Resaka mpanofa trano sy tompon-trano

1. fiderana ( 02/10/2006 13:44)
Inona daholo moa ny droit ny tompotrano raha handroaka mpanofan-trano izy nefa ilay mpanofa trano mahaloa ara-dalana ny hofan-trano hatrizay?, dia toy izany koa ny an'ilay mpanofan-trano inona no fiarovan-tenanay sy ny zony eo anatrehan'izany fanam-pahan-kevitry ny tompon-trano izany?.
novalian'i fijo ny 05/10/2006 21:28
2. xxx ( 02/10/2006 14:21)
Tonga dia mandroaka fotsiny angaha fa tsy misy préavis ? raha izay mantsy mety hahazo vola be ianareo.
3. Kamoufle ( 02/10/2006 14:23)
Ny droit n'ny mpanofa trano dia mitaky ny reçu loyer, dia miala rehefa hesorina fa tsy manorisory ny tompontrano,ary tsy mangalatra ny équipements mikasika ny mûr et sol..ary tsy mitaraina fa manjary lasa SDF avy eo ka manahirana ny mijery azy.
Ampy anao ny valinteniko.
4. ds ( 02/10/2006 20:58)
fiderana:

Inona daholo moa ny droit ny tompotrano raha handroaka mpanofan-trano izy nefa ilay mpanofa trano mahaloa ara-dalana ny hofan-trano hatrizay?, dia toy izany koa ny an'ilay mpanofan-trano inona no fiarovan-tenanay sy ny zony eo anatrehan'izany fanam-pahan-kevitry ny tompon-trano izany?.

Antony telo ihany no hahafahan'ny tompontrano manala ny mpanofan-tranony.
1) tapitra ny fifanarahana (bail) momba ny fanofana ilay trano. Mila fampandrenesana enim-bolana mialoha.

2) alainy ho azy na ho an'ny vady aman-janany ny trano

3) amidiny ny trano
Tsy azony atao ny mampanofa ilay trano rehefa niala ny teo aloha.
Raha amidy ny trano, dia ilay mpanofa no lohalaharana mana zo hividy azy.
Raha tsy mahita trano hafa ilay mpanofa, dia afaka midongy kely aloha mandra-pa.
Didim-pitsarana indray no miditra avy eo.
5. fiderana ( 03/10/2006 09:05)
Misaotra anao aloha Rakamoufla, fa dia nomenao tombony ny tenako, dia lazaiko anao ary fa izaho tenako io te-hanala io mpanofatranoko io, fa na izany ary tsy te- hijabaka aho, satria izaho hoatran'ny mahalala fa mba manana ny zony ireny mpanofa trano ireny, fa tsy dia hoe délogéna fotsiny aminy izao. fa aza mba tratrany ihany ianao fa dia morà manaiky ary raha izany.8):lol:
6. fiderana ( 03/10/2006 09:14)
Miarahaba anao ds, sy ny namana rehetra,

Efa mba io nolazaiko an'i Rakamoufle io hoe iza ilay tompon-trano, fa sao mbola misy ihany antony mitombina akoatran'ireo azonareo na azonao homena,satria dia lazaiko aloha fa dia, tsy nisy fifanarahana nataonay hoe firy taona izy no hipetraka na firy volana na firy andro, satriko homenareo tombony aho, fa aleo aloha ny azy no hatao ara-dalana , dia mba milamina ny saiko, satria mba hilaiko ilay trano no antony hanalako azy, ka izay tena mba tombony hoan'ilay mpanofa no tena mba tadiaviko, nefa tsy ho very koa ny zo tokony ho ahy.
izaho aloha tsy te- hiseho tsara fanahy aminy ê!.
7. ds ( 03/10/2006 20:04)
fiderana:

(...) satriko homenareo tombony aho, fa aleo aloha ny azy no hatao ara-dalana , dia mba milamina ny saiko

ka izay tena mba tombony hoan'ilay mpanofa no tena mba tadiaviko, nefa tsy ho very koa ny zo tokony ho ahy

izaho aloha tsy te- hiseho tsara fanahy aminy ê!.

Sady tsy te hiseho ho tsara fanahy kanefa mikatsaka ny tombontsoan'ny mpanofa trano no tsy te ho very zo koa... hummm. Raha tsorina dia te hampihatra ny lalàna velona fotsiny sa ?
Omeo fe-potoana, 3 volana raha kely indrindra ary enimbolana raha ela indrindra, izy hialana. Hanaovy taratasy ara-dalàna manasa azy hiala ka azavao ao anatiny ny antony hilànao ny trano.


8. fiderana ( 04/10/2006 10:01)
amin'ilay hoe fe-potoana homena azy ve,mandoa hofatrano ihany izy sa tsia?.
9. HESHA ( 04/10/2006 10:43)
mandoa ara-dalana satria le fe-potoana tokony ahazoany mitady trano hafa ipetrahana fa tsy hoe hampialana sasatra azy akory.
Voa ndray kamoufle tamin'iny, angamba mba tompontrano kou de saika higeste
10. fijo ( 05/10/2006 21:28)
efa voalzan'i ds daholo,fa raha manimba kosa izy,dia hafaka manala azy enao,fa aza hadino ny "fampandrenesana mialoha"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.496