Anne, momba nefa nahazo sitraka teo nantrehan'Atra

1. diamondra27 ( 04/10/2006 10:30)
i Anne de vady voalohan'i Elkana, tsy nanan-janaka nefa nagataka vavaka t@ ATRA izy, nino dia nivaly ny hataka nataony.

Ho fampaherezana antsika dia te-hizara aminareo ny momba an'io aho.
novalian'i prime ny 12/10/2006 11:23
2. diamondra27 ( 04/10/2006 10:30)


1 Ary nisy lehilahy Efraimita anankiray tany Ramataima-zofima any amin'ny tany havoan'i Efraima, Elkana no anarany zanak'i Jerohama, zanak'i Eliho, zanak'i Toho, zanak'i Zofa.

2 Ary namporafy izy, Hana no anaran'ny vadiny anankiray, ary Penina no anaran'ny anankiray; ary Penina nanan-janaka, fa Hana kosa tsy mba nanana.

3 Ary ralehilahy niakatra isan-taona niala tamin'ny tanànany hivavaka sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro, tao Silo. Ary tao izy mirahalahy, zanak'i Ely, dia Hofinia sy Finehasa, mpisoron'i Jehovah.

4 Ary tamin'ny andro namonoan'i Elkana zavatra hatao fanatitra dia samy nomeny anjara iray avy Penina vadiny sy ny zananilahy ary ny zananivavy rehetra.

5 Fa Hana kosa nomeny anjaran-droa, satria izy no tiany, nefa nataon'i Jehovah momba.

6 Ary ny rafiny dia nanorisory azy mba hampalahelo azy mafy noho ny nanaovan'i Jehovah azy momba.

7 Ary izany no fanaon'i Elkana isan-taona, raha niakatra ho any an-tranon'i Jehovah Hana, ary izany koa no nanorisoren'ny rafiny azy, koa nitomany izy sady tsy nety nihinan-kanina.

8 Fa Elkana vadiny nanao taminy hoe: Ry Hana, nahoana no mitomany ianao? ary nahoana no tsy mety mihinan-kanina ianao? ary nahoana no malahelo fo ianao? Tsy tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka folo mirahalahy va aho?

9 Ary rehefa nihinana sy nisotro tao Silo izy, dia nitsangana Hana. Ary Ely mpisorona nipetraka tamin'ny sezany teo anilan'ny tolam-baravaran'ny tempolin'i Jehovah.

10 Ary Hana dia nalahelo fanahy indrindra, ka nivavaka tamin'i Jehovah izy sady nitomany dia nitomany.

11 Ary nivoady izy ka nanao hoe: Jehovah, Tompon'ny maro, raha mba hitsinjo tokoa ny alahelon'ny ankizivavinao Hianao ka hahatsiaro ahy ary tsy hanadino ny ankizivavinao, fa hanome ahy zazalahy, dia homeko ho an'i Jehovah kosa izy amin'ny andro rehetra hiainany, ka tsy hokasihin-kareza ny lohany.

12 Ary raha mbola naharitra nivavaka teo anatrehan'i Jehovah izy, dia nodinihin'i Ely ny vavany.

13 Fa niteny anakampo Hana, ka ny molony ihany no nihetsiketsika, fa ny feony tsy re akory; ka dia nataon'i Ely fa mamo izy.

14 Dia hoy Ely taminy: Mandrapahoviana no ho mamo ianao? Esory aminao ny divainao.

15 Dia namaly Hana ka nanao hoe: Tsia, tompoko; vehivavy malahelo fanahy aho, fa tsy nisotro divay na toaka tsy akory, fa mamoaka ny ato am-poko eto anatrehan'i Jehovah aho.

16 Aza mba atao ho vehivavy tena ratsy fanahy ny ankizivavinao; fa ny haben'ny fahoriako sy ny alaheloko no nitenenako mandraka ankehitriny.

17 Dia namaly Ely ka nanao hoe: Mandehana soa aman-tsara; ary homen'Andriamanitry ny Isiraely anao anie izay nangatahinao taminy.

18 Ary hoy izy: Aoka hahita fitia eo imasonao ny ankizivavinao. Dia lasa nandeha ravehivavy, ary nihinana izy ka tsy nalahelo tarehy intsony.

19 Ary nifoha maraina koa izy ireo ka nivavaka teo anatrehan'i Jehovah, dia lasa nody ka tonga tao an-tranony tany Rama; ary Elkana nahalala an'i Hana vadiny, ary Jehovah nahatsiaro azy.

20 Ary tamin'ny fahatanterahan'ny andro dia nanan'anaka Hana ka nitera-dahy, ary ny anarany nataony hoe Samoela*, fa hoy izy: Tamin'i Jehovah no nangatahako azy.[Samoela = Nohenoin'Andriamanitra (?)]

21 Ary ralehilahy Elkana sy ny ankohonany rehetra niakatra hamono zavatra mba hanaterany ny fanatitra fanao isan-taona ho an'i Jehovah sy ny fanalam-boadiny.

22 Fa Hana kosa tsy mba niakatra; fa hoy izy tamin'ny vadiny: Aoka aloha mandra-panoty ny zaza, fa amin'izay aho vao hitondra azy hiseho eo anatrehan'i Jehovah, ka hitoetra ao mandrakizay izy.

23 Ary hoy Elkana vadiny taminy: Ataovy ary izay tianao; mitoera ihany mandra-panotinao azy; ary hefain'i Jehovah anie ny teniny. Dia nitoetra ravehivavy ka nampinono ny zanany mandra-panotiny azy.

