e-mail

1. landza ( 23/09/2006 07:34)
salut hery , possible ve hoe misy olona afaka mandefa e-mail aty amiko nefa aho tsy nanome ny adresseko azy fa nolazainy fa hitany tato @ sera2 hono ... mba valio haingana raha azo atao misaotra mialoha
novalian'i zoanmi ny 26/09/2006 04:36
2. diamondra27 ( 23/09/2006 08:48)
landza: hamaly ihany aloha za na de tsy tokony hamaly aza.

Tsy possible raha tokony ho izy. Izany no valinteny azoko raha nametraka io question io aho.

Misy olona te- hiresaka aminao dia io no lazainy.
Soa ihany fa vitsy le olona manao an'io.
Efa mba tratra ny tenanay ka mba milaza izay fantako.
Misy mitsatoka fotsiny.

Sao kosa nanome adresy hafa tany @ site hafa tany ianao dia hitany ny mail-nao dia hitany ato @ sera² koa inao dia avy hatrany dia manoratra aminao izy?
3. vancleef ( 23/09/2006 09:43)
Tsy Hery aho fa homeko valiny ihany i landza.
Possible faha tsy probable no valiny.
- Possible satria ohatra iray fotsiny raha tsy nosolonao ny password na nosolonao sahala ny hoe 1234 dia misy hafaka manoratra robot miditra amin'ny login-nao dia mitady ny password-nao moramora fotsiny satria ila password generator eto amin'ny serasera dia simple-be (6 lettres minuscule a-z). Misy alalana maro hafa hafantaran'ny momba anao faha tsy lazaiko eto sahala ny mahita ny sarin'ny namana ho an'ny namako ihany nefa ianao tsy ao @'ny namako manokanana.
- Tsy probable raha tsy hoe crack amin'ny informatique ilay olona
4. Angie ( 23/09/2006 11:19)

Ny important amiko alou raha mandefa e-mail izy ka tsy miteniteny foana tsy koi.

Avy eo anjaran tsirairay njay mijery na hanoratra na hanao spam an'iny.
5. landza ( 23/09/2006 17:16)
Angie:


Ny important amiko alou raha mandefa e-mail izy ka tsy miteniteny foana tsy koi.

Avy eo anjaran tsirairay njay mijery na hanoratra na hanao spam an'iny.


misaotra betsaka namaly eh , landza
6. landza ( 23/09/2006 17:18)
diamondra27:

landza: hamaly ihany aloha za na de tsy tokony hamaly aza.

Tsy possible raha tokony ho izy. Izany no valinteny azoko raha nametraka io question io aho.

Misy olona te- hiresaka aminao dia io no lazainy.
Soa ihany fa vitsy le olona manao an'io.
Efa mba tratra ny tenanay ka mba milaza izay fantako.
Misy mitsatoka fotsiny.

Sao kosa nanome adresy hafa tany @ site hafa tany ianao dia hitany ny mail-nao dia hitany ato @ sera² koa inao dia avy hatrany dia manoratra aminao izy?


misaotra betsaka namaly ny fanotaniako eh , bon week end, landza
7. hery ( 23/09/2006 22:10)
Azafady fa tsy teto aho dia tsy afaka namaly.

Azo atao koa ny miteny hoe teto amin'ny serasera no nahazoana ny adiresy email na dia tsy teto aza :-)

Be dia be ny fomba hiparitahan'ny email.
Ohatra fotsiny ity:
- Mandefa email ho an'ny namanao akaiky ianao.
- Io namanao akaiky io dia mahazo an'ireny chaine ireny (Ilay misy hoe hahao telephone portable, na hoe aparitaho ity fa misy virus nivoaka sns...). Ireny dia misy foana hoe aparitaho ity message urgent ity.
- Dia iny tokoa ilay namanao fa mandefa an'ilay hafatra ary mieritreritra hoe nanao asa soa :-)
- Dia nandefasany an'ilay email daholo ny adiresy rehetra tao aminy, anisan'izany ny anao (fa tsy ny anao irery)
- Dia nisy olona naharay ilay hafatra avy amin'ilay namanao, mazava ho azy, hitany eo daholo ny adiresy email-n'ireo olon-kafa nandefasany azy (raha donto ilay namanao)
- Dia miampitampita toa izany ny adiresy.
- Dia tonga any amin'ilay anakiray izay niteny taminao hoe tao amin'ny serasera no nahazoany azy.

