Radama I

1. soanja ( 29/09/2006 05:14)
Inona avy ny zavatra mba fantantsika momban'io Mpanjaka io? Mba zarao izay mba fantatrao momba azy azafady fa mahaliana ahy tanteraka mantsy izy raha samy mpanjaka. Misaotra mialoha nizara.
novalian'i vazimba1 ny 05/03/2016 00:56
2. Fiffi ( 29/09/2006 05:55)
tena tsy nahatadidy ny tantara ka de nitady ary nahita an'ity !http://www.gasikara.net/Radama1.htm
3. Fiffi ( 29/09/2006 05:55)
http://www.gasikara.net/Radama1.htm
4. lapino ( 29/09/2006 06:47)
Ny zavatra tadidiko raha vao resaka Radama I, dia ny hoe izy no nampiditra ny fampiasana ny abidia latina hanoratana ny teny gasy, ary izy no nanaisotra an'ireo litera 5 "c, q, x, w, u" izay tsy ilaina amin'ny teny malagasy. Dia tamin'ny androny koa moa izany no namolavolana ny fitsipika eo amin'ny tsipelin-teny malagasy.
5. xxx ( 29/09/2006 07:30)
Rambolamasoandro no anaran'i reniny.
Misy vadiny iray izay antsoina hoe Rasalimo; Sakalava izy ito ary 17 taona izy no nanambady an-dRadama, i Radama kosa 18 taona. Ao Miandrivazo no toerana nanatanterahana ny fihaonan'izy ireo.
Ary 18 taona koa i Radama fony izy nandray ny fanjakana.
Radama no nanantanteraka ny teny nataon-drainy hoe "Ny ranomasina no valam-parihiko".
...hatreo aloha....
6. little ( 29/09/2006 12:02)
Tena tsara daholo zany ka! fa ny haiko aloha de complot be ny niakarany teo @ fiandrianana sady be koa ny tapa-doha ary tao ireo andriana nitsoaka ( zandriny ihany moa izany no betsaka amin'izy ireo satria rehefa tonga ny fotoana tahaka ireny dia tsy maintsy manao "allegence" na tapahan-doha tsotra izao ireo zandry sy havana mety manongam-panjakana, tia fety sy tia fiainana koa lehikely io t@ fitondrany ( eny e, ny andriana rehetra moa de samy tia fiainana daholo t@ zany andro izany satria ngamba teo amiony ny fahefana. Na oizany aza dia nahiratra mihitsy izy ka. Rabobalahy no zanak'izy sy Rasalimo ary sasatra niandry an-dRasalimo teo amoron'i rano no nahatonga ny anaran'i Miandrivazo.
hatreo aloha no haiko ka miandry koa zay mahay mihaotra.
7. little ( 29/09/2006 12:27)
Raha tsy diso aho dia izy ihany koa no nandrafitra ny miaramila gasy voalohany ho rezimanta ary nisy revue des troupe mihitsy t@ izany fa tsy tadidiko na tao an-tokotanin'anaty rova na teo andohalo na efa teny Mahamasina no nisy azy io ary saina maintso be misy sarim-boromahery no saina malagasy tamin'ny androny. Ilaidama moa no fiantson-drainy azy tamin'ity farany mbola velona ary i rainy ihany no mbola nanondro an-dRanavalona I ho mpandimby an'Ilaidama raha toa ka maty izy. Izy ihany koa no nandefa malagasy voalohany hianatra tany an-dafin-driaka ny cousins-ny dia i Ravoalavo sy Ratotozy (anaram-bositra ireo) hianatra dokotera angamba izy ireo raha tsy diso ho. ny sarin'reto farany moa dia angamba mbola hita ao anaty rova satria kambana ilaikely ireo. Maty tany angletera ny iray ary ny iray kosa no tafody.
8. little ( 29/09/2006 14:21)
Farany: nandimby an-Andrianampoinimerina nanomboka t@ 1810 izy ka maty t@ 1828. Mpanjakan'i Madagasiikara voalohany nianjaika toa ny eropeanina ary koa nianatra nanoratra ka sorabe no nianarany voalohany, ny foko antemoro no tompon'andraikitra t@ fampianarana sorabe tao an-drova.
9. soanja ( 29/09/2006 16:02)
Woahoo misaotra betsaka fa tena mahaliana tokoa. Manomeza foana izay mba manana any fa tena info tsara ho fantatra daholo sady mampitombo ny fahalalana an'i Mcar tany malala.
I Radama I tokoa aloha no lakilen'ny fanatanaterahany ny tenin'Andrianampoinimerina ary tena mahavariana be ny fiainany.
10. fens ( 29/09/2006 18:22)
ny zava-dehibe anisan'ny azo raisina amin'ny tantaran'i Radama I dia tamin'ny androny no niroboroboan'ny fifandraisan'i madagasikara tamin'ny fanjakana hafa tany ivelany, na de efa nisy aza ny fifanakalozana tamin'ny firenena hafa (Arabo).

