Manana "Guichet unique" vaovao .

1. Fiffi ( 02/10/2006 08:11)

Amin'ny alalan'ny fitsidihina ny tranonkalam-pifandraisana "www2.gaf.de/bpgrm", dia ho mora kokoa ho an'ireo maniry hampiasa vola sy hitrandraka ny harena an-kibon'ny tany eto Madagasikara ny hahafantatra ireo toerana, sy ny manodidina ity sehatra ity. Ny 90% maherin'ny tany eto Madagasikara, no nojerena manokana, tamin'ny alalan'ny fitaovana mahazatra sy ny zana-bolana, ka nahafahana nandrafitra sarin-tany ahitana ireo harena miafina, na koa ny kadasitra momba ny tany, sy ny alalana efa azon'ny mpandraharaha mpitrandraka. Tsy voatery hisy an'ireo harena voatondro anefa izany, fa fanadihadiana no niaingana. Ity "guichet unique", ity, izay heverin'ny eo anivon'ny MEM (ministeran'ny Angovo sy ny harena an-kibon'ny tany), fa zava-dehibe eo amin'ny fandrisihina hatrany ny mpampiasa vola, dia ao anatin'ny ezaka hanatrarana ny fandraisana anjaran'ny sehatra, eo amin'ny fitombon'ny harin-karena 7% avy aminy, manomboka amin'ny 2007. Foibe fampahafantarana ny vaovao, no tena marina aminy.
Ny olana, dia tsy natokana ho an'ireo tsy mahafolaka loatra ny teny anglisy, ireo vaovao voarakitra ao anaty tranokala, ka tsy dia natokana loatra ho an'ny mpandraharaha madinika eto an-toerana.

R.A La Gazette de la Grande Ile
novalian'i prime ny 03/11/2006 07:52
2. Fiffi ( 02/10/2006 08:13)
de midika inona indray zany zaoio olana io ? tsy ny Malagasy indray no hahazo tombontsoa ?
3. prime ( 02/10/2006 08:36)
angamba... fa rehefa solomaso mainty no ijerena ny zavamisy d mainty avokoa ny loko hita... rehefa solomaso mena dia mena avokoa...
4. Fiffi ( 02/10/2006 12:27)
fa mampalahelo kosa ny mpandraharaha madinika eto an-toerana. arakin'ny voalaza io !
5. tisera ( 03/10/2006 09:23)
vitsy ihany ny malagasy tena lasa lavitra @ io fitrandrahana io taloha fa asa @ izao fotoana . Be dia be ny hoe manao vato fa dia mpivarotra madinika sy mpitrandraka madinika daholo ihany fa ny gros pactole any am-paosin'ny vazaha , sinoa, karazana sy olom-bitsy @ gasy.
6. prime ( 03/10/2006 12:19)
Ny tena olana @ izy ity d tsy voafehin'ny malagasy na ilay fitrandrahana, na ilay fanodinana, na ilay varotra, na ilay sera2... hany ka tsy mety hita mivaingana ny vokatra entin'ny harena ankibon'ny tany...
Enga anie ka hitondra fampandrosoana @ izay ny fisian'ny rafitra (guichet unique) toy izao...
Ny mikasika ny mpandraharaha madinika d efa tokony hivondrona ireo fa tsy hihanona @ fanao hatr@ izay intsony d ny famelomam-bady aman-janaka ihany no jerena fa tokony mba mijery lavidavitra @ izay...
7. Fiffi ( 09/10/2006 21:16)
ka ny olana kosa ange de ireo malagasy mba te hamokatra tsy mba omena na'le portunité eh! fa ny vahiny foana no....:(
8. prime ( 12/10/2006 09:55)
Ny tena ambadika mantsy ry fiffi koa dia ilay fisarihana ny mpananm-bola (na vahiny na gasy) hampiasa vola bdb eto an-toerana... ka noho izany tsy resaka fifampitsinjovana ny samy gasy eto fotsiny intsony no voizina ankehitriny fa fampandrosoana maharitra miainga @ fampiasam-bola sy ny orinasa vaventy...
9. Fiffi ( 13/10/2006 18:20)
fa tsy mba ny gasy no tohanina voalohany fa nahoana ary ?
10. prime ( 17/10/2006 10:33)
Indrisy, izany tokoa aloha no zava-misy... tsy dia hoe tsy ny gasy akia fiffi fa ny vahiny no betsaka mpanam-bola tia mampiasa ny volany ao... D takona ireo gasy vitsy2...
11. Fiffi ( 20/10/2006 18:01)
nisy emission zay hoa hitako momba an'io an! fa ny olana de tsy mahatoky ny gasy ny banky ohatra @ le fampindramana vola !
12. prime ( 31/10/2006 12:55)
par expériences oui... c'est triste mais c'est la réalité...
13. Fiffi ( 31/10/2006 18:58)
mampalahelo an! fa tsy fantako hoe fa maninona aza ? tsy fahatokisana ve ?
14. prime ( 03/11/2006 07:52)
Izany hoe efa mihamaro kosa aloha ny gasy "crédible" ankehitriny... fa na izany aza eo amin'ny sehatry ny fandraharahàna dia mbola vitsy dia vitsy...

Fa ny tena antony teo aloha tsy nitokiana t@ gasy dia tsotra, ny an'ny gasy ilay capital mère mihitsy no tsy tafaverina fa tsy mba ilay zana-bola na ilay prime... sady tsy manaja contrat no tsy manaja fotoana sy ny fepetra rehetra ifanarahana... hany kah na tsara dia tsara aza ny projets'ny mpindrana aty aoriana d ataon'ny banky ambony b ny antoka sy ny fepetra...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0954