Mahavariana be mihitsy

21. prime ( 26/10/2006 12:29)
soanja> ie, ilay izy @ teny anglisy aloha dia \"slogan\" iarahan\'ny rehetra mahalala ary tsy azon\'ny saina ekena mihitsy raha mbola kristiana koa noho ny foto-kevitry ny olona manaiky izany fampianarana izany...

Ny amin\'ny hafatr\'i Jesosy indray dia tsy fitiavana fehy fitiavana araka izay takatry ny saintsika loatra fa \"... ny hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo...\" hoy Izy. Ka sarotra ny miteny ny mikasika ny fitiavana araka an\'Andriamanitra (AGAPE) raha tsy azo sy takatra ary iainana aloha ilay hoe \"fitiavan\'i Kristy\".

Ny amin\'ny hoe fitoniana, fa aoka tsy ho adino fa Andriamanitra tsy fitiavana fotsiny fa mahery koa, mety tezitra indrindra amin\'ny olona izay mandà ny sitrapony ary tsy hay tohaina... hoy ny Salamo faha 7:11 izay \"Mpitsara marina Andriamanitra, eny Andriamanitra Izay tezitra isan\'andro.\", hoy koa Marka 10:14 \"Nefa tezitra Jesosy, raha nahita izany, ka hoy Izy taminy: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna; fa an\'ny toa azy ny fanjakan\'Andriamanitra.\"... tsy holazaina intsony ny nataon\'i Jesosy t@ ireo mpivarotra tao an-tempoly, \"Ary Jesosy niditra teo an-kianjan\'ny tempolin\'Andriamanitra, dia nandroaka izay rehetra nivarotra sy nividy teo an-kianjan\'ny tempoly ka nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan\'ny mpivarotra ny voromailala;\" Matio 21:12...

Ny hoe mitsara ny hafa indray dia tsy azonao ny voalaza raha izany... hafa ny atao hoe mitsara ary hafa ny atao hoe milaza ny zava-misy... raha misy olona iray ohatra miteny hoe \"...ary ianao toa misotro toaka foana, tsy maraina tsy hariva?...\" hafa izany... sy ny hoe \"tsy mety ny ataonao satria misotro toaka foana ianao maraina mandraparivan\'ny andro...\". Ny iray mialaza \"faits\", ny iray milaza \"impression\" sy \"avis\"... ka tsy azoko loatra hoe mitsara inona ny filazàna ny mikasika ny hippies... izany no izy ka diso ary ve izany?...

Ny hoe Jesosy olombelona no inoako, tsy dia olana amiko loatra satria izay no mba fijerinao... fa izaho mahalala izay inoako ary miaina ny finoako isanandro isanandro...

Ny @ hoe Jesosy nampianatra tany Asie, dia tena tsy mitombina no sady tsy marim-pototra mihitsy... Io dia mifanjohy ihany koa @ ilay fampianarana milaza fa tsy tany Asie mineure sy Moyen Orient ihany no nisehoan\'i Jesosy fa niseho tany Amerika koa Izy t@ fotoana hafa taorian\'ny fahafatesany... Dia voizin\'ny Mormon fa tsy ny tatsinanana ihany no nisehoan\'ny Jesosy fa ny tandrefana koa...
22. soanja ( 26/10/2006 13:03)
Ok Prime , mazava be mihitsy.
Ny zavatra mampasiaka an'Andriamanitra na i Jesoa matetika dia zavatra mifanohitra amin'ny eritreretin'ny sainy ary matetika dia hita fa ratsy tokoa matoa izy tezitra.
Ny zavatra ataon'ny olona momba ny fanaparitahana ny fifankatiavana eran-tany sy fikatsahana ny fitoniana ao anaty ve misy maharatsy azy? io indrindra no tiany ataontsika. Na masiaka aza Andriamaniatra tsy amin'ny zavatra toy izany. Izy akory tsy hoe masiatsiaka amin'izao ary izay no hitako mahavoa ny Kristianina mpitory teny be dia be dia ampandrosoana ao anaty tahotra ny mpino. Fa maninona? Andriamaniatra anefa tena fitiavana. Ny Andriamanitra inoako dia tsy ratsy fanahy akory ka atahotra azy aho. Fantany ny ataoko ary sambatra aho manana azy. "Aoka tsy hatahotra na hangorohoro ny fonareo fa ny fiadanako nomeko anareo" hoy ny hiranay.Ny firaisako ao aminy no hofifaliany. I Kristy indrindra no modely tsarako amin'izany dia ny fitiavany. Tamin'ny androny dia karazana "hippie" izy fa tsy nanaraka ny fomban'ny Jiosy niara niaina taminy. Fa saingy ny azy kosa tsy nisy drouge sy toaka ary sex. Ary io koa de tokony ialana lavitra raha satria tsy mahatsara sady mampiankidoha dia lasa mivily amin'ny tokony ho izy.
Tsy mahafanatra slogan zany alo aho fa izay fitiavana sy fitoniana izay no fantatro ary tsy manana teny raikitra io hoe malagasy na anglisy fa universelle. Ao anatinao no zavadehibe.
Miala tsiny aho Prime raha nitsara zany fa ilay resaka tsy mari-pototra no nahatomga ahy niteny ireo satria ny matoa ilay izy noraketina sy voalaza dia nisy ny fanadihadihana. Ary manana porofo ry zareo matoa miteny izany dia ny olona mitondra ny lovantsofina ka namela azy ho tantara. Toy izay ny baiboly. Io Genesy io de tena azo raisina ho angano tanteraka mihitsy saingy inoantsika. Ka nahoana no maripotoatra nefa ny an'ny hafa tsia? Izy mino ny azy dia aleo maripototra aminy iny.