Tsapa araka izany fa ny vanimpotoana nanjakan'Andrianampoinimerina Rainy sy Radama I dia ahitana "nuance":
- teo amin'ny fifaneraserana: fisian'ny soratra
- teo amin'ny fitafy: fiakanjoana ny fitafy eoropeana
- teo amin'ny ady: fampiasana ny miaramila (tamin'ny androny no niavian'ny anaran-tanana Imerintsiatosika, Fenoarivo, Arivonimamo,Miarinarivo, Tsiroanomandidy, izay nametrahany ny atao hoe "armée" ary nambaboanany ny fanjakana sakalava.
-teo amin'ny lafiny politika: izy no azo lazaina fa mpitondra voalohany teto madagasikara niditra tamin'ny atao hoe "fanalalahana" na "liberalisme" noho izy namela malalaka ny vahiny hiasa teto.


Be dia be no azo resahina momba an'i radama I amin'ny lafiny rehetra

Fehiny: Mpitondra nahavita be ilery ary mendrika ho tahafin'ireo mpitondra ankehitriny
11. fijo ( 29/09/2006 19:48)
little,ahiahy kely,ny zanak'i radama sy rasalimo anie ka vavy e"ketaka" no anarany raha tsy diso ny tadidiko..ary raha niakatra handray ny fahefana ranavalonaI,dia io zazavavy io no nasainy nanosotra ranomby ny fivaviany"ho mariky ny hery"satria izy tsy lahy.
marihina koa fa tsy izy no tena rain'i radama II .izy dia nanomboka ny fandrindrana ny fahefana nisy tao mada,ary izy no gasy nahay taratasy voalohany.nanomboka tamin'ny androny no nisokatra i madagasikara.
ary toa ny bandy gasy rehetra,dia tia dite sy diam pamaky izy.
tantara kely."raha nisy manamboninahitra frantsay nanontany azy hoe inona no zavtra mba tianao hoentiko indray andro,dia hoy izy,mila vehivavy frantsay aho mba handramako.ary dia nitondran'io manamboninahitra io vehivavy maromaro avy aty izy.
ary nony voatetiny izy rehetra ireo,dia hoy izy somary mamo:"efa voako daholo ny vehivavy eran tany."
ary RanavaloI koa dia tsy ambanin'io raha io resaka aranofo io.
12. soanja ( 30/09/2006 00:08)
K'inona izany fa tsy lapabe foana ny tao anaty Rova!
13. little ( 02/10/2006 12:23)
Ny lapabe anie ry Soanja tsy hoe fety e sa hoe filibana e! ny lapabe dia misy dikany manokana fa tsy izany. Sosialy sy politika be ny lapabe. tao Ikelisoa no fametrahana sy fanaovan'ireo mpanjaka ny filany t@ izany andro izany. Ikelisoa = lapa iray tao anaty rova tao miaraka t@-dry Mahitsielafanjaka, ry Manjakamiadana, ry Besakana, ry Tranovola sy ry Manampisoa. Ikelisoa: trano firevena zany e!
14. soanja ( 03/10/2006 02:04)
Ekena ry Little. Misaotra nanazava bebe kokoa fa dia variana ihany aho kah.
15. adidy ( 12/10/2006 14:41)
Izay aho vao nahita an'ity sujet iray ity!
Niteraka lahy tokoa i Radama I sy Rasalimo: Rabobalahy, izay ny taranany sy izy dia milevina ao Ampananina! T@ izany andro sy fotoana dia nolazaina fa i Ketaka ihany no zanany satria araka ny fomba t@ izany dia nifofo ny ain-dRabobalahy ireo andriana hafa izay afaka manjaka(cousins). Ny taranany dia mbola any hatr@ izao
16. vazimba1 ( 05/03/2016 00:56)
Fanintsiana kely : i Rasalimo dia vady ofisialy faharoa an'i Radama 1, tao Mahabo ny fihaonana voalohan'izy roa.
tsy mbola tanteraka ilay tenin'i Andrianampoinimerina fa mbola nofinofy fotsiny satria ny Fanjakan'ny Menabe tsy nety azon'izy ireo hatrin'izao androntsika izao.
misaotra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.481