Fanafody bedy ta@ mbola kely

1. soanja ( 23/09/2006 19:25)
Ianareo ve tamin'ny mbolakely nisy fotoana nino hoe raha asiana ravina maintso (ravina sandaoro no tany Diego) atao ao ambany lela na hoe aforitra ao anaty tanan'akanjo de tsy bedy intsony. Zany hoe avy nanao hadalana tany dia fantatra fa ho bedy satria tratra na nisy nanoro , de io no atao haingana alohan'ny hidirana ny trano. Sa ve ny ankizin'i Diego ihany no nanao an'io taloha ? asa na mbola misy manao io hatramin'izao.
novalian'i soanja ny 07/10/2006 11:55
2. pissoa ( 23/09/2006 19:33)
:-D:-D:-D

Zah tsy nino an'ireny aloha e :-D fa betsaka ny atsanga tsy aman'oran'ny fahazazana toy ireny. Ohatra hoe asiana ravina maitso ambany lela, atao ambany lela ny auriculaire havia, ny tongotra havia no ampidirina ny varavarana aloha.

Raha misy ankizy kely matahotra bedy sy voakapoka dia aza mijanona eo ampovoan-trano fa mandehana ery amin'ny zorony mandeha fa eny tsy voa tsara :oops::oops::oops::-D
3. Fiffi ( 23/09/2006 20:08)
ary tena tsy mba nahafantatra an'zany zah an! tara indray zah zany an!
4. fasaly ( 23/09/2006 20:41)
soanja: ny anay tsy izany fa hoe tahonafokaso asisika anaty volo:-D
5. hery ( 23/09/2006 22:17)
Ny anay vatokely no atao ao ambany lela :-)

Tadidiko tsara mihitsy le nangalatra nijery cinema amin'ny kermesy de alina be vao mody... fa nandaitra ihany le vato rehefa atao ngezangeza lolll. Tonga dia arak'i papa hoe matahotra ny ho bedy :-)

Ary i Fiffi ngah tsy mba nandalo ankizy e? Sa tsy lehibe tany Dago? Sa efa ela be no ankizy? :-p
6. xxx ( 24/09/2006 03:16)
ny anay koa ravina maitso (maitso no izy fa tsy maintso !)fa ny lalina dia indray mandeha tokony tsy ho bedy fa ilay ravina no niapanga ny tena dia raikitra ny "fa nanao inona indray ?" :-D:-D
7. soanja ( 24/09/2006 04:28)
Ie mety hiampangatena tokoa aloha le izy raha ravina goavana be no atao ambany lela e. de hoe "Avy taiza nareo?" "Jay nandeee nilala ta sena." raikitra be lela :-D:-D

Misy an'ilay hoe mihaino angano amin'ny atoandro mila mamoritra tanan'akanjo na pataloha fa raha tsy izany manonofy ratsy na mipipy ampandrina hono.

Hay tsy mandeha rery zany ankizy any avaratra fa mampitovy daholo. Misaotra betsaka o.
8. fasaly ( 24/09/2006 07:08)
ny ahy refa avy mianatra de manitatra dia lavitra be mandende miaraka am namana de tsy tonga à l'heure ao atrano de efa mivonona am tahonafokasoka tsy maha bedy, fa bedy foana e!:wink:
de mandainga hoe nisy rangahy nanaraka de voatery nivily lalana, fa tamzany nalaza ny mpangala-jaza:-D:-D
9. pissoa ( 24/09/2006 10:14)
xxx :-D:-D:-D:-D:-D

fasaly fetsy an :-D:-D:-D

Hery, koa raha voatelinla le vatokely :-D:-D:-D
10. fasaly ( 24/09/2006 10:43)
hihihihi! pissoa: tsy naintsy nampesaina ny hafetsena tam mbola kely kou!! bedy tsin raha mandende de....:°) fa vao naika gravy ny fandehan'ny tantara tamzany fa natahotra tokou ny olondehibe am lay mpangala-jaza de nanjary notsenaina foana de grrrrrr...:x:xtssy nilàna tahonafokasoka tsony :-D:-D:-D
11. kally ( 24/09/2006 13:32)
Ka ny anay koa vatokely no natao ambany lela, dia miraikitra be ilay fiteny, vao mainka nahazo felaka hoe tsy mahay miteny tsara angaha rehefa anontaniana?:twisted:
12. soanja ( 24/09/2006 15:38)
kally:

Ka ny anay koa vatokely no natao ambany lela, dia miraikitra be ilay fiteny, vao mainka nahazo felaka hoe tsy mahay miteny tsara angaha rehefa anontaniana?:twisted:


=))=))=))


13. booboo ( 25/09/2006 11:55)
:-D:-D:-D
14. ravakamalala ( 25/09/2006 12:58)
=))=))=))
za kou efa nanao an io ka, vatokely aloha tam voalohany, dia tsy nandaitra mihitsy, dia nampiana zava maitso ndray fa eeeeeee, tsa nandaitra mits kou! nefa ny lela efa marary ipetahan ilay vatokely!!
15. dailynews ( 25/09/2006 13:32)
za koa nanao an'io ry soanja saingy tsy tadidiko hoe bedy ve sa tsy bedy...:D
16. soanja ( 25/09/2006 20:26)
Ny fahitako azy alo de bedy foana fa tsy mandaitra saingy mety mihena ny sazy :wink::wink::wink:
17. fijo ( 26/09/2006 22:23)
ny anay koa vatokely no atao ambany lela
18. andry08 ( 30/09/2006 14:45)
Ny ahy dia tena vendrana be fa nilaza tsy hanontaniana @ izay mba efa lasa mialoha ny sazy.
Indrindra t@ resaka bulletin fa dia vao azo dia naseho mba @ izay afaka manao vokansy tsara avy eo.
Ilay bulletin @io dia tena mahamenatra mihintsy fa be resaka sy voasazy lava tany @ primaire!=))=))=))
19. soanja ( 07/10/2006 11:55)
De inn no nataon'i Andry fa tsy arako? bedy ihany ve rehefa avy eo sa ahoana?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5301