Tsy vita dimy taona ny fampandrosoana.

1. Fiffi ( 28/09/2006 07:30)

Mipoitra tsikelikely ny vondron'olona na miankina amin'ny antoko na tsia, milaza fa hanohana tsy misy fepetra ny kandida Ravalomanana amin'ny 3 desambra ho avy izao, ka anisan'izany ny VTMMR (Vondron'ny tanora manohana an'i Ravalomanana. Ahitana fikambanana 22 hatramin'izao no miray tendro ao, ka anisan'izany ny Jeune TIM , MJP, AEI, ny Association du bas quartier, AJIDA, ny zanak'androy sy ny fikambanan'ny tanora Antandroy sns...
« Tsy vita ao anatin'ny dimy taona ny fampandrosoana hoy izy ireo ka heverina fa rariny raha mbola tohanana mandritra ny dimy taona manaraka i Ravalomanana amin'ny asa tokony ho atao eto ».
Maro ny mbola tsy efa kanefa raha izay fotoana fohy nipetrahany teo amin'ny fitondrana izay dia azo hitarafana ny lalàn'ny fiovana teto, ka io hiarahana mahita io ny làlana maro manerana ny nosy, ny sekoly vao najoro miampy ny fikarakarana ny ankizy hiditra an-dakilasy. Ny tontolon'ny fitsaboana sy ny fandriam-pahalemana dia maro ny ezaka natony, kanefa mbola betsaka no tsy maintsy tohizana.
Niainga tao anatin'ny korontana sy krizy ity fitondrana ity ka raha atontaly ny fotoana niasany dia teo amin'ny telo taona monja, ka ilaina ny hanohizany ny asa efa natomboka. « Tsy mitaky tambiny izahay hoy ny filoham-boninahitry ity VTMMR ity Ratefinanahary Emile na fantatry ny maro hoe vazaha, fa ny tombontsoa hiadanan'ny ambany lanitra no andrasana, koa hanao izay ahatafita amin'ny fo feno fitiavana ry zareo hampan-dany ny filoha mbola amperin'asa tohanany ».

Naivo kely Madagascar Tribune


novalian'i prime ny 03/11/2006 07:54
2. Hubert ( 28/09/2006 15:16)
Tohanako ny hevitry ny VTMMR io ry Fiffi; zahay rahateo aty Dago no mipetraka, dia mahita tsara ny fandehan-javatra eto8).
3. lemenakely ( 28/09/2006 15:27)
Tsy vita 5 taona ny fampandrosoana fa ny mampalahelo dia vita 5 taona ny famenoam-paosy izay no tena olana raha ny ao MADAGASIKARA ao!
4. mandrindra ( 28/09/2006 15:36)
misy ny zavabita, fa misy koa ny nitotongana koa dia anjaran'ny tsirairay no mijery sy mandalina izay metimety aminy
5. Hubert ( 28/09/2006 16:02)
Isika olombelona aloha dia tsy ho satisfait amin-javatra iray izay tsy hahitana tombotsoa mihintsy.
Raha misy indray ny hafa hitondra ny Firenena eo dia ho avy indray ireo very tombotsoa hilaza fa tsy mamely io fitondra io e! zao e!
Marina aloha ny an'i mandrindra hoe anjaran'ny tsirairay no mijery sy mandalina izay metimety aminy.
6. Fiffi ( 28/09/2006 17:31)
Mba jerena @ fo tsy mihangatra kosa fa mba betsaka hiany ireo zava-bita nandritrin'ny 5 taona iny an! saingy isika no tsy mba mahay mihonina . Tsy zavatra mora ny fitondrana fankanana indrindra ny toerana namelana an'i Dago.
7. mandrindra ( 29/09/2006 08:02)
tsara ny mijery ny vita, fa aoka ireo tsy hanakona ny tsy vita, na tsy natao ihany koa
8. Fiffi ( 29/09/2006 17:38)
mino aho fa tsy ho voatakona kosa an!
9. prime ( 02/10/2006 08:40)
Afaka maneho ny heviny daholo koa nefa ny tsi11 sy ny fikambanana isankarazany fa tsy azo ferana... Matoa misy ny mpanohana toy izany dia misy antony ihany koa... fa tsy misy tsotra afatsy ny mandinika toy ireo voalaza eo ambony ireo...
10. Fiffi ( 02/10/2006 20:11)
prime: marina akia zany an!
11. prime ( 03/10/2006 12:14)
Fa marina fa tsy vita dimy taona tokoa ny asa fampandrosoana...
12. raygasy ( 03/10/2006 19:38)
Marina izany fa tsy vita 5taona ny fampandrosoana nefa nisy ary ny sasany anie efa ho 20ans zara raha nandroso isika e!fa mba andramo omena azy aloha io taona io jerena raha mandrosy isika na tsia e!
13. prime ( 09/10/2006 09:20)
fiffi> misy olona manao fanahy iniana fa minia mikipy manoloana ny asa vita ankehitriny... :wink::-*
14. Fiffi ( 09/10/2006 21:17)
betsaka ireo zava-bita tao anatin'ny 5 taona zay fa ny olona fotsiny no tsy mba mety afa-po !
15. prime ( 12/10/2006 11:15)
Ny MAP (DSRP teo aloha) aza miteny fa 15-16 taona no fanarenana miainga avy @ fandresena ny fahantràna...
16. Fiffi ( 13/10/2006 18:21)
prime: inona akia ity MAP sy DSRP ?
17. prime ( 17/10/2006 10:46)
DCPE (t@ fitondràn'i Tantely Andrianarivo-Deba) : Document Cadre de Politique Economique, io no politika ankapobeny ho @ asa fampandrosoana dia novaina ary nampiana kely ho lasa,
DSRP (Scylla-ra8) : Document de Stratégies pour la Réduction de la Pauvreté, nampiana ary noitarina mba hipaka hatrany @ ady @ fahantràna ny asa fampandrosoana rehetra... d io no nametraka tanjona hoe 15-16 taona dia hihena 50% ny fahantràna malagasy...
MAP(scylla-ra8) : Madagascar Action Plan, d io no politika vao2 voizin-dra8 ankehitriny rehefa nahitsy ny DSRP araka ny fanamarihan'ny mpamatsy vola iraisam-pirenena... Izay efa hanaovana fitetezam-paritra maro ankehitriny... ary izaho mino fa miainga @ io ny programan-dra8 @ ity mandat manaraka ity satria efa nahazo fankatoavana avy @ mpamatsy vola izy io...
18. Fiffi ( 20/10/2006 18:02)
prime: misaotra akia t@ fanazavana an! :):*:*
19. prime ( 31/10/2006 13:26)
Tsy misy fisaorana akia a...:-*:*
20. Fiffi ( 31/10/2006 19:00)
mbola betsaka ny tsy fantatro fa mitady :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0868