23. soanja ( 26/10/2006 13:20)
Azafady> Mivily amin'ny tokony tsy izy no tiako tenenina.
24. prime ( 27/10/2006 10:47)
Ny fitiavan'Andriamanitra dia tsy manam-petra tokoa raha izay no tianao ambara... fa tsy izany ihany Andriamanitra fa Marina ihany koa aza adino... Ary izay rehetra manohana ny fahamarinany izay dia iharan'ny hatezerany koa fa tsy hoe fitiavana fehy fitiavana fotsiny Izy dia hamindrany fo avokoa na ny tsy fahamarinana rehetra aza... Aza adino fa ny tsy fankatoavan'i Saoly Mpanjàka Azy no nialàn'Andriamanitra taminy... rehefa nolazain'Andriamanitra izy hoe aza misy atao miangana na ny vehivavy na ny antitra na ny zazakely na biby fiompy aza fa vonoy avokoa... dia i Saoly mihevitra ho hendry noho i Andriamanitra tsy namono na ilay Mpanjaka fahavalony (satria anisan'ny olonkendry t@ izany io Mpanjaka io d mba tian'i Saoly ho "allié"), na ny vehivavy tsara tarehiny, na ny ondry aman'osy mataviny na ny zazakeliny, ary ny fananamben'ireo... Inona no zavatra nitranga?

Tsy fampihemorana ny olona velively ny filazàna fa Andriamanitra koa dia Andriamanitra Marina, ary tena saropiaro @ izany fahamarinana izany... ny tena fahadisoana aza dia ny fiheverana fa Fitiavana fotsiny Izy... ka heverina fa azony amindràna fo avokoa na dia ny zavatra efa hita aza fa tena diso tanteraka... Aoka tsy ho adino fa misy fetrany ny famindrampon'Andriamanitra fa tsy hoe tia dia tia mandrakizay fotsiny... tsy fampitahorana velively izany fa milaza kosa fa mila fandinihin-tena lalina ny fanarahana an'Andriamanitra fa tsy mandeha ho azy araka ny iheverana azy akory...
25. soanja ( 27/10/2006 15:01)
Tsia, mampihemotra ny olona ny hilazana fa masiaka ilay Andriamanitra tokony tompoiny. Firifiry ny olona miala amin'ny tsy finoana azy intsony noho izany faneriterana toy izany.

Amiko tsotra ny zavatra arahina rehefa te hiaraka amin'Andriamanitra ianao dia:
-Tiavo ilay Andriamanitrao:derao, kolokoloy.
-Tiavo ny namanao sy ny tenanao ary ny fahavalonao.
-Manaova soa ny hafa ary mahaiza minisy limite ny zavatra takian'ny sainao sy ny fonao ary ny vatanao fa raha tsy izany hitondra anao any amn'ny fahaverezana foana izany.
Rehafa misy zavatra tsy azo, afaka mandalina ny baiboly mijery azy sy manadihady. Rehafa tsy hitanao ao amin'ny baiboly dia jerena any amin'ny boky hafa sao any no mahita ny valiny. Afaka mamaly ny fanontanina manitikitika anao foana Atra ary amin'izay toerana rehetra alehanao mety ahitanao ny valiny rehefa mifandray aminy matetika ianao.
26. Achia ( 28/10/2006 12:21)
inty misy zavatra tsotra kely , ireo zavatra nataony Jesosy reo tany Inde sy tany Tibet reny ve ary ve tao alohan'ny nanaovany batisa sa taty aoriany , fa ny tantara voasoratra dia ny nataony taty aorian'ny nnaovana azy batisa , misy antony lehibe zany an !
27. prime ( 30/10/2006 08:05)
Zà indray ry soanja tsy mitovy hevitra aminao raha izany satria tsy ezaka avy @ olombelona no mahavoavonjy azy a... tsy ny fanarahana ny didy sy lalàna no mahavoavonjy fa ny finoana... tsy ny asa sy ny atao no ahazoana sitraka amin'Andriamanitra fa ny fanatanterahana ny sitrapony... ary ny baiboly no lalana tokana hahafantarana izany...
28. soanja ( 30/10/2006 14:23)
Prime a> ka efa ela anie no nahitako fa tsy mitovy hevitra sika e. :wink::wink: saingy tsy mampiova ny fitiavako anao ampo madio zany.:-*:-*:-*:-*
29. Achia ( 30/10/2006 20:50)
tsay , tsay , marina :-D:-D
30. prime ( 31/10/2006 10:18)
soanja> misaotra...:):-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1018