Zavatra toa izany no mora kokoa hiparitahan'ny adiresy email... noho ny fitadiavana azy ato amin'ny serasera.

8. fasaly ( 24/09/2006 15:38)
ié marina mitsy io, zà efa mpahazo hafatra hoatran'izany de feno adresse n'oul maro be nandefasana hafatra mitovy am ny ahy ihany kou dia raha tenter zà hanoratra amlay adresse mail hitako eo de afaka mamorona ihany aho hoe, tao am sersera no nahitako azy:wink:
fangah tena gravy be alou lay hafatra nalefany????sa mba fahatairana tamin'ilay fahazoana hafatra mail en suprise fotsiny:°):°)
9. zoanmi ( 24/09/2006 15:58)
oadray ! izaho anefa ry reto ny nahafantarako an'ity serasera ity voalohany dia nitady mailn'ankizy namako taloha aho dia ny anarany no notaper-ko teo dia nivoaka teo daholo ny anarany iray manontolo, ny firenena misy azy sy ny mailny dia avy eo aho nony tafiditra tato dia nitady hoe ahoana ary no fomba nampidiran-dry zareo azy sy hijerevana amin'ny manaraka fa dia tsy nisy fika e :-/! Mba valio hoe ry Hery !:wink:
10. xxx ( 24/09/2006 16:01)
Marina ny tenin'Hery.

De aza mba manao an'reny forward forward ireny fotsiny zany ry zareo ah. Rehefa mila mandefa email ho an'ny olona maromaro dia mba ampiasao ilay bcc iny ohatra farafaharatsiny.
11. dd ( 24/09/2006 17:41)
zoanmi:

oadray ! izaho anefa ry reto ny nahafantarako an'ity serasera ity voalohany dia nitady mailn'ankizy namako taloha aho dia ny anarany no notaper-ko teo dia nivoaka teo daholo ny anarany iray manontolo, ny firenena misy azy sy ny mailny dia avy eo aho nony tafiditra tato dia nitady hoe ahoana ary no fomba nampidiran-dry zareo azy sy hijerevana amin'ny manaraka fa dia tsy nisy fika e :-/! Mba valio hoe ry Hery !:wink:


diso angamba ianao fa tsy nisoratra teo mihitsy ny mail-ny raha teto @ "namana.serasera.org" no nahitanao ny namanao; vao t@ voalohany indrindra dia tsy napetraka teto mihitsy ny adiresy mail n'ny olona rehetra, tsy misy afatsy pseudo sy izay anarana tiana apetraka no hita, eo koa no olana, samy mametraka izay tiany, nisy aza tato nanao anarana hoe Claudia Schiffer angamba izy iny fa tsy tadidiko intsony ... :lol: :lol:

raha tary @ tranonkala "lisitra serasera" indray dia mety ho marina ny filazanao hoe nahitanao ny anarany sy ny mail, io indray raha ny fitadidiko azy dia misoratra eo ny adiresy mail n'izay mandefa hafatra ao, saingy tsy misy tovana na forward ao;
nisy koa talohabe (talohan'ny 1998) lisitra misy anarana sy mail ary tany niaviana, io lisitra io raha ny fitadidiko azy dia lisitry ny olona niserasera tao @ "fbra" sy "fbra2", izay marihiko eto fa tsy nisy nifandraisany tamin'ny "serasera.org", nantsoina koa hoe "lisitra tahiry", Tahiry no anaran'ilay mpandrindra ny FBRA2 mantsy.

mety iray tamin'ireo no nahitanao ny adiresy mail'ny namanao; zandrin'i FBRA2 (izay efa tsy misy intsony nakehitriny) i "serasera.org", saingy tsy nisy nifandraisany mihitsy na ny olona tany @ FBRA2 aza no tazana tato @ serasera nony tato aoriana.

