrehako ianao(Matio4:8,9;Lioka4:5,6)Eritrereto izao: tena fankam-panahy ho an'i Jesosy ve izany, raha toa ka tsy i Satana no mpitondra an'ireo fanjakana ireo? Tsy nolavin'i Jesosy fa an'i Satana ireo fanjakana ireo.
novalian'i Zina ny 06/10/2006 16:55
2. rainisalama ( 04/10/2006 11:07)
isaka:

Tsy nolavin'i Jesosy fa an'i Satana ireo fanjakana ireo.

Hahahahaha!!!Mahavaka ny loha mihitsy izany raha mamakafaka tsara ny mpino an!Rehefa mampirisika mantsy izany ny Epistily manao hoe mivavaha ho an'ny mpitondra fanjakana...tsy misy fitondrana tonga eo amin'ny toerany raha tsy i Andriamanitra no mametraka azy eo....snssns .
Dia mangatapitahiana amin'andriamanitra ho an'ny mpiasan'i Satana izany ny mpino????:lol:Raha miady amin'ny fitondrana izany ny sydicalistes dia miady amin'i Satana sa ....?
Raharaha be izany zalahy a!!

3. hery ( 04/10/2006 11:49)
isaka> sao dia tokony haverinao tsara kosa aloha hoe inona avy no notenenin'i Jesoa nandritra an'ireo fakam-panahy ireo'
4. caprio ( 04/10/2006 13:43)
eto @izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana hoy jesosy,kanefa tsarovy hoy izy fa izao efa naharesy izao tontolo izao.zany we marina ary tsy laviko mihintsy fa i satana no manjaka eto @izao tontolo izao indrindra fa @izao vanim-potoana hiainantsika izao kanefa rehefa miaraka @i jesosy ilay naharesy izao tontolo izao enao dia tsarovy fa tsy eo ambany fahefan,i santana intsony ary ny toerana tena tian,i devoly sy andreseny antsika mora dia ao anatin,ny harena sarotra be ho antsika mihintsy ny miala @fandriky satana refa eo ampelan-tanantsika io harena be io
5. rabaradaka ( 04/10/2006 14:09)
Raha afangaro ny fanjakana sy ny fivavahana dia mivadika ho zavatra hafa. tsaronareo ny Soratra Masina, hoy Pilato tamin'ny Jesoa :"Ianao va no Mpanjakan'ny Jiosy ?" Dia hoy ny Tompo namaly hoe "Voalazanao". Dia samy mahalala ny tohiny isika. Omeo an'ny Kaisara (César) izay an'i Kaisara ary an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra. Io tenin'ny Tompo io dia mandrara ny fitsabahan'ny fanjakana amin'ny asan'Andriamanitra. Mba ilazao an'izay ry zalahy candidat mandrebireby mpivavaka ireo e
6. daran ( 05/10/2006 18:34)
Azo jerena koa ao @ Jaona 12:31, sy Jaona 14:30; jaona 16: 11 mety manampy angamba o!!!
7. isaka ( 06/10/2006 05:02)
Tena hita ary fa mbola tsy miorina eto @ ity tontolo ity ny fitondrampanjakan'Andriamanitra matoa mbola mikorontana ny eto @ ity tontolo ity. izay no anaovantsika vavaka isan'andro ilay vavaka nampianarin'ny tompo hoe;Matio6: 10 Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.midika izany fa hery hafa no mitondra ity tontolo ity araka ny voalazan'ny daran etsy ambony le andinin-teny Jaona12:31 Tonga ankehitriny ny fitsarana izao tontolo izao; ankehitriny ny andrianan'izao tontolo izao no horoahina.Daniela2:44 Ary amin'ny andron'ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an'olon- kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.

8. prime ( 06/10/2006 14:04)
Matio 18:8 voavaky toy izao amin'ny anaran'i Jesosy, "Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefàna rehetra any an-danitra sy ety an-tany;"
marina ny voalazan'i hery hoe mba vakio tsara koa nefa ny fomba namalian'i Jesosy an'i satana t@ io fotoana nakàna fanahy azy io...
9. Zina ( 06/10/2006 16:55)
Isaka a mila mamaky ny baiboly tsara ianao , aza atao verset par verset otran'io fa dia ho very tokoa moa izany...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1441