40 miliara raha hilatsaka

21. Lejim ( 05/10/2006 01:30)
Aleo ary zah hiteny ny hevitro amin'izay!
Ireto izao ohatra maromaro azo atao hampitoviana ny candidat rehetra!

1- Iferana ny vola laniana sy ny zavatra azo atao mandritra ny Propagandy! Izay anie tsy midika hoe atao tratry ny be sy ny maro ny vola e! Fa iferana fotsiny mba tsy hisian'ny mihoa-pampana! Juste fefy mba tsy hisorohana olana mety hitranga any aoriana izany!

2- Arahi-maso akaiky ny zavatra tenenin'ny Kandida rehetra, mba hialana amin'ny kopaka am-bava be loatra! Dia saziana ny Kandida izay manao ronono an-tavy. Dinihina fotsiny hoe, realizable ve sa tsia ny Promesse omeny! Misy izao ohatra ny Kandida mety hilaza hoe: "ataoko otran'ny New York City ny tananan'Antananarivo ao anatin'ny dimy taona!

3- Rehefa lany ny filoham-pirenena, dia jerena raha mba nanao ezaka ihany izy nanatanteraka ny zavatra rehetra nolazainy. Tsy voatery ho vitany an, fa jerena fotsiny raha mba nisy ezaka nataony tao, raha tsy nisy dia fantarina ny antony.

4- Omena fahaleovan-tena tanteraka ny Aino aman-jery rehetra izay manaraka ny fepetra mifehy ny aino aman-jery. Tsy maintsy exige-na anefa ny hisian'ny expert amin'ny sampana fanaovan-gazety iray!

5- Atao ny hampalalaka tanteraka ny sehatry ny Fitsarana, tsy am-bava fotsiny fa amin'ny lalam-panorenana mihitsy. Raha tsy matanjaka ny Fitsarana dia ho sahy mihitsy izy ireo handray fepetra hentitra amin'ny fandikan-dalana ataon'ny mpitondra izay mifehy azy. Mba matahotra ny karamany ho tapaka koa izy reo ka tsy maintsy esorina aminy izay tahotra izay mba ahafahany miasa tsara!

Lapino> efa misy io lalana mametra ny vola azo laniana amin'ny propagandy io aty Amerika. Voafetra koa ny vola azon'ny olona na fikambanana iray omena ny Kandida!

Misaotra tompoko
22. Lejim ( 05/10/2006 01:33)
remarque:
-Mba hisorohana ny olana fa tsy mba tsy hosorohana
- Tsy ho sahy mihitsy fa tsy hoe ho sahy mihitsy

Azafady indrindra
23. fijo ( 05/10/2006 22:34)
rainivao,"efa 40 taona ve isika...." za milaza hoe VAO 40 taona isika no nahaleo tena.
lejim;
-ferana ny vola azo ampiasaina.taty frantsa dia nisy olana be momba io resaka vola io,vao noferana hoe tsy mahazo manohana ny mpilatsaka intsony ny orinasa.fa ny vola lanian asamy manana ny azy.ka nahoan aisika no ferana????
ary raha ferana ,dia hoatao hoatrinona?satria io 40 miliara io anie raha atao ny kajy tsy ampy akory e.
-arahamaso ny zavtra lazain'ny mpanao propagandy tsy hanao kobaka ambava.
ary US aza ,firenena manaknarena be io,tsy vita izany.jereo ny kobaka ambava atao any rehefa misy propa.....
-omena fahaleovan tena ny haino amanjery.efa nomena anie e,fa tsy mahay manaja ny atao hoe fahalalahana.ny sasany mihevitra fa ny atao hoe fahalalahana dia fahazoana alalana anompa ny sasany.diso be,ka aleo ihany ferana.
-atao izay ampahaleotena ny fitsarana;ekeko tanteraka,saingy indrisy,fa sarotra be izany.na ny any aminareo aza tsy mbola mahavita izany hatramin'izao.
24. Lejim ( 05/10/2006 23:50)
fijo> Aty no fitsarana farany malalaka indrindra satria manana tanjaka hitsara sy hanara-maso tsara ny filoham-pirenena izy ireo!
- Ny mikasika vola iferana kosa, tsy nanome chiffre zah teo fa asiana fetrany ihany. Ny antony dia mba hisorohana ny olana amin'ny ho avy. Efa nolazaiko angamba izay! Noho io vola amin'ny Propagandy io dia mety hisy izao olona avy any ivelany, manana nationalite gasy (otran'ireo komorianina ireny.) ho voafidy fotsiny satria be vola, dia manao ny ataony izy avy eo satria tsy manana fitiavana ny tanindrazana mihitsy fa mitady tombon-tsoa fotsiny.