Izany rehetra izany dia mirakitra ao @ tantaran'ny serasera fa mba vakivakio ihany fa efa misy lahatsoratra ao nataon'i hery.
dia averiko eto ihany na tsy misy idirany aza ny fisaorana an'i hery nanao ity serasera ity, mbola variana foana aho mieritreritra azy sy ireo zavabita ato nandritra izay 7 taona lasa izay (sa firy moa izy teo ry hery?)

mazotoa daholo


12. zoanmi ( 25/09/2006 04:58)
aleo angaha atao hoe izay tokoa e ! za moa tsy mahalala zay tantara fa vaovao koa ! fa izany hoe izay no nahafantarako an'ity serasera ty e
13. hery ( 25/09/2006 14:13)
zoanmi> ahoana tsara no nahafantaranao ny serasera?

Taiza no notadiavinao ny anarana... dia taiza no niseho ny adiresy email?

Toa mba fantatro daholo ihany ny zavatra amboariko ato amin'ity serasera ity, ary mbola izaho ihany aloha hatramin'izao no nanamboatra azy... fa tsy mbola nataoko mihitsy izany hoe rehefa misy olona hafa mitady dia mahita adiresy email-n'olona hafa.

Sao dia noho ianao mahita ny adiresinao ao amin'ny mombamomba anao dia heverinao hoe mahita ny adiresy email-nao koa ny hafa? :-)
14. fasaly ( 25/09/2006 15:51)
:):wink:
15. zoanmi ( 25/09/2006 16:11)
Taiza no notadiavinao ny anarana... dia taiza no niseho ny adiresy email?


Io noteneniko eo ambony io ho'aho no nahafantarako ny serasera, sendrasendra, nitady mailn'ny namako aho dia nankao amin'ny google dia notaperko teo ny anarany dia hitako soa amantsara mihitsy ny mailny sy ny an'ny ankizy namanay hafa, ny toerana nisy an-dry zareo dia nony lasa mambra mba nitady hoe ahoana ary no nataon-dry zareo sao dia mba mitady ahy koa izy fa tsy hitako mihitsy ilay fika. Dia avy tamin'io takelaka nijereko ny adiresin-dry zareo io no nisy hoe fandraisana dia ny takelaka fandraisan'ny serasera ilay izy. Ohatran'ny tsy mandeha intsony izao ilay rohy fa ito apetrako eto ito ihany raha ohatra tena mahalasa fisainana an'i Hery. lightning.prohosting.com/~hery/cgi-bin/serasera.cgi?searchstring=madagascar

Ka ny ahy anie tamin'izany faniriako mihitsy ny hahitan'ny hafa ny adiresy e-mailko e :D fa izany hoe tsy hitako ilay fika :-D:-D
16. xxx ( 25/09/2006 16:13)
oufff ! tsy voasoratra tao ny anaran-dry lerony, efa saika tsemboka ny tenanay !!!!
17. hery ( 25/09/2006 17:55)
zoanmi> ah izay vao azoko.

Takelaky ny lisitra serasera (araka ny nolazain'i dd) efa taloha be tamin'ny nanombohan'ny serasera io. Ny tohin'io site io amin'izao dia http://lisitra.serasera.org. Raha io dia tena fifanomezana hafatra amin'ny alalan'ny email mihitsy no tanjony. Mbola izay izy ao amin'ny lisitra.serasera.org saingy tsy hita mivantana intsony ny email.

Hafa mihitsy ny membres ao amin'ny namana.serasera.org

Misy efa mpikambana eto amin'ny namana fa mbola tsy mpikambana any amin'ny lisitra. Tonga soa ao ihany koa :-)

Ity ny version-n'io tamin'izany fotoana izany (1999)
http://lightning.prohosting.com/~hery/
18. zoanmi ( 26/09/2006 04:36)
ié izay mihitsy, efa ela tokoa izany marina ! hihihi, misaotra e !:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2525