Ampitampitao

1. flinde ( 03/10/2006 08:20)
REHEFA MIANTSO ANAO HIVAVAKA ANDRIAMANITRA
DIA MIVAVAHA !
Efa nahatsiaro ho terem-panahy hivavaka ho an'olona iray ve ianao kanefa dia nosoratanao tao anaty lisitra fotsiny ny anarany ary hoy ianao hoe : "Amin'ny manaraka aho mivavaka ho azy" ?Na koa, efa nisy niresaka taminao toy izao koa ve : "Tena mila vavaka aho noho izao toe-javatra manokana izao" ? Vakio ary ity tantara manaraka ity izay nisy nandefa ho ahy ary antenaiko fa hanova ny fomba fieritreretanao momba ny vavaka sy ny fomba fivavakao izy ity. Hotahiana anie ianao amin'ny alalan'ity taratasy ity.
Misionera iray, tao anaty fotoam-pialan-tsasatra , no nitantara ity tantara marina ity, raha namangy ny fiangonana tao amin'ny tanàna nahaterahany tao Michigan izy.
"Nandritry ny fotoana niasako tao amin'ny hopitaly kely iray any ambanivohitra Afrika, dia fanaoko ny mandeha bisikileta isa-tapa-bolana , namakivaky alabe, nankany amin'ny tanàn-dehibe akaiky iray mba haka vatsy". "Naharitra roa andro moa io dia io ka tsy maintsy matory indray alina ao an'ala, rehefa eo an-tsasa-dàlana . Nandritry ny dia iray toy izay, dia tonga tao amin'ilay tanàna aho mba haka vola tany amin'ny banky, ary hividy fanafody sy fitaovana samihafa , alohan'ny hanaovako ny dia miverina izay naharitra roa andro." "Vao tonga tao amin'ilay tanàna aho dia nahatsikaritra roa lahy niady, ary ny iray naratra mafy. Sady nitsabo ny ratrany aho no niresaka taminy ny momba an'i Jesoa Kristy Tompo" "Tonga soa aman-tsara tany amin'ilay hopitaly kely aho rehefa avy nandeha roa andro sy natory indray alina tao an'ala .
Tapa-bolana taty aoriana dia niainga indray aho. Nony tonga tao amin'ilay tanan-dehibe aho dia nanatona ahy ilay tovolahy notsaboika . Nilazy izy fa fantany hoe nitondra vola sy fanafody aho tamin'iny. Hoy izy :"Nanaraka anao tany an'ala izaho sy ny namako sasan-tsasany, satria efa fantatray fa hatory ao an'ala ianao. Nikasa ny hamono anao sy haka ireo vola sy fanafody tany aminao izahay . Saingy tamin'iny fotoana saika hanafihanay anao iny mihitsy no nahitanay miaramila mpiambina 26 nanodidina anao ! "
"Nihomehy aho raha vao naheno izany ary nilaza fa tsy nisy afa-tsy izaho irery ihany teo amin'iny toerana nilasiako tany an'ala iny. Nanantitrantitra mihitsy anefa ilay tovolahy: "Tsia tompoko, tsy izaho irery no nahita ireo mpiambina ireo. Ireo namako dimy koa dia samy nahita ary niaraka nanisa teo daholo izahay. Ny fisian'ireo mpiambina ireo no nampatahotra anay dia tsy nikasi-tànana anao izahay."
Rehefa tonga hatreo ilay fitantarana dia tafatsangana tampoka ny lehilahy iray tao am-piangonana ka nanapaka ny tenin'ilay misionera . Nanontaniany azy ny andro tena nisehoan'ilay tantara ; ary rehefa namaly ilay misionera dia nitantara izao manaraka izao ilay lehilahy nanapaka toriteny :
"Tamin'ny alin'io tranga niainanao tany Afrika io , mbola maraina ny andro taty. Teo am-piomanana ny handeha hilalao Golf aho ; ary efa saika hipaika ny baolina mihitsy aho no nahatsiaro ho terem-panahy hivavaka ho anao. Raha ny tena marina , dia lehibe loatra ny herin'Andriamanitra nanosika ahy , ka nahatonga ahy hiantso lehilahy sasany teto am-piangonana mba hiaona amiko ato amin'ity toerana masina ity ka hiara-hivavaka ho anao. Iangaviako ireo lehilahy rehetra izay niara-nivavaka tamiko mba hitsangana ." Nitsangana izy ireo. Tsy dia ny hahafantatra hoe "iza avy izy ireo" loatra no nahamaika ilay misionera , satria mbola sahirana nanisa azy ireo izy. 26 no isany.
Ity tantara ity dia ohatra mahatalanjona ny amin'ny fomba fiasan'ny fanahin'Andriamanitra izay tsy takatry ny saina . Raha sendra mahatsapa hery manosika anao toy izany ianao, dia ekeo sy araho izany . Ny vavaka dia tsy mandrava na inona na inona afa tsy ny vavahadin'ny helo ihany .
Mangataka anao ! Manentana aho mba hizara ity tantara ity amin'ny olona farany betsaka indrindra fantatrao. Raha tena lalim-paka ao am-pontsika izao, dia afaka hampitodika an'izao tontolo izao any amin'i Kristy indray isika.
Araka ny nasehon'ity tantara marina ity dia "tsy misy tsy hain'Andriamanitra atao", ary indrindra indrindra , mihaino sy mamaly ny vavaky ny mpino Andriamanitra . Rehefa avy namaky ity ianao, dia misaora an'Andriamanitra , noho ny fanomezany mahafinaritra, dia ny finoanao izany , sy noho ny fanomezany feno hery---ny vavaka izany--- ary noho ireo fahagagana maro tanterahiny amin'ny fiainanao an-davanandro... rehefa avy eo dia ampitampitao ity.