Mpianatra science politika aho ka raisiko ho andraikitra sy adidy izay fiarovana ny demokrasia izay! Tiako hosorohana daholo ny mety hisian'ny fanaperam-pahefana.
- Ilay 40 milliards akory tsy nasiako olana fa ity eritreritrao mampitaha ny fahefa-mividin'ny kandida!
Raha ohatra ka ny volan'ny kandida no hifidianana azy dia maninona raha tsy asiana fifidianana intsony fa izay manana vola be any amin'ny banky ihany no atao filoham-pirenena ?!
-Aoka ny vahoaka Malagasy omena teti-kasa mazava fa tsy sasana ati-doha amin'ny resaka vola be!
Marihina fa j'ai rien contre Monsieur le President de la Republique Malgache, d'ailleur, maro ny zava-tsoa nomeny ahy izay ka isaorako azy izany! Fa ny antony ilazako ireo dia satria ny Demokrasia no zavatra hitako fa saro-bidy ho an'ny firenena iray, mihoatra ny vola aman-karena. raha mitsipaka izany moa ianao dia efa tsy mifanakalo hevitrao aminao momba ny politika intsony aho.
- Misy mihitsy io fanaraha-maso ny zavatra tenenin'ny filoham-pirenena io aty Amerika. Mandray andraikitra lehibe amin'izany ny aino aman-jery, satria malalaka be ny fahefan'ny aino aman-jery hitsikera ny fanjakana.
Ekeko fa misy aino aman-jery Malagasy tsy mahay ny asany, ary manaiky ny hanakatonana an'ireny aho raha toa ka tsy mahay ny asany izy. Zah aloha mbola tsy naheno aino aman-jery "nanompa" izany ka tsy idirako lalina ny amin'iny!
25. belaza ( 08/10/2006 09:58)
ka ny vola anie hono maha ranga e. tsy hoe manana 40miliara vao mahazo milatsaka fa manana anio vao afaka mifaninana amra8. ka i ra8 anie tsy tohanany orinasa fa izy ihany no manohana ny tenany aminy orinasany. ary ny pilatsaka rehetra tsy maintsy manana soritrasa(kobaka ambava) mba ahafahany mandresy lahatra ny vahoaka. izay no atao hoe propagandy. naiza naiza na iza na iza tsy maintsy mandalo amzany raha te ho lany? na elà ia ary
26. Lejim ( 08/10/2006 20:23)
"Ny vola no maha-rangahy." Indraindray marina indraindray tsy marina. Efa nandinika ny fizotran'ny fifidianana maro zah fa tsy voatery izay be vola lany t@ propagandy no lany! Na anome ohatra anefa zah, tsy ho hain'la ireo olona ireo ka aleoko mijanona!
27. belaza ( 10/10/2006 10:11)
tsy izay zavatra hianaran'la any akory no ho tantarain'la eto lesy tsy hitondra vahaolana ho any Malagasy izany fanga raha mpianatra politika elà de mahalala ny rehetra? sa izao dia efa manomboka be be resaka mba ho fantatriny Malagasy ny fisianizany lejim POLITICIEN any amerika izany?
28. lapino ( 10/10/2006 10:29)
Lejim, misaotra namelabelatra aloha e! :)

Tsy resy lahatra amin'ilay antony hamerana vola aloha aho. Saingy mba te-hanontany, momba ny fampiharana an'io lalana io any US:
- Aiza ho aiza no mipetraka ny fetra any?
- mamerina kaonty ve izany ny kandida aorian'ny propagandy?
- Dia raha mihoatra dia ahoana?

belaza > raha mianatra politika izy dia misy zavatra hainy momba ny politika. Ka na tsy miombon-kevitra amin'i lejim aza, mba avelao handeha ny adihevitra fa aza totofana be fotsiny e! :wink:
29. Lejim ( 10/10/2006 15:33)
Belaza> Chapeau zandry e, miady hevitra otran'ny olona rehetra ihany lejim ary tsy tena anarako i, lol,
Lapino> complique ilay system dia aleoko mihitsy zah tsy hiezaka hanazava. En plus, y a des gens ki en ont marrent de mes idees ici. Misy fotsiny izy io, fa ilay fandehana tsy mazava amiko tsara! Tiako hisy any Dago koa izy io, na system otraotran'izay, mba hialana amin'ny probleme mety hiseho any aoriana any!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2069