iza no handimby

21. Fiffi ( 28/09/2006 19:13)
Dia tsy mba nisy zanany ve mba nanaraka an-drainy ?
22. Solitikabe ( 28/09/2006 20:01)
Raha tsy diso aho ry Reto, dia tsy tena i Ratsimamanga no nanorina ny IMRA, saingy raha ny olona tena nitondra ny fahaizana tao anatiny dia tsy izy akory no sangany satria nisy ilay Pr Philip Rasoanaivo tao amin'ny Genie Chimique iny no tena fantatro hoe nitondra an'i IMRA tamin'ny toerana avo, saingy izy angaha mpiasa fotsiny dia tsy hitan'ny olona ny asany. Noho izany tsy azo lazaina hoe tsy nisy mpanohy ny nataon'i dada Tsima.
Mba tadiavo aloha amin'ny yahoo na google ny hoe P Rasoanaivo, satria raha tsy diso aho dia tena mpandrombaka itony award amin'ny Simia eran-tany itony io Rangahy io. Saingy isika tsy mahalala afa tsy SINGER amin'ny antsoin'i Ngahy Ravony.
23. Fiffi ( 28/09/2006 20:24)
tena marina io fa misy maro2 hiany nohitako fa teny anglisy daholo !
24. diamondra27 ( 29/09/2006 06:38)
de aiza daholo ny formules? nisy secret sa efa fantatry ny nandimby azy?
25. little ( 29/09/2006 07:38)
Ilay izy anie ry ireto tsy hoe mpanao biochimie, biotech sy pharmaco ihany no antony e! Jereo zao ry Rado mpanoratra ve de tsy efa manakaiky ny fivelaran'ny(envergure et notoriete) zava-bitan'i Pr Ratsimamanga eny na dia tsy misy ifandraisany @ pharmaco sy biotech aza. Olona mahay an'ny firenena koa izy ireny raha tsy mitanisa afats'izy aho. Aza de terena ny fijery fa mba aoka hivelatra, ny naha olon-dehibe an-i Pr Ratsimamanga anie tsy dia ny hoe fianarana vitany fa ny fahendreny e eny na dia misy hidirany aza izany fa ny naha Raiaman-dreny @ lafiny rehetra azy.
Eny tsy lavina fa misy ny mpikaroka mahay toan-dry Pr Rasoanaivo sy ny mpikaroka zandriny toan'dry Rafatro fa izany tsy milaza fa hanana ny "envergure"n-dry Pr Ratsimamanga ireo, nefa iza no mahalala raha ireo ihany tokoa. Aoka ny tantara no hitsara
26. vale ( 29/09/2006 17:23)
hay ve efa lasana i Ratsimamanga e? :(
zaho dia tsy mba nahalala satria misy savony vitany Ratsimamanga izay (fatao @ tarehy) fampiasanay tao an-trano dia h@ izao isaky ny misy olona tonga avy any mcar dia mahazo foana aho, ka tena tsy mba nahalala mihintsy hoe lasana izy,dia tena nisy nanohy marina izany ny asany koa!!!fa saingy mampalahelo ihany anefa atao ahoana moa,mmmmmmhhhh
27. Fiffi ( 29/09/2006 17:27)
zah koa ary akia ry vale tsy mba nahafantatra an'zany akory an!
28. vale ( 29/09/2006 17:47)
29. Fiffi ( 29/09/2006 18:25)
30. maintsokely ( 29/09/2006 23:03)
Marina dia marina hoe misy mpikaroka zandriny ary ny irariana dia ny mba hisian'ny fitohizana.
Ny nampalahelo tamin'ny andronay io a!. Tsy tia chimie organique ny mpianatra satria tsy dia mamely loatra ny fampianaran'i Pr Rasoanaivo. Izy aloha dia tena spécialiste mahay fa tsy ampy loatra ny fampianarany. Tsy matiko lolo ihany koa ny nizestiavan'i Nedala tamiko ny boky Vogel (text book) iny. Tsy navelany noraisiko akory ilay izy fa tonga dia nositominy. Dia hoy aho hoe amin'ny fomba ahoana moa no ahafahako mivelatra amin'ity taranja ity nefa ny tahiri-kevitra vitsy ary izay manana tsy manaiky akory na dia ny hikitika an'ilay boky aza ?


Ny tena olantsika any madagasikara koa dia tsy fahampian'ny produit hanaovana TP sy vola hanaovana experience. Na misy ihany aza ny te hanoy ny asa dia tratrany sakana satria tsy misy vola.

Olana manaraka izany ihany koa ny exploitation an'ilay molecule rehefa hita.
31. Fiffi ( 30/09/2006 08:58)
maintsokely:
Ny tena olantsika any madagasikara koa dia tsy fahampian'ny produit hanaovana TP sy vola hanaovana experience. Na misy ihany aza ny te hanoy ny asa dia tratrany sakana satria tsy misy vola.
indrisy fa tena marina io voalazanao io an!


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0074