Ny tokony atao rehefa mitory aman'olona

1. cristal ( 04/10/2006 09:10)
(l)(l)(l)Matetika dia raisin'ny olona ho ady hevitra na fahaizamanao ny fitoriana an'Andriamanitra!
Ny ilazana ny amin'i JESOSY KRISTY avy any nazareta no ampafantarina na apahatsiahivina ny olona zay mety tsy mbola mifoha nefa efa efa nifoha tamin'ny alalan'ny batisa,tsy azo atao ny hoe ny anay no marina na atsy no marina fa rehefa mandray sy manaiky an'i JESOSY ny olona iray dia miteraka fahasambarana ho azy zany satria ny finoana ihany no mahavonjy!
Fanampiny eo koa ny anaran'ilay maty teo @ hazo fijaliana,aza mifanasa vangy miady hevitra momba an'Andriamanitra,ny fanahy masina ihany no afaka manova olona!
Fehiny,NY FIBEBAHANA NY FINOANA FANEKENA AN'I JESOSY,FIHABENANA MANDRAKIZAY?FIHORENANA AO AMIN'ANDRIAMANITRA NO TSARA INDRINDRA
Dia anjaran'ny tsirairay avy eo no ho mpanompo na tsia, safidy io,fa maro no voahantso fa vitsy no voafidy,hoy ny soratra masina ary lozan'izay efa nampahalalana,toy ny zanak'israely,"IZY TONGA TAO AMINY FA NY AZY TSY NANDRAY AZY"(l)(l)(l)
novalian'i prime ny 05/10/2006 14:13
2. diamondra27 ( 04/10/2006 09:28)
ka inona ilay tokony atao izany
3. lemenakely ( 04/10/2006 10:04)
Hafa kely indray iny an! ary mpivavaka be izany i cristal raha azonay tsara an!
4. dailynews ( 04/10/2006 13:07)
ie, rehefa tonga any andanitra ny Tompo tsy hanonona antsika hoe eto andrefana ny avy ao amin'ny protestant, etsy antsimo ny anglikana, ery antsinanana ny bastista biblika sns...fa ny ho voavonjy dia izay nanaraka AZY fa tsy nanaraka ny anarampiangonana..... Izy nilaza hoe MANARAHA AHY fa tsy hoe manaraha anarampiangonana fa isika variana loatra amin ny anarampiangonana.... tsara ny fiangonana saingy raha miditra io fiangonana io nefa tsy manaraka Azy akory fa manaraka fombafomba mpivavahana fotsiny ihany dia tsy ampy. ny fo no jereny fa tsy ny etiquette hoe fiangonana aiza no alehako na aiza.
5. rabaradaka ( 04/10/2006 14:12)
Ny toetra aseho, ny fiteny avoakan'ny vava, ny fahamaotinana hita soritra eny aminao no fitoriana voalohany sy fandresen-dahatra voalohany. Hoy ny mpanao Salamo izay hoe : "mivavaha ka midera ny Tompo amin'ny fahanginana sy fahatsoram-po.
6. Ilo ( 05/10/2006 09:31)
Rehefa mitory aman'olona dia tsy ny fiangonana misy ny tena no toriana fa ny filazantsara, dia kristy ilay tonga tety an-tany, nanetry tena, nijaly, maty ary nandresy ny fahafatesana ho famonjena antsika.

Ary tandremo tokoa ny toetra aseho ety ivelany fa iny no jeren'ny olona voalohany rehefa mitory isika. Fa tsy henon'ny olona intsony izay ambarantsika raha tsy mifanaraka akory izay tenenintsika sy ny ataontsika ary na ny fiakanjo aza.
7. prime ( 05/10/2006 14:13)
^:^ ho an'Andriamanitra...
Misaotra anareo rehetra... =D ho an'i Jesosy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1936