24 Ary nony efa maoty ny zaza, vao nentiny niakatra niaraka taminy izy mbamin'ny vantotr'ombilahy telo* sy koba iray efaha ary divay iray tavoara**, ka nentiny ho ao an-tranon'i Jehovah tao Silo izy; ary mbola kely ny zaza.[*Na: (izay efa telo taona)][**Na: siny hoditra]

25 Dia novonoiny ny vantotr'ombilahy iray, ary nentiny ho ao amin'i Ely ny zaza.

26 Ary hoy Hana: Tompoko ô, raha velona koa ny ainao, tompoko, izaho ilay vehivavy nitsangana teto anilanao ka nivavaka tamin'i Jehovah.

27 Ny hahazoako ity zazalahy ity no nivavahako; dia nomen'i Jehovah ahy izay nangatahiko taminy.

28 Koa atolotro ho an'i Jehovah kosa izy: eny, amin'ny andro rehetra hiainany dia voatolotra ho an'i Jehovah izy. Dia nivavaka tamin'i Jehovah izy.
3. diamondra27 ( 04/10/2006 10:36)
I Samoela 1: 1-28 io

I Anne dia nanana firaisana manokana t@ Atra

Ny vavaka nataony dia io @ andininy I SAM 1:and faha-11

11 Ary nivoady izy ka nanao hoe: Jehovah, Tompon'ny maro, raha mba hitsinjo tokoa ny alahelon'ny ankizivavinao Hianao ka hahatsiaro ahy ary tsy hanadino ny ankizivavinao, fa hanome ahy zazalahy, dia homeko ho an'i Jehovah kosa izy amin'ny andro rehetra hiainany, ka tsy hokasihin-kareza ny lohany.

Rehefa avy nivavaka izy dia lasa maivana ny ziogany ary napetrany teo @ Atra izany ary elle passe à autre chose

Asa na fantany na tsia anefa fa ity zazalahy izay nangatahiny t@ ATra ity dia nofidian'Atra ho olon'Atra

4. diamondra27 ( 04/10/2006 10:38)
Koa raha hivavaka isika dia manaova tahaka an'i Anne:
Les lois divines ne sont pas réunies dans un seul passage de l'Ecriture,
mais pour Anne c'était des principes connus et mis en pratique tout au long de sa marche avec Dieu.

Comment faut-il prier alors (Attitudes)

1. Prier parce qu'on est au bénéfice du pardon Ps 66v13à19
2. Interceder au nom de Dieu et reconnaître sa puisance Jean 16v24
3. Etre covaincu de son insignifiance 2 Sam 7v18à29
4. Exprimer une requête claire et précise 1 Jean 5v14 à15
5. Désirer la volonté de Dieu et l'avénement de son règne Matt 7v7à11
6. Prier avec foi Heb 11v6
5. dailynews ( 04/10/2006 13:20)
ny Tompo hono no omaly tsy miova h@ izay ka ho mandrakizay, koa raha nanasitrana Izy t@ arivorivo taona lasa tany dia mbola afaka manasitrana Izy izao ary afaka manao fahagagana ihany koa. Ny olombelona no miova ka indraindray heverintsika fa miova koa Atra ...tsy miova IZY.
raha te hahita izany fiainampahagagana izany anefa dia mamndrosoa amin ny lalina kokoa....
tahaka an i Petera raha nanjono tery antsisintsisiny dia tsy nahita fahagagana fa nony nandroso lalindalina izy dia nahita ny fahagagana...nahazo trondro maro be. koa mirosoa amin'ny lalina aza.
marihina fa ny fianampahagagana dia azo hiainana isanandro amin ny fahitana valimbavaka na heverintsika fa kely io na ngeza...mitovy ny habeny eo anatrehan Atra fa rehefa mesurer ntsika amin ny habeny ny olana dia tahaka ny midika hoe mesurer-ntsika ihany koa ny fahafahan Atra manao zavatra. rien est impossible a Dieu.
6. diamondra27 ( 05/10/2006 07:08)
mila mino fotsiny de mangataka zavatra araka ny sitrapony dia hovoavaly ny vavaka atao.

I Anne izao tsy nanan-janaka de nagataka izy ary nivoady fa atolony an'Atra io zaza io raha teraka, ary notanterahany tokoa izany.

nisy mpiara-mivavaka amiko nitantra fa ny mamany hono tsy niteraka de nivavaka ary nanao io vavaka nataon'i Anne io , dia taty aoriana izy niteraka vavy, dia ilay ramatoa miara-mivavaka aminay izany, ary lasa misionera io ramatoa io @izao fotoana.

7. prime ( 06/10/2006 13:43)
Misaotra betsaka diamondra a... mampahery ny nampahatsiahivanao an\'io tantaran\'i Anne io...
8. diamondra27 ( 06/10/2006 17:02)
prime: tsy misy fisaorana fa fanehoana ho antsika hoe: ny vavaka dia zava-debe eo @ fanarahana ny TOMPO

de tokony mahay mivavaka raha te-hahazo valimbavaka fa tsy atao vague be

9. prime ( 09/10/2006 10:24)
Mivavaka amin'ny finoana koa...
10. diamondra27 ( 09/10/2006 14:56)
mivavaka @ finoana dia manantena
11. prime ( 12/10/2006 06:31)
Manantena dia be fitiavana koa...
12. miangalyandria ( 12/10/2006 06:53)
mahafinaritra kosa ny mamaky eto hoe hay mbola misy amintsika mino fa mamaly vavaka Andriamanitra !
13. prime ( 12/10/2006 09:23)
Izaho aloha mahasahy mijoro vavolombelona fa velona Jesosy ary mamaly vavaka...
14. hasinando ( 12/10/2006 10:18)

Marina izany A/tra mahay manao ny zavara rehetra ,hampahery antsika isan'andro anie Izy!
15. prime ( 12/10/2006 11:23)
Deraina mandrakariva anie Andriamanitra...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1535