Mpitandrina(kristiana) 1 niresaka tamina tsy mpino 1

1. jentilisa ( 03/10/2006 15:15)
Ahitana zavatra be dia be hatrany rehefa ny kristiana no miresaka na mifandresy lahatra amin'ny tsy mpino fivavahana na inona na inona izay antsointsika hoe athée.
Indraindray dia mifanery olona hitovy hevitra isika. Nefa na dia ny tenin'i Jesoa aza dia efa nisy toyizao nanao hoe: Raha tsy mino ianao fa izaho no izy dia minoa na dia noho ny asa ihany aza.
Tahaka izany no fijeriko ity resaka teo amina mpitandrina iray sy ity athée iray ity.
Dia mazotoa mamaky azy ary
http://castelg.club.fr/gl39.htm
novalian'i prime ny 09/10/2006 09:54
2. Fiffi ( 03/10/2006 16:30)
de aleo aloha hamaky azy miadana zany aloha !
3. tsimiandravola ( 03/10/2006 21:36)
jentilisa:

Nefa na dia ny tenin'i Jesoa aza dia efa nisy toy izao nanao hoe: Raha tsy mino ianao fa izaho no izy dia minoa na dia noho ny asa ihany aza.
OUUUUFFF! Lava be fa tsara vakiana ihany:ny fahitako azy dia mifanaraka ihany amin''ilay lohahevitra nasosako iry ihany:dia ny hoe "re-inventer l'Eglise".Raha dinihinareo ny foto-pinoana lazaina fa kristianina ananan'ilay Jean Hoibian dia tsy misy ifandraisany intsony mihitsy amin'ny finoana kristianna "classique" ,izany hoe finoana kristianina traditionnelle.

-Hitako mihitsy aza fa sarotra be ny toerana misy azy satria milaza tena ho kristianna izy nefa manao fihetsika sy manana firehana athée.Tena misy dichotomie mihitsy ao ary izany dia azo lazaina fa schizophrénie

-Na izany na tsy izany aza nefa dia dia miverina amin'ny efa voalazako ihany aho manao hoe:tsy izaho irery ihany no mahita fa "périmé" ny kristianisma fa betsaka,na mpino na ny tsy mpino.Ny mahasamihafa ny olona fotsiny dia izao:misy ny sasany tonga dia mandoa an'ilay kristianisma (toa ahy),misy kosa ny sasany mitady ny hanampintampina ny "rovitra" ka manao (ary voatery)manao "bricolage".

Tsy dia afaka miditra amin'ny détail loatra aho ny amin'ireo voalazan'i Jean Hoibian ireo .Ny fantatro fotsiny dia ny ezaka mafy dia mafy ataony mba hanazavàna ny position mananosarotra ananany,hany ka lasa mpametrampanontaniana fotsiny sisa ilay Eric Chams no niafarany fa tsy mpanazava ny heviny manokana intsony.


4. fijo ( 03/10/2006 21:46)
de manaova toa ahy e,mino rehefa tonga eto andriamanitra miresaka amiko
5. jentilisa ( 04/10/2006 14:44)
Samy manana ny lalan-kidirana sy ny lalan-kivoahana daholo ny olona tsirairay. Tsy fantatra manko izay tena maharesy lahatra ny tsirairay...na dia izay heverina ho tsy misy dikany indrindra aza. Marihina fa resaka tamin'ny taona 1990 io resaka io. Kristianisma liberaly no tena foto-kevitra ao na dia tena protestanta hiringiriny aza ny foto-kevitra hafa.

Ny mihevitra ny kristianisma ho lany daty kosa dia fahadisoana ihany. Raha lasa poizina mahafaty ilay izy dia izay no atao hoe lany daty. Amiko izao dia miasa tsara amiko io, nanasoa ahy hatramin'izay ka hatramin'izao...koa raha poizina ilay izy dia mety ho efa nivadika orera aho rehefa tsy maty. Io no mamelona ny maro manam-pinoana hijoro amin'ny fahamarinana hatrany ihany koa. Ka raha izay no lany daty dia...ihomehezako fotsiny.

Iza tokoa moa no betsaka mitana ny rariny sy ny marina kokoa? manaja ny hafa kokoa? mahalala manetry tena kokoa?