novalian'i prime ny 06/10/2006 11:14
2. Fiffi ( 03/10/2006 10:14)
misaotra anao nizara !
3. booboo ( 03/10/2006 11:09)
ié, misaotra nizara.
4. flinde ( 03/10/2006 12:50)
Tsy misy fisaorana fa raha misy zavatra ohatran'izany ananareo koa dia mba zarao e!
5. LazaDaddy ( 03/10/2006 13:34)
flinde> be dia be ny tantara mitovy amin'io fa izay ianao izany vao naheno ary mahafinaritra fa tsy misalasala ianao @ halehiben'ny Fahasoavan'Andriamanitra.

Tsipihiko fa tsy ireo nivavaka akory na ilay misionera no "masina" fa ny Tompo no be famindram-po sy fitiavana.

Raha te ahafantatra tantara maro @ fiasain'ny anjely @ fiainan'olona andavanandro ianao dia ny polisy sy ny jiolahy anontaniana fa ireny no matetika mifanehatra aminy.

Isika Kristianina kosa mahafantatra sy mahatoky fa momba antsika Andrimanitra, izay dia ampy fa tsy ilaintsika ho hita maso akory ilay anjely. "Ampy ho anao ny fahasoavako" hoy ny Tompo.

Farany, tsara ny mivavaka ho an'ny hafa; saingy aoka tsy hadinoina fa adidy koa ny mitory ny filazan-tsara maneran-tany.

Mahereza mandrakariva.
6. Fiffi ( 03/10/2006 16:33)
LazaDaddy:
Raha te ahafantatra tantara maro @ fiasain'ny anjely @ fiainan'olona andavanandro ianao dia ny polisy sy ny jiolahy anontaniana fa ireny no matetika mifanehatra aminy.
inona no idiran'ny fiasain'ny anjely @ polisy sy ny jiolahy ? :roll: tsy azoko an!


7. LazaDaddy ( 03/10/2006 20:05)
tsy natao ho azon'i Fiffy :)
8. Fiffi ( 03/10/2006 20:30)
hay ? de aleo hangina zanyzah koh!
9. isaka ( 04/10/2006 10:58)
kanefa isika tsy tokony hanantena fahagagana loatra amin'Andriamanitra na dia ao anaty fotoantsarotra aza. Toa an'i Joba , mba vakio anie ny tantaran'i Joba fa tena niaritra ny mafy izy nefa tsy nivadika t@Andriamanitra e hany ka nahazo valisoa be!!!!
10. prime ( 06/10/2006 11:14)
Fiffi> ny jiolahy matetika no mifanehitra @ anjely rehefa indrindra ilay olona tiany tafihana ka mpino... amin'ny fotoana tiany antanterahany ny asa ratsiny no miseho ny voninahitr'Andriamanitra dia hitany izany ka mahatora-kovitra azy... misy mahita fahitàna anjely marobe mitoby manodidina ny mpanompon'Andriamanitra, misy mahita mihitsy ny tanana maherin'Andriamanitra miaro ilay mpanompony, misy mahita hazavàna tsy hay tohaina manajamba ilay mpanao ratsy tsy ahefàny ny asa ratsiny... (santionany ireo)
d izay no tian'i LD resahina hoe ireny mpanao ratsy ireny no matetika mifanehitra aminy...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3234