Ny tena manaja ny mahaolona no tena tiako...na dia andron'ny teknolojia sy ny siansa koa aza isika dia mbola sombitsombiny hatrany ny tena fahalalana ananan'ny olona aloha hatramin'izao. Mbola misy aza ny manam-pahaizana tsy mahalala ny mahasoa ny mpiara-belona aminy noho ny fanompoana ny vola ohatra...
6. prime ( 05/10/2006 13:59)
Ilay hoe mpitandrina hiresaka amina athée fotsiny mihitsy d\'efa hafa2 ihany...
7. jentilisa ( 05/10/2006 14:54)
Io izao dia tahaka ny hoe amin'ny athée aho dia toy ny athée...dai gaga ranamana ne fatahaka izay indrindra no efa nataon'i Paoly tamin'ny androny. Moa tsy somary mahavariana tokoa ny zavatra ataony?
8. prime ( 06/10/2006 12:23)
Ny mahafinaritra fotsiny amin'ny zavatra toy itony dia ny fifampizaràna amin'ny fo tsotra, sy madio... tsy miezaka ny hifandresy lahatra fa miresaka toy ny mpinamana ao anatin'ny fifanajàna sy ny tsy fifampitsaràna...
9. jentilisa ( 07/10/2006 13:47)
raha mba toy izany moa ny rehetra?
10. tsimiandravola ( 07/10/2006 20:22)
prime:

Ny mahafinaritra fotsiny amin'ny zavatra toy itony dia ny fifampizaràna amin'ny fo tsotra, sy madio... tsy miezaka ny hifandresy lahatra fa miresaka toy ny mpinamana ao anatin'ny fifanajàna sy ny tsy fifampitsaràna...
Amiko manokana dia d'accord ah fa ny olana dia izao: IZA NO MIHEZAKA NY HANDRESY LAHATRA?IZA NO MPITSARA NY HAFA?Araka ny fahitako azy ny valin'ireo fanontaniana ireo dia voarakitry ny baiboly ihany:"Mandehana ataovy mpianatro ny firenen-drehetra" sns sns ,moa va izany tsy efa programa fandresen-dahatra ny hafa??????.Ny hoe "...ireo tsy mino dia ef voatsara sahady,satria tsy nino ny anaran'ny zanak'Atra" (evangile de Jean angamba izy izay).Izany dia efa fitsarana sahady ary voasoratra ao amin'ny fitaovam-pandresen-dahatra kristianna.
Ary mbola maro be ny ohatra momba ireo sy mitovy amin'ireo ao amin'ny baiboly,ary eo amin'ny fihetsiky ny kristianna ihany koa tsy tambo isaina ny fitsaratsaram-poana ataony an'ireo tsy mino:Sady voaompa ho satana (adversaire),no voahozona ho azon'ny Devoly ireo mpanohitra na dia mmanaja toa inona aza.Ny didim-pitsarana faran'izay ratsy indrindra ataon'ny mpino an'ireo tsy mpino dia ny fahaverezana any amin'ny afo tsy maty sy ny fikotrohanify mandrakizay doria.Izay ilay hoe tsy avotra intsony.

Dia mieritreritra ve ianareo noho izany fa misy "moralité convenable" ny kristianisme???? J'en doute fort.


11. prime ( 09/10/2006 09:54)
hay v tsimiandravola mbola miverina @ ilay sujet ary ambadika ary e... ny tiako lazaina io ambony io d ny lahatsoratra notsongain'i jentilisa...
tsimiandravola> tsy hita hoe mitombina ve raha Andriamanitra no saropiaro ka mitady @ fomba rehetra ny hevitra handresen-dahatra ny olona mba tsy ho very? ny sitrapony dia ny hahavoavonjy ny olona fa tsy ny hahavery azy akory... ary ny farihy mirehitra afo sy solifara dia tsy natao ho an'ny olombelona fa natao ho an'ny satàna sy ny anjely maro mpanara-dia azy... kanefa rehefa tsy mino sy tsy misafidy ny famonjena ny olona dia mazava ho azy fa ho tafaraka voatsara miaraka amin'ny satàna sy ny forongony... safidy io fa tsy an-tery